2012
Ny Famangiana isan-tokantrano, Asa Famonjena
Desambra 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Desambra 2012

Ny Famangiana isan-tokantrano, Asa Famonjena

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ ny fiainanao.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny famangiana isan-tokantrano dia manome fahafahana ny vehivavy mba hifampiahy sy hifampatanjaka ary hifampianatra—tena asa famonjena tokoa izany. Ireo rahavavy, amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano, dia manompo amin’ny anaran’ny Mpamonjy ary manampy ny vehivavy hiomana amin’ny fahazoana ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

“Isika dia natao ‘hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa [ny hafa] hanatona an’i Kristy’ (F&F 20:59) araka ny nolazain’ny Tompo ao anatin’ny fanambarany,” hoy ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985). Hoy izy taty aoriandriana hoe: “Tokony ho fomba mahatalanjona hampitana hafatra ny fijoroanareo ho vavolombelona.”1

Rehefa mampitombo ny fahalalantsika momba ny filazantsara isika amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika dia mampatanjaka sy manohana ireo rahavavy izay miomana ny hatao batisa sy ho raisina ho mpikambana. Manampy ireo mpikambana vaovao isika hirotsaka tanteraka ao anatin’ny filazantsara. Ny famangiantsika sy ny fitiavantsika dia manampy amin’ny “famerenana indray an’ireo izay nivily lalana [ary] manafana indray ny fon’ireo izay lasa nangatsiaka tao amin’ny filazantsara.”2 Ary mamporisika ireo rahavavy isika hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny tempoly.

“Hamonjy fanahy ianareo,” hoy ny Filoha Kimball tamin’ireo rahavavy mpamangy isan-tokantrano, “ary iza moa no mahalala raha toa ka hoe ny maro tamin’ireo olona tena mazoto ao am-piangonana ankehitriny dia lasa nazoto noho ianareo tonga tany an-tranony ary nanome azy ireo fomba fijery sy fahitana vaovao. Ianareo no nanokatra ny varavarana ho azy ireo mba hahatakarany ireo zavatra izay tsy takany. Ianareo no nampivelatra ny sehatra ho azy ireo. …

“Hitanareo fa tsy hoe mamonjy fotsiny an’ireo rahavavy ireo ianareo fa angamba koa mamonjy ny vadiny sy ny tokantranony.”3

Avy amin’ny Soratra Masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59; 84:106; 138:56

Avy amin’ ny Tantarantsika

Tamin’ny Mpaminany Joseph Smith nanorina ny Fikambanana Ifanampiana dia nilaza izy fa ireo vehivavy dia tsy natao hikarakara fotsiny ny mahantra fa hamonjy fanahy koa. Nampianatra koa izy fa ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana dia manana anjara asa lehibe ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra.4 Rehefa tarihin’ireo fitsipika izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo isika amin’ny maha-rahavavy antsika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka miara-miasa mba hanomana ny vehivavy sy ny fianakaviany handray ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra.

“Aoka isika hifaneho fiantrana,” hoy ny Filoha Brigham Young (1801–77), “ary avelao [ireo izay] matanjaka hanome tanjaka amim-pitiavana an’ireo izay malemy ary avelao ireo izay mahita hitarika ny jamba mandrapahitan’izy ireo ny lalana.”5

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball, ao amin’ny Filles dans mon Royaume: l’Histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours (2011), 116.

  2. Eliza R. Snow, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 83.

  3. Spencer W. Kimball, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 117.

  4. Jereo ny Joseph Smith, ao amin’ny Filles dans mon Royaume, 171–72.

  5. Brigham Young, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 107.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no fomba hanomanan’ny Fikambanana Ifanampiana ahy amin’ny fahazoana ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

  2. Inona no azoko atao mba hampitomboana ny finoan’ireo izay iahiako?

Hamoaka printy