2011
Ireo Fitahiana Avy amin’ny Fahafolonkarena
Jona 2011


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jiona 2011

Ireo Fitahiana Avy amin’ny Fahafolonkarena

Ny tanjon’Andriamanitra amin’ny fanomezana didy antsika dia ny mba hitahiana antsika. Te-hanome fiainana mandrakizay antsika Izy, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezany rehetra (jereo ny F&F 14:7). Mba hahazoana ilay fanomezana hiara-hiaina Aminy mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy afaka miaina ireo lalàn’izany fanjakana izany isika (jereo ny F&F 88:22).

Nanome didy antsika Izy eto amin’ity fiainana ity mba hanampiana antsika hampivelatra izany fahafahana izany. Ny lalàn’ny fahafolonkarena dia iray amin’ireo didy fanomanana ireo. Izany lalàna izany dia hoe omentsika ny Tompo ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra amintsika. Tena tsotra izany ka na ny ankizy aza dia afaka mahatakatra izany. Izaho dia efa nahita ankizy nanome valopin’ny fahafolonkarena ny evekany izay nahitana ny ampahafolon’ireo vola madinika azony.

Ny iray amin’ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena feno dia ny fitomboan’ny finoana mba hiaina lalàna ambony kokoa noho izany aza. Raha te-hiaina any amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miaina ny lalàn’ny fanokanana isika. Ao anatin’izany dia tokony ho afaka hahatsapa isika fa ny zavatra rehetra momba antsika sy izay rehetra ananantsika dia an’Andriamanitra avokoa.

Misy fomba telo farafahakeliny izay entin’ny fandoavana ny fahafolonkarena feno hanomanana antsika hahatsapa ny zavatra ilaintsika ho tsapa mba hahazoana ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay.

Voalohany, rehefa mandoa ny fahafolonkarenantsika amin’ny Fiangonana isika dia mandrotsaka fitahiana eo amintsika ny Ray any an-danitra. Na iza na iza nandoa fahafolonkarena feno tsy tapaka dia mahafantatra fa marina izany. Ireo fitahiana ireo dia indraindray ara-panahy ary indraindray ara-batana. Omena araka ny fotoan’ny Tompo izy ireo ary araka izay zavatra fantany fa tsara indrindra ho antsika.

Rehefa tonga ireo fitahiana ireo dia mitombo ny finoantsika fa Andriamanitra no loharanon’ny zava-drehetra izay tsara eo amin’ny fiainantsika. Lasa mora kokoa ny mahita fa ny fanokanana dia fanekena tsotra izao ilay fahamarinana fa ny zavatra noharian’Andriamanitra rehetra dia Azy. Mahatonga antsika hahatsapa fankasitrahana izany, satria ny 10 isan-jato fotsiny amin’izay efa nomeny antsika no hany angatahiny. Noho izany dia efa voaomana tsara kokoa isika hiaina ny lalàn’ny fanokanana rehefa angatahana amintsika izany.

Faharoa, isika rehetra izay nandoa fahafolonkarena feno tsy tapaka dia mahatsapa fahatokiana lehibe kokoa amin’ny fangatahana amin’Andriamanitra izay zavatra ilaintsika sy ny fianakaviantsika. Izy dia nampanantena fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho azontsika rehefa nahatoky isika tamin’ny fandoavana ny fahafolonkarenantsika (jereo ny Malakia 3:10). Noho izany ny iray amin’ireo fitahiana lehiben’ny fahafolonkarena dia ny fahatokiana izay zavatra mety hitranga amin’ny hoavy. Na inona na inona toe-javatra iainantsika dia hizotra amin’izay fomba tena mahasoa antsika ny zava-drehetra. Rehefa mihazona ny fampanantenantsika isika dia hihazona ny Azy koa Izy. Iray amin’ireo fitahiana lehiben’ny fandoavana fahafolonkarena ny fahatsapana fiadanana. Ireo izay nitandrina ny didin’ny fahafolonkarena dia afaka mijoro ho vavolombelona fa misy ary sarobidy ny fitahian’ny fiadanana.

Fahatelo, ireo izay mandoa fahafolonkarena dia mahatsapa fitomboana eo amin’ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny zanak’Andriamanitra rehetra. Izany fitomboan’ny fitiavana izany dia avy amin’ny fahatakarana ny fomba ampiasan’ny Ray ny fahafolonkarena izay atolontsika mba hitahiana ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity sy any amin’ny mandrakizay.

Mampiasa ireo fahafolonkarena amim-pitandremana lehibe Izy amin’ny alalan’ireo mpanompony izay nomena fahefana. Ny mpandoa fahafolonkarena dia manampy ny Tompo amin’ny fananganana tempoly izay toerana ahafahan’ny fianakaviana hofehezina mandrakizay. Ny mpandoa fahafolonkarena dia manampy Azy hampiely ny filazantsara na aiza na aiza. Ny mpandoa fahafolonkarena dia manampy Azy hanamaivana ny hanoanana sy ny fijaliana amin’ny fombany manokana amin’ny alalan’ny mpanompony. Ireo mpanompo ireo na iza na iza dia afaka milaza aminao ny fomba nitomboan’ny fitiavana noho ny fampiasana ny fahafolonkarena mba hitahiana olona. Ary afaka milaza izany koa ny mpandoa fahafolonkarena mahatoky.

Mbola volana maromaro any vao hisy ny dinidinika momba ny fandoavana fahafolonkarena. Mivavaka aho mba hanombohanao sy ny fianakavianao ankehitriny ny fanaovana drafitra sy fiomanana mba ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana izay arotsak’Andriamanitra eo amin’ireo rehetra izay afaka manambara Aminy fa mpandoa fahafolonkarena feno izy ireo.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

  • Indraindray ny fomba tsara indrindra hampianarana fitsipika sasantsasany dia ny fampisehoana izany (jereo ny Teaching, No Greater Call [1999], 164). Mangataha olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hampiseho hoe manao ahoana ny habetsak’izany ampahafolony izany. Izy dia afaka mampiseho izany amin’ny alalan’ny fanasarahana zavatra iray amin’ilay andian-javatra miisa folo. Hamaranana azy dia asao ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hampiseho ny fomba famenoana taratasy fandoavana fahafolonkarena.

  • “Ireo izay ampianarinao dia hahazo tombontsoa amin’ny fandraisan’ny tsirairay anjara” (Teaching, No Greater Call, 63). Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny zavatra eritreretiny fa tian’ny Filoha Eyring holazaina tamin’ilay teny hoe: “hahatsapa ny zavatra ilaintsika ho tsapa mba hahazoana ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay.” Ifanakalozy hevitra ireo fomba telo izay entin’ny fandoavana fahafolonkarena hanomana antsika hahatsapa ny zavatra ilaintsika ho tsapa mba hahazoana ireo fitahian’Andriamanitra.

Hamoaka printy