2012
Miaina Ilay Fiainana Feno
Janoary 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2012

Miaina Ilay Fiainana Feno

Amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao izao, dia mamporisika ny Olomasin’ny Andro Farany aho na aiza na aiza mba hanomboka hikatsaka manokana sy amim-pahazotoana an’ilay antsoiko hoe fiainana feno—fiainana feno fahombiazana sy hatsarana ary fitahiana. Tahaka ny nianarantsika ireo fitsipika fototra tany an-tsekoly, dia mba atolotro anareo koa ireo fitsipika fototra izay ahy manokana mba hanampiana antsika rehetra hanana ilay fiainana feno.

Manàna Toetra mijery ny lafin-tsaran’ny zavatra rehetra

Ny fitsipika voalohany ao anatin’ireo fitsipika fototra ahy manokana dia ny toe-tsaina. I William James, izay manam-pahaizana Amerikana iray momba ny toetra sy filôzôfa izay anisan’ny nampiditra hevitra sy fomba vaovao voalohany teo amin’izany sehatra izany, dia nanoratra hoe: “Ny fivoarana lehibe indrindra niseho teo amin’ny taranantsika dia ny fahitana fa ny olombelona dia afaka manova ny endrika ivelan’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanovana ny toe-tsain’izy ireo ao anaty.”1

Maro tokoa eo amin’ny fiainantsika no miankina amin’ny toe-tsaina. Ny fomba hisafidianantsika ny fomba fijerintsika ny zavatra sy ny fandraisantsika ny hevitry ny hafa no mampiova ny zavatra rehetra. Ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika sy ny fisafidianana ny ho faly amin’izay toe-javatra miseho amintsika, na inona izany na inona, dia afaka mitondra fiadanana sy hafaliana ho antsika.

I Charles Swindoll—mpanoratra sy mpanabe ary mpitandrina Kristiana iray—dia niteny hoe: “Ny toe-tsaina, amiko, dia manan-danja kokoa noho ny … lasa, … noho ny vola, noho ny toe-javatra misy, noho ny tsy fahombiazana, sy noho ny fahombiazana ary manan-danja kokoa noho izay zavatra eritreretin’ny olon-kafa na lazainy na ataony. Manan-danja kokoa noho ny bika aman’endrika, na ny fananana talenta, na ny fahaiza-manao izany. Afaka manorina na mamotika orinasa, na fiangonana, na tokantrano izany. Ny zavatra mahavariana dia ny fananantsika safidy isan’andro mahakasika izay toe-tsaina izay ho asehontsika mandritra io andro io.”2

Tsy afaka manova ny fitsokan’ny rivotra isika fa afaka kosa manova ny fipetraky ny lain-tsambo. Mba hahazoana ny fahasambarana sy ny fiadanana ary ny fifaliana faratampony, dia aoka isika hisafidy ny toetra mijery ny lafin-tsaran’ny zavatra rehetra.

Minoa ny Tenanao

Ny fitsipika faharoa dia ny finoana—ny tenanao, sy ireo olona manodidina anao ary ireo fitsipika mandrakizay.

Aoka ho marin-toetra amin’ny tenanao sy amin’ny hafa ary amin’ny Rainao any An-danitra ianao. Ny Kardinaly Wolsey dia olona iray izay tara loatra vao mba marin-toetra tamin’Andriamanitra ary araka ny voalazan’i Shakespeare, dia nandany ny androtokom-piainany tamin’ny fanompoana mpanjaka telo izy ary nankafy harena sy fahefana. Nony farany dia nisy mpanjaka iray tsy nanam-paharetana izay naka ny fananany sy ny fahefany. Nitomany ny Kardinaly Wolsey nanao hoe:

Raha mba nanompo ny Andriamanitro tamin’ny antsasaky ny zotom-po

nentiko nanompoana ny mpanjaka aho, dia tsy ho Navelany, amin’izao taonako izao,

hitanjaka eo anatrehan’ireo fahavaloko.3

I Thomas Fuller, lehilahy mpitondra fivavahana Anglisy iray sady mpahay tantara, izay niaina tamin’ny taonjato faha-17, dia nanoratra ity fahamarinana ity: “Ny olona iray izay tsy miaina araka ny finoany dia tsy tena mino.”4

Aza ferana ny zavatra vitanao ary aza manaiky resen’ny hafa lahatra hoe voafetra ihany ny zavatra azonao atao. Minoa ny tenanao ary dia manàna fiainana izay ahafahanao manatratra ny zavatra azonao tanterahina.

Afaka mahavita izay inoanao fa vitanao ianao. Matokia sy minoa ary manàna finoana.

Atreho Amin-kerim-po ireo Fanamby

Ny herim-po dia lasa hatsaran-toetra mendri-piderana sy manan-danja rehefa tsy raisina loatra ho toy ny fahavononana ny ho faty amin-kafanampo fa kosa toy ny fahavononana hiaina amim-pahamendrehana.

Hoy ilay mpanoratra sy mpahaitononkalo Amerikana Ralph Waldo Emerson hoe: “Na inona na inona ataonao, dia mila herim-po ianao. Na inona na inona fanapahan-kevitra raisinao, dia tsy maintsy misy foana olona hiteny anao hoe diso ianao. Tsy maintsy misy foana ny olana mitranga izay maka fanahy anao hino fa marina ny an’ireo mpitsikera anao. Ny fandrafetana ny dingana hanatanterahana zavatra iray sy ny fanarahana izany hatramin’ny farany dia mitaky ampahany amin’ilay herim-po mitovy amin’ny ilain’ny miaramila iray. Manana ny fandreseny ny fiadanana, kanefa izany dia mitaky lehilahy sy vehivavy be herim-po mba hahazoana ireo fandresena ireo.”5

Hisy ny fotoana izay hahatonga anao ho raiki-tahotra sy ho kivy. Mety hahatsapa ianao hoe tsy nahomby. Ilay fanantenana mba hahazo fandresena dia mety ho henjana. Indraindray ianao dia mety mahatsapa ho tahaka an’i Davida miezaka ny hiady amin’i Goliata. Kanefa tadidio—fa nandresy i Davida!

Ny herim-po dia takiana amin’ny firotsahana voalohany ao anatin’ny tanjona anankiray tiana ho tratrarina, kanefa mbola herim-po lehibe kokoa noho izany no ilaina rehefa potraka ny olona iray ka tsy maintsy manao ezaka fanindroany hahatratrarana izany tanjona izany.

Manàna fahavononana hanao ny ezaka sy ny fifoforana hanatratra tanjona iray manan-danja ary herim-po tsy hoe hiatrehana fotsiny ireo olana izay tsy azo ihodivirana fa hiseho, fa hanaovana ihany koa ezaka fanindroany raha toa ka takiana izany. “Indraindray ny herim-po dia ilay feo malefaka amin’ny fiafaran’ny andro iny izay milaza hoe: ‘Hanandrana indray aho rahampitso.’”6

Enga anie isika hahatsiaro ireo Fitsipika fototra ireo rehefa manomboka ny diantsika ao anatin’ny taona vaovao, ka hanolokolo toetra mijery ny lafin-tsaran’ny zavatra rehetra sy finoana fa afaka manatanteraka ireo tanjona sy fanapahan-kevitra noraisintsika isika, ary hikolokolo ilay herim-po hiatrehana izay olana rehetra mety hitranga eny amin’ny lalantsika eny. Ary dia ho azontsika ilay fiainana feno.

Fanamarihana

  1. Natambatr’i William James, tao amin’ny Lloyd Albert Johnson, A Toolbox for Humanity: More Than 9000 Years of Thought (2003), 127.

  2. Charles Swindoll, tao amin’ny Daniel H. Johnston, Lessons for Living (2001), 29.

  3. William Shakespeare, King Henry the Eighth, Fizarana 3, fisehoana 2, andalana 456–58.

  4. Thomas Fuller, tao amin’ny edisiona H. L. Mencken, A New Dictionary of Quotations (1942), 96.

  5. Ralph Waldo Emerson, tao amin’ny Roy B. Zuck, The Speaker’s Quote Book (2009), 113.

  6. Mary Anne Radmacher, Courage Doesn’t Always Roar (2009).

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara zavatra niainan’ny tenany manokana tamin’ny fotoana izay nahitana fa nanampy azy ireo ny fananana toetra mijery ny lafin-tsaran’ny zavatra rehetra na ny fananana finoana ny tenany manokana, na ny fananana herim-po. Na asao izy ireo hikaroka ohatra maneho ireo fitsipika telo ireo ao amin’ny soratra masina. Afaka miomana hampianatra ianao amin’ny alalan’ny fieritreretana ombam-bavaka ny andinin-tsoratra masina sasantsasany na ireo zavatra niainanao manokana.

Hamoaka printy