Manaraka ny dia
Ny Toerana izay Nanorenana Ny Fiangonana
Andao hiaraka aminay hizaha toerana iray manan-danja eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana!
Raha te-hijery ny toerana nanorenana voalohany ny Fiangonana i Maggie sy Lily E. dia tsy mila mijery lavitra loatra. Tena mifanila amin’ny trano Fiangonana ao Fayette, New York izany, izay toerana hiangonan’izy ireo isaky ny Alahady!
Tsy tao anaty trano fiangonana no nananganana ny Fiangonana, fa tao anatin’ny trano iray vita amin’ny vatan-kazo. Tonga nipetraka tao i Joseph Smith, niaraka tamin’ny fianakaviana Whitmer, tamin’ny taona 1829. Tsy eo intsony ilay trano tany am-piandohana saingy eo amin’ilay toerana nisy azy mihitsy ity trano vita amin’ny vatan-kazo ity.
Ny trano fiangonana izay hiangonan-dry Maggie sy Lily dia ahitana ivontoerana ho an’ny mpitsidika izay misy fampirantiana mikasika ny tranon-dry Whitmer sy ireo zavatra miavaka izay nitranga tao.