2012
Ilay Alina Mialohan’ny Krismasy Tonga Lafatra
Desambra 2012


Ho an’ ny Zatovo

Ilay Alina Mialohan’ny Krismasy Tonga Lafatra

Tamin’izaho mbola kely dia iray amin’ireo zavatra tsara indrindra isan-taona ny Alina Mialohan’ny Krismasy. Manamboatra pizza izaho sy ny fianakaviako, dia mandeha mihirahira hiran’ny Krismasy ary avy eo mivory manao fotoam-bavaky ny Krismasy. Nihira hira tao anaty fihirana izahay tamin’ny feo efatra mangovigovitra nirindra tsara ary nilalao mafy ireo hiran’ny Krismasy tamin’ny alalan’ireo zava-maneno hafahafa mifangaro nanananay. Faranan’i Dada foana amin’ny alalan’ny vatsim-panahy momba ny Krismasy ny alina ary mampirotsaka ranomasom-pifaliana anay izany. Tsy nisy tsara kokoa noho ny Alina Mialohan’ny Krismasy ny fiainana.

Rehefa nihalehibe kokoa aho dia nanomboka nikarakara an’i Kelly izay ankizy mpifanolobodirindrina aminay ny reniko. Mankany an-tranonay i Kelly isan’andro rehefa avy mianatra raha mbola any am-piasana i Patty reniny. Manaraka ahy na aiza na aiza toy ny alika kely i Kelly—mitabataba ary mitady fanampiana. Mitondra fahamaivanana foana ny fahatongavan’i Patty maka ny zanany ary mampilamina ny tranonay sy ny fianakaviako.

Indray maka, volana Desambra, nivarahontsana aho raha nasain’i neny i Patty sy i Kelly mba hiaraka aminay mandritra ny Alina Mialohan’ny Krismasy. Ilay Alina Mialohan’ny Krismasiko. Nitsiky i neny ary nanome antoka ahy hoe: “Tsy hanova na inona na inona izany.” Nefa fantatro tsara kokoa fa hanova zavatra mihitsy izany. Holanin’izy ireo daholo ny pizza rehetra natao ho anay. Hihomehezan’i Kelly ny fomba fihiranay. Nihonona sahady aho fa hiaina ilay Alina Mialohan’ny Krismasy tena ratsy indrindra hatrizay.

Rehefa tonga ny hariva dia tonga tao aminay i Patty sy i Kelly, dia niresaka sy nihomehy ary nihira teo izahay. Marina ny nolazain’ny reniko. Tena tonga lafatra ilay izy. Rehefa nisasaka ny alina dia nisaotra anay izy ireo ary feno fahalainana izy ireo nandeha nody. Nandeha natory aho niaraka tamin’ny fo feno fitiavana sy fankasitrahana. Nahatsapa aho fa tsy mihena ireo fanomezana marin’ny Krismasy izay sarobidy rehefa zaraina. Lasa mamy kokoa aza izany ary mitombo rehefa zaraintsika.

Hamoaka printy