2012
Herim-po Hiatrehana ny Oram-baratra
Janoary 2012


Ho an’ny Tanora

Herim-po Hiatrehana ny Oram-baratra

Tamin’ny alina faharoan’ny lasin’ny Zatovovavin’ny tao amin’ny tsatòka nisy ahy, dia nisy oram-baratra lehibe sy tadio mahery niseho. Nisy 24 ireo zatovovavy tao amin’ny paroasinay no namonjy izany lasy izany niaraka tamin’ny mpitarika roa ary izahay rehetra dia tsy maintsy nisisika tao amin’ny trano kely iray mba hiarovan-tena. Avy be ny orana ary nihamafy ny fifofofofon’ny rivotra. Niezaka hatrany aho nahatsiaro ilay vavaka nangatahana fiarovana izay nataon’ny filohan’ny tsatòkanay talohan’io fotoana io. Ny paroasinay koa dia nanao ny vavaky ny vondronay manokana tao amin’ilay trano kely nisy anay, ary izaho koa dia nanao vavaky ny tenako manokana.

Maro ireo tovovavy no natahotra, ary mora fantarina ny anton’izany. Tsy dia mafy loatra ny trano kelinay ary nanamorona ny renirano ny toerana nisy anay. Tao anatin’ny 20 minitra dia nihanahery vaika loatra ilay oram-baratra ka voatery niala tao amin’ny trano kelin’ny paroasiny avy ny tsatòka iray manontolo ary nandeha namonjy ny trano kelin’ireo mpanolotsaina, izay teny amin’ny toerana avoavo kokoa. Nivavaka indray ny filohan’ny tsatòkako, ary dia nihira hira tao amin’ny fihirana sy hiran’ny Kilonga ary hiran’ny lasy izahay, mba hoentina hampaherezana ny tenanay. Mazava ho azy fa natahotra izahay, kanefa nahatsapa izahay fa hilamina avokoa ny zava-drehetra. Antsasak’adiny taty aoriana dia azo natao ny niverina tany amin’ireo trano kelin’ny paroasy tsirairay.

Taty aoriana dia fantatray ny zava-niseho tamin’ilay tafio-drivotra niseho tamin’izany alina izany. Nizara ho tafio-drivotra roa izany. Ny iray tamin’izy ireo dia nihodidina anay avy any ankavanana ary ny iray avy any ankavia. Hay ilay nianjady taminay dia tsy ampahafirin’izany akory!

Fantatro fa nihaino ny vavakay Andriamanitra tamin’io alina io ary niaro anay tsy ho azon’ilay fandravana ratsy indrindra nentin’ilay oram-baratra. Fa nahoana moa ny tafio-drivotra iray no hizara roa raha tsy efa Andriamanitra mihitsy no nila izany? Fantatro fa ao anatin’ny rivo-dozan’ ny fiainana, dia afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra foana isika ary hihaino sy hamaly ny vavaka ataontsika Izy, ka hanome antsika ny herim-po sy ny fiarovana ilaintsika mba hahatafavoahantsika soa aman-tsara avy ao amin’izany.

Hamoaka printy