Fampahafantarana ny Mpaminany Iray
Wilford Woodruff
Nanao asa fitoriana tany Grande Bretagne i Wilford Woodruff tany amin’ny taona 1840 tany ho any. Noho io asa fanompoana io dia olona maherin’ny 1.000 no vita batisa. Taty aoriana i Wilford Woodruff dia lasa filohan’ny Tempolin’i St. George Utah. Tamin’ny naha Filohan’ny Fiangonana azy dia nanao izay ahatongavan’i Utah ho lasa fanjakana izy. Izy koa no nandray ilay fanambarana ary namoaka ny Filazana ôfisialy 1 izay nanome torolalana ireo Olomasina hampitsahatra ny fanambadiana maro.