2012
Miverina Mahatsapa Indray Ilay Fanahin’ny Krismasy
Desambra 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2012

Miverina Mahatsapa Indray Ilay Fanahin’ny Krismasy

Sary
Filoha Thomas S. Monson.

Fony aho loholona tao anatin’ny fahatanorana dia nantsoina niaraka tamin’olon-kafa mba handeha ho any amin’ny hôpitaly iray any Salt Lake City mba hanome tsodrano ankizy marary. Rehefa niditra izahay dia nahatsikaritra hazo Krismasy nisy jiro mamirapiratra sy mahafinaritra ary nahita baoritra maromaro tsara fono teo ambanin’ireo sampany misandrahandrahaka. Dia namakivaky lalantsara maromaro izahay avy teo, izay nahitanay ankizilahy sy ankizivavy kely niarahaba anay niaraka tamin’ny endrika mitsikitsiky—izay ny sasany mifono plâtre ny sandriny na ny tongony, ary ny sasany dia tratran’ny aretina izay angamba mety tsy tonga dia ho sitrana haingana.

Nisy ankizilahy kely iray izay tena narary mafy niantso ahy nanao hoe: “Iza no anaranao?”

Nolazaiko azy ny anarako ary nanontany izy hoe: “Afaka manome tsodrano ahy ve ianao?”

Nomena ilay tsodrano ary rehefa iny hihodina hiala teo an-doham-pandrianany iny izahay dia hoy izy hoe: “Misaotra betsaka.”

Vao namindra kely fotsiny izahay dia henoko izy niantso hoe: “Oay, Rahalahy Monson! Tratry ny Krismasy e!” Dia nisy tsiky lehibe teo amin’ny endriny.

Nanana ilay Fanahin’ny Krismasy io ankizilahy io. Ny Fanahin’ny Krismasy dia zavatra antenaiko ho ananantsika rehetra ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika—tsy hoe mandritra ity vanim-potoana ity fotsiny fa mandritra ny taona manontolo koa.

Rehefa manana ilay Fanahin’ny Krismasy isika dia mahatsiaro Azy, izay ankalazaintsika ao anatin’izao vanim-potoana iray ao anatin’ny taona izao ny fahaterahany: “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” (Lioka 2:11).

Amin’izao androntsika izao ilay toe-tsaina manome fanomezana dia mitana anjara toerana lehibe ao anatin’ny fankalazana ny vanim-potoan’ny Krismasy. Manontany tena aho hoe, mety mahazo tombontsoa ve isika rehefa manontany tena hoe, inona no fanomezana tian’ny Tompo homeko Azy na ny hafa mandritra ity vanim-potoana sarobidy ao anatin’ny taona ity?

Mamelà ahy ianareo hanoro hevitra fa ny Raintsika any An-danitra dia maniry ny hanomezantsika Azy sy ny Zanany ilay fanomezan’ny fankatoavana. Mahatsapa koa aho fa ho angatahany isika mba hanome zavatra avy amin’ny tenantsika ary tsy tokony ho tia tena na be tenda na mpila ady araka ny torohevitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nomen’ilay Zanany Lahy sarobidy Aminy manao hoe:

“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay … rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.

“Indro, tsy fotopampianarako ny mamaky ny fon’ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany” (3 Nefia 11:29–30).

Amin’izao fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fahasoavana mahagaga izao, dia tena tsy misy fetrany ny fahafahantsika mitia sy manome zavatra avy amin’ny tenantsika, saingy tsy ho eo lalandava izany. Ankehitriny dia misy fo tokony hampifalifaliana any, teny mamy tokony holazaina, asa tokony hatao ary fanahy tokony hovonjena.

Nisy olona iray izay nanana hevitra mafonja mikasika ny Fanahin’ny Krismasy nanoratra hoe:

Izaho no Fanahin’ny Krismasy—

Izaho ilay miditra ao amin’ny tokantranon’olona mahantra ary mahatonga ireo ankizy malok’endrika hanokatra be ny masony, ao anatin’ny fitalanjonana feno hafalina.

Izaho no mampitsotra ny tanana mivonkon’ilay tia tena ary dia manisy loko mamirapiratra eo amin’ny fanahiny.

Izaho no mahatonga ny antitra hiverina ho toy ny tamin’ny fahatanorany ary hihomehy toy ny fanaony tsara fahiny.

Izaho no mitazona ho velona ao am-pon’ny fahazazana ilay herim-pahalianana ary mandravaka nofinofy tsara ny torimaso.

Izaho no mampandeha an’ireo tongotra mazoto hanome fanampiana an’ireo sahirana, ka mahatonga ny fon’ny hafa hitolagaga noho ny hatsaran’izao tontolo izao.

Izaho no mahatonga an’ilay mpandanilany foana hijanona kely tsy hanao ilay fomba ratsiny mandanilany foana fa handefa ho an’ny olon-tiana iray mikorontan-tsaina zavatra kely izay mampirotsaka ranomaso—ranomaso izay mamafa ireo marika mafin’ny alahelo.

Izaho no miditra amin’ireo efitranon’ny fonja, mampahatsiahy an’ireo olona feno tahotra ny zavatra tokony ho natao ary manondro sahady ireo andro tsara mbola ho avy.

Izaho no miditra tsimoramora ao anatin’ny trano mangina sy fotsy izay ahitana fanaintainana, ary mahatonga an’ireo molotra izay efa reraka loatra tsy afa-miteny hangovitra fotsiny mba hanehoana fankasitrahana mangina sy mazava.

Amin’ny fomba maro no hanaovako izay mba hitrakan’ilay izao tontolo izao efa trotraka ka hijery ny tavan’Andriamanitra ary mba hanadino ao anatin’ny fotoana fohy ireo zavatra izay kely sy ratsy.

Izaho ilay Fanahin’ny Krismasy.1

Enga anie isika tsirairay hahatsapa indray ilay fanahin’ny Krismasy—eny, ny Fanahin’i Kristy mihitsy.

Fanamarihana

  1. E. C. Baird, “Christmas Spirit,” ao amin’ny James S. Hewitt, ed., Illustrations Unlimited (1988), 81.

Fampianarana avy amin’ ity Hafatra ity

Rehefa mizara ny hafatry ny Filoha Monson amin’ilay fianakaviana ianao, dia hamafiso ilay fanontaniana napetrany mikasika an’izay fanomezana tian’ny Tompo homentsika Azy na ny hafa mandritra izao vanim-potoana izao. Amporisiho ireo olona ao amin’ilay fianakaviana mba hirakitra ny eritreriny sy ny heviny (ary raha ho an’ny ankizy kely, dia amporisiho hanao sary izy ireo) mikasika ny fomba “hahatsapa[na] indray ilay fanahin’ny Krismasy—eny, ny Fanahin’i Kristy mihitsy.”

Hamoaka printy