2013
Ny Asa Nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny Asa Fanompoana Nataony
Aprily 2013


Ny Asa Nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny Asa Fanompoana Nataony

Avy amin’ny lahateny iray natao nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy tamin’ny 18 Aogôsitra 1998, tany amin’ny Oniversiten’i Brigham Young. Mba hahitana ny lahatsoratra iray manontolo amin’ny teny anglisy dia midira ao amin’ny speeches.byu.edu.

Loholona Russell M. Nelson

Ny porofo tsara indrindran’ny fitsaohantsika an’i Jesoa dia ny fakantsika tahaka Azy.

Amin’ny maha iray amin’ireo “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy” ahy (F&F 107:23), dia mino aho fa manompo tsara kokoa rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba Azy. Voalohany, mety hametraka ireo fanontaniana izay napetrak’ireo Fariseo koa aho: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy?” (Matio 22:42).

Tonga ao an-tsaiko matetika ireo fanontaniana ireo rehefa mihaona amin’ireo mpitondra fanjakana sy antokom-pivavahana samihafa aho. Misy olona miaiky fa “mpampianatra lehibe i Jesoa.” Ny sasany milaza hoe “mpaminany izy.” Ny sasany tsy mahalala Azy tsotra izao. Tsy tokony ho gaga tanteraka amin’izany isika. Raha ny marina dia tena vitsy ny olona manana ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay ananantsika. Ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia vitsy an’isa eo anivon’ireo izay milaza ho Kristianina.

Efa hitan’i Nefia mialoha taonjato maro lasa izay ireo toe-javatra iainantsika ankehitriny:

“Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny fiangonan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra aho, ary ny mpikambana tao dia vitsy … ; kanefa nahatazana aho fa niely patrana tambonin’ny tany rehetra koa ny fiangonan’ny Zanakondry dia ny olomasin’Andriamanitra; ary kely ny fanapahany tambonin’ny tany noho ny faharatsian’ny vehivavy janga lehibe izay efa hitako. …

“Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:12, 14).

Izany fahamarinana sy hery ary voninahitra izany—ireo fitahiana rehetra azontsika mihitsy—dia avy amin’ny fahalalantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fankatoavantsika Azy ary ny fanehoantsika fankasitrahana sy fitiavana azy.

Nahatanteraka tanjona roa lehibe izay ifotoran’ireo tanjona hafa ny Mpamonjy nandritra ny fiainany izay tena fohy teto an-tany. Ny iray dia ilay “asa[ny] sy vonihani[ny] —mba hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ilay iray hafa dia nolazainy tsotra fotsiny hoe: “Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” (Jaona 13:15).

Ny tanjony voalohany dia ny Sorompanavotana araka ny fantatsika. Izany no asa lehibe indrindra nataony teto amin’ny fiainana an-tany. Nambaran’ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Amerika fahiny ny votoatin’ny asa nanirahana Azy:

“Tonga teo amin’ izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“Ary naniraka ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazo fijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazo fijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko” (3 Nefia 27:13–14).

Tao anatin’ny tohin’ny lahateniny dia nanambara ilay tanjony faharoa Izy—ho ohatra alaintsika tahaka: “Fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo … ; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko dia izany no hataonareo” (3 Nefia 27:21).

Ny tanjony voalohany dia nofaritako hoe ny asa nanirahana Azy. Ny tanjony faharoa dia tiako hofaritana hoe ny asa fanompoana nataony. Ndeha isika hamerina hijery ireo singa roa teo amin’ny fiainany ireo—ny asa nanirahana Azy sy ny asa fanompoana nataony.

Ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy—ny Sorompanavotana

Ny Sorompanavotana no asa nanirahana Azy. Izy irery ihany no nirahina nanao io asa io. Izy izay nateraky ny reny mety maty sy Ray tsy mety maty no hany afaka nanolotra ny ainy an-tsitrapo ary naka izany indray (jereo ny Jaona 10:14–18). Tsy misy fetra ary maharitra mandrakizay ny vokany tena lehibe nentin’ny Sorompanavotana nataony. Nesoriny ny fanaintainan’ny fahafatesana ary nataony ho zavatra mandalo vetivety ilay alahelo avy amin’ny fahafatesana (jereo ny 1 Korintiana 15:54–55). Efa fantatra talohan’ny Fahariana sy ny Fahalavoana mihitsy ny andraikiny mikasika ny Sorompanavotana. Tsy hoe mba hanolorana fitsanganana amin’ny maty sy tsy fahafatesana ho an’ny olombelona rehetra fotsiny izany fa mba hanomezana antsika koa fahafahana hahazo famelana ny fahotantsika—araka ireo fepetra izay napetrany. Noho izany ny Sorompanavotana dia nanokatra lalana izay ahafahantsika hiaraka Aminy sy ny fianakaviantsika mandrakizay. Izany tanjona izany dia ilay fiainana mandrakizay—ilay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olona (jereo ny F&F 14:7).

Tsy nisy olona hafa afaka nanatanteraka ny Sorompanavotana. Tsy misy olona hafa na dia manana harena be sy manana hery lehibe aza afaka mamonjy na dia hoe fanahy iray—na ny an’ny tenany aza (jereo ny Matio 19:24–26). Ary tsy misy olona hafa hangatahina na homena alalana mba handatsaka ny rany ho an’ny famonjena mandrakizain’ny olona iray hafa. Nataon’i Jesoa “indray mandeha tsy miverina” izany (Hebreo 10:10).

Na dia tanteraka tao anatin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao aza ny Sorompanavotana dia zava-niseho maro tao anatin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha no nilaza matetika mialoha ny maha zava-dehibe izany. I Adama sy Eva dia nodidiana mba hanao sorona izay “tandindon’ny fanaovan’ny Lahitokan’ny Ray sorona” (Mosesy 5:7). Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny fandatsahan-dra. Namafisin’izy ireo avy amin’ny zavatra niainany ilay soratra masina hoe “ny ain’ny nofo dia amin’ny ra” (Levitikosy 17:11).

Fantatry ny dokotera fa raha vao mijanona tsy mikoriana ao amin’ny taova iray ny ra dia manomboka ny olana. Raha mitsahatra tsy mikoriana ny ra amin’ny ranjo dia mety hisy fahalovam-pery. Raha mijanona tsy mikoriana ny ra any amin’ny loha dia mety hiteraka fahatapahan’ny lalan-dra izany. Raha tsy mikoriana araka ny tokony ho izy ny ra mankany amin’ny lalan-dran’ny mpamerindra ao amin’ny fo dia mety hampisy aretim-po izany. Ary raha tsy voafehy ny tosadrà dia hiteraka fahafatesana izany.

Nianatra i Adama sy Eva ary ireo taranaka nifandimby fa isaky ny mandatsa-drà biby iray izy ireo dia tapitra ny ain’ilay biby. Tsy izay biby rehetra akory dia mety hanaovan’izy ireo sorona. Tsy maintsy voalohan-terak’ondry izany ary tsy misy kilema (jereo ohatra ny Eksodosy 12:5). Ireo zavatra notakiana ireo koa dia tandindon’ny fanaovana sorona taty aoriana an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra tsy misy pentina.

Nomena didy i Adama sy Eva hoe: “Koa hataonao amin’ny Zanaka izay rehetra ataonao, dia hibebaka ianao ary hiantso an’Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao” (Mosesy 5:8). Nanomboka tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana dia nitohy ho fambara sy tandindona mikasika ny Sorompanavotan’ny Zanakalahin’Andriamanitra niseho taty aoriana ny fanaovana sorona biby.

Rehefa tanteraka ny Sorompanavotana dia nahatanteraka ilay lalàn’i Mosesy ilay sorona lehibe sy farany (jereo ny Almà 34:13–14) ary nanapitra ny fanaovana sorona biby izay nampianatra fa “ny ain’ny nofo dia amin’ny ra” (Levitikosy 17:11). Nanazava i Jesoa fa tsy ilaina intsony ireo singa tao anatin’ny sorona fahiny noho ny Sorompanavotana ary tsaroana amin’ny alalan’ireo tandindona ampiasaina mandritra ny fanasan’ny Tompo. Jereo indray ireo filazana mikasika ny fiainana, ny nofo ary ny rà:

“Fa hoy i Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.

“Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany” (Jaona 6:53–54).

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia havotana ny olombelona rehetra—dia izay rehetra maniry izany. Tsy teo amin’ny hazofijaliana no nanomboka nandatsaka ny rany ho an’ny olombelona rehetra ny Mpamonjy fa tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Teo no nitondrany ny vesatry ny fahotan’ny olona rehetra izay niaina sy hiaina. Nivoa-dra izy tao ambanin’izany enta-mavesatra izany (jereo ny F&F 19:18). Tanteraka teo amin’ny hazofijaliana tany Kalvary ny fijalijaliana tao anatin’ny Sorompanavotana.

Nofintinin’ny Mpaminany Joseph Smith ny maha zava-dehibe ny Sorompanavotana. Hoy izy hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra, ary ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”1

Miaraka amin’izany fahefana sy fankasitrahana lalina izany no ampianarako sy ijoroako ho vavolombelona momba Azy.

Ny Asa Fanompoana nataon’i Jesoa Kristy—Ilay Fakan-tahaka

Ny tanjona mandrakizay faharoan’ny Tompo teto an-tany dia ny ho ohatra ho antsika. Ny fiainany izay fakan-tahaka no votoatin’ny asa fanompoany teto an-tany. Tafiditra tao anatin’izany ireo fampianarany, ireo fanoharany ary ireo toriteniny. Tao anatin’izany ireo fahagagana nataony, ny lemim-panahiny ary ny fahari-pony amin’ny zanak’olombelona (jereo ny 1 Nefia 19:9). Tao anatin’izany ny fampiasany tamim-pangorahana ny fahefan’ny fisoronana. Tafiditra tao anatin’izany ny fahatezerany ara-drariny rehefa nanameloka ny ota Izy (jereo ny Romana 8:3) ary rehefa nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola (jereo ny Matio 21:12). Tafiditra tao anatin’izany koa ireo ratram-pony. Notevatevaina, nokaravasiana ary nolavin’ny olona Izy (jereo ny Môsià 15:5)—ary nisy mpianatra namadika Azy aza ary mpianatra iray nandà Azy (jereo ny Jaona 18:2–3, 25–27).

Na dia tena nahatalanjona aza ny asa fanompoana nataony dia tsy nijanona ary mbola tsy nijanona hoe zavatra Azy manokana fotsiny izany. Tsy misy fetrany ny isan’ny olona afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa. Nanao zavatra nitovy tamin’ny nataony ireo mpaminaniny sy apôstôliny ary ireo hafa teo anivon’ireo mpanompony nahazo alalana. Maro ireo nianjadian’ny fanenjehana noho ny Aminy (jereo ny Matio 5:10; 3 Nefia 12:10). Amin’izao androntsika izao dia mahafantatra rahalahy sy rahavavy isika izay mifofotra mafy—na amin’ny sarany tena henjana aza—mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.

Izany no tokony ho izy. Izany no fanantenana ho antsika. Nangataka antsika ny Tompo mba hanaraka ny ohatra nasehony. Nampianatra mazava tsara an’izao Izy:

  • “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? … Ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27; jereo koa ny 3 Nefia 12:48).

  • “Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19).

  • “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo” (Jaona 13:15; jereo koa ny Jaona 14:6).

Tsy nosoratana mba ho sosokevitra ireo soratra masina ireo sy izay hafa mitovy aminy. Didy masina ireo! Tokony hanaraka ny ohatra nasehony isika!

Mba hanamorana ny fanarahantsika Azy dia angamba tokony handinika lafin-javatra dimy teo amin’ny fiainany isika izay azontsika arahana.

Fitiavana

Raha anontaniako ianao hoe inona no toetra niavaka voalohany hitanao teo amin’ny fiainany, dia mihevitra aho fa hiteny ianao hoe ilay fitiavany. Tafiditra ao anatin’izany ny fangorahany, ny hatsaram-panahiny, ny fahavitrihany, ny famelan-kelony, ny famindram-pony, ny fahamarinany ary ireo maro hafa. Nitia ny rainy sy ny reniny i Jesoa (jereo ny Jaona 19:25–27). Nitia ny fianakaviany sy ireo Olomasina Izy (jereo ny Jaona 13:1; 2 Tesaloniana 2:16). Nitia an’ireo mpanota Izy fa tsy manala tsiny ny fahotana (jereo ny Matio 9:2; F&F 24:2). Ary nampianariny antsika ny fomba ahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika Azy. Hoy Izy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Ary mba hanamafisana fa ny fitiavany dia tanteraka, dia nanampy Izy hoe: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako ao amin’ny fitiavany” (Jaona 15:10; jereo koa ny F&F 95:12; 124:87).

Ny fomba iray hafa nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany dia ny asa fanompoany. Nanompo ny Rainy Izy ary nanompo ny olona izay niara-nipetraka sy niara-niasa taminy. Tokony hanaraka ny ohatra nasehony amin’ny alalan’ireo fomba roa ireo isika. Tokony hanompo an’Andriamanitra isika mba “handeha amin’ny lalany rehetra ary ho tia Azy” (Deoteronomia 10:12; jereo koa ny 11:13; Josoa 22:5; F&F 20:31; 59:5). Ary tokony hitia ny mpifanolobodirindrina amintsika isika amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo (jereo ny Galatiana 5:13; Môsià 4:15–16). Atombontsika amin’ny fianakaviantsika izany. Miforona ilay fitiavana lalina mamehy ny ray aman-dreny amin’ny zanany amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo mandritra ilay fotoana izay mbola hiankinan’izy ireo loha tanteraka. Aty aoriana ny zanaka mpankato dia manana fahafahana ny hamaly izany fitiavana izany rehefa manompo ireo ray aman-dreniny efa nahazo taona.

Ôrdônansy

Ny lafin-javatra faharoa teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay tsara alain-tahaka dia ny fanantitranterany an’ireo ôrdônansy masina. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nampiseho ny maha zava-dehibe an’ireo ôrdônansin’ny famonjena Izy. Nanao batisa an’i Jaona tany amin’ny Renirano Jordana Izy. Na i Jaona aza dia nanontany hoe: “Nahoana?”

Nanazava i Jesoa hoe: “Fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15; nampiana fanamafisana). Tsy hoe ilay ôrdônansy fotsiny no manan-danja fa ny ohatra nasehon’i Jesoa sy i Jaona koa dia manan-danja.

Nampiditra ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo ny Tompo taty aoriana. Nazavainy ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo ary nozarainy tamin’ny mpianany ireo mari-pamantarany masina (jereo ny Matio 26:26–28; Marka 14:22–24; Lioka 24:30).

Nanome torolalana koa ny Raintsika any an-danitra mikasika ireo ôrdônansy. Hoy izy hoe: “Dia toy izany koa ny tsy maintsy ahaterahanareo indray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, amin’ny rano sy ny amin’ny Fanahy ary hanadiovana anareo amin’ny ra, dia ny ran’ny Lahitokako mba ho azo hamasinina hiala amin’ny fahotana rehetra ianareo ka hankamamy ny tenin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, dia voninahitra tsy mety maty” (Mosesy 6:59).

Nandritra ny fotoana taorian’ny asa fanompoan’ny Tompo teto an-tany dia nambara ireo ôrdônansin’ny fisandratana ambony kokoa (F&F 124:40–42). Napetrany any amin’ireo tempoliny masina ireo ôrdônansy ireo. Amin’izao androntsika izao dia omena ny olona izay niomana araka ny tokony ho izy ny fanasana sy ny fanosorana ary ny fanafiana masina (jereo ny F&F 105:12, 18, 33; 110:9; 124:39). Ny olona iray dia azo fehezina amin’ny vady sy ny zanaka ary ny taranaka any amin’ny tempoly (jereo ny F&F 132:19). Ilay Mpampianatra antsika dia Andriamanitry ny lalàna sy ny filaminana (jereo ny F&F 132:18). Ny fifantohany amin’ireo ôrdônansy dia lafiny iray mahery vaika ao anatin’ny maha ohatra Azy ho antsika.

Vavaka

Ny lafiny iray fahatelo tao amin’ny asa fanompoana tsara alain-tahaka izay nataon’ny Tompo dia ny vavaka. Nivavaka tamin’ny Rainy tany an-danitra i Jesoa ary nampianatra antsika koa ny fomba fivavaka. Tokony hivavaka amin’ny Ray any an-danitra isika amin’ny anaran’i Jesoa Kritsy Zanany, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo ny Matio 6:9–13; 3 Nefia 13:9–13; Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:9–15). Tiako ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpianany izay voarakitra ao amin’ny Jaona toko 17. Mifandray malalaka tsara amin’ny Rainy ny Zanaka ao anatin’izany mba hisolo tena ireo mpianany izay tiany. Ohatry ny vavaka mahomby sy feno fangorahana izany.

Fahalalana

Ny lafiny fahefatra ao amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo dia ny fampiasany ny fahalalany masina. Araka ny efa nambara tany aloha dia raisin’ireo tsy Kristianina maro ho mpampianatra lehibe i Jesoa. Tena izany tokoa Izy. Saingy inona no tena nampiavaka ny fampianarany? Moa ve mpampianatra tena mahay mikasika ny ingénierie na ny matematika na siansa Izy? Mety ho tena mpampianatra lehibe tokoa Izy amin’ny maha Mpahary Azy an’ity tontolo ity sy ireo tontolo hafa (jereo ny Mosesy 1:33). Na mety afaka nampianatra tsara ny fomba fanoratana Izy amin’ny maha mpanoratra ny soratra masina Azy.

Ny lafiny nampiavaka ny fampianarany ho ambony noho ny an’ireo mpampianatra rehetra hafa dia ny nampianarany fahamarinana izay manan-danja mandrakizay. Izy irery ihany no afaka nanambara ny tanjontsika eo amin’ny fiainana. Tamin’ny alalany irery no nahafahantsika nianatra mikasika ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy ireo zavatra hiseho amintsika aorian’ny fiainana eto an-tany.

Indray mandeha ilay Mpampianatra Lehibe dia nilaza tamin’ireo olona miroahan-tsaina nihaino Azy fa nanana vavolombelona telo naneho ny momba Azy izy ireo:

  • Jaona Mpanao Batisa:

  • Ireo zava-bitan’i Jesoa.

  • Ny tenin’Andriamanitra Ray Mandrakizay (jereo ny Jaona 5:33–37).

Dia nanolotra vavolombelona fahefatra izy: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara Ahy.” (Jaona 5:39).

Ilay teny hoe ataonareo ao amin’io fehezan-teny io dia mety toa diso toerana ihany amin’ny voalohany. Saingy zava-dehibe izany ao anatin’ilay zavatra tian’i Jesoa hampitaina. Fantany fa nataon’ny maro tamin’ireo mpihaino azy ho ao anatin’ny soratra masina ny fiainana mandrakizay raha ny marina. Saingy diso izy ireo. Tsy afaka manome fiainana mandrakizay raha ny soratra masina irery. Mazava ho azy fa misy hery ao anatin’ny soratra masina, saingy avy amin’i Jesoa Izy tenany mihitsy izany hery izany. Izy no Teny: Logos. Ao anatiny ny herin’ny fiainana mandrakizay, Izy izay “tamin’ny voalohany [dia] Teny ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra” (Jaona 1:1; jereo koa ny 2 Nefia 31:20; 32:3). Ary noho ny toetra be di-doha nananan’ireo olony miroahan-tsaina saina dia nanohy nanome tsiny azy ireo Izy: “Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana [mandrakizay]” (Jaona 5:40).

Afaka nanototra antsika tamin’ilay fahalalany masina ny Mpamonjy saingy tsy nanao izany Izy. Hajainy ny fahafahantsika misafidy. Avelany hiaina an’ilay fifaliana amin’ny fahitan-java-baovao isika. Mamporisika antsika mba hibebaka amin’ny fahotantsika manokana Izy. Omeny alalana mba hiaina ilay fahafahana avy amin’ny fankatoavantsika amim-pahavononana ny lalàny masina isika. Eny, ilay fomba fampiasany ny fahalalany dia manome ohatra lehibe iray ho antsika.

Faharetana

Ny lafin-javatra fahadimy tao amin’ny asa fanompoana nataon’ny Tompo dia ny faharetana hatramin’ny farany. Tsy mba nitsoaka velively ny andraikiny Izy. Na dia niaina fijaliana tsy takatry ny saina aza Izy dia tsy mba olona mpitsoaka. Tao anatin’ireo fitsapana izay nihamafy dia naharitra hatramin’ny farany Izy tao amin’ilay andraikiny: hanao sorona ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra. Ny teniny farany rehefa nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy dia hoe: “Vita” (Jaona 19:30).

Fampiharana eo amin’ny Fiainantsika

Azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika manokana ireo lafin-javatra dimy tao anatin’ny asa fanompoany ireo. Azo antoka fa ny porofo tsara indrindran’ny fitsaohantsika an’i Jesoa dia ny fakantsika tahaka Azy.

Rehefa manomboka mahafantatra isika hoe iza moa i Jesoa ary inona no nataony ho antsika dia afaka mahatakatra kely ny rafikevitry ny didy lehibe sy voalohany isika: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra” (Marka 12:30). Amin’ny teny hafa dia izay zavatra rehetra eritreretintsika sy ataontsika ary lazaintsika dia tokony ho vokatry ny fitiavantsika Azy sy ny Rainy.

Anontanio ny tenanao hoe: “Moa ve misy olona tiako bebe kokoa noho ny Tompo?” Dia ampitahao amin’ireto fitsipika napetraky ny Tompo ireto ny valinteninao:

  • “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.”

  • “Izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy” (Matio 10:37).

Ny fitiavana ny fianakaviana sy ny namana na manao ahoana na manao ahoana ny halehibeny dia lasa lalina kokoa rehefa mifototra amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanaka dia misy lanjany bebe kokoa eto sy aorian’izao fiainan’izao noho Izy. Mivoatra ny fifandraisana feno fitiavana ao Aminy. Ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia mitondra fahazavana sy fanentanam-panahy ary fandrisihana mba hitia ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa.

Ireo ôrdônansy dia mitondra fifantohana amin’ny asa fanompoana izay manana lanja mandrakizay. Tokony hieritreritra ny ray aman-dreny hoe inona no ôrdônansy manaraka ilain’ny zanaka tsirairay. Tokony hieritreritra an’izay ôrdônansy ilaina manaraka mifanaraka amin’ny tokony ho izy ao anatin’ny fianakaviana tsirairay izay tompoiny ireo mpampianatra isan-tokantrano.

Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka dia mampahatsiahy antsika fa tokony ho ampahan-javatra ao anatin’ny fiainantsika ny vavaky ny tena manokana, ny vavaky ny mpianakavy ary ny fanatanterahana ombam-bavaka ireo andraikitsika ao amin’ny Fiangonana. Ny fahafantarana sy ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray dia manome hery ara-panahy sy fahatokiana lehibe (jereo ny F&F 121:45). Tiantsika ny ho eo anilan’ny Tompo.

Ny fahalalana “[ny] zavatra araka ny tena toetrany sy [ny] zavatra araka ny ho tena toetrany” (Jakôba 4:13) dia manome fahafahana antsika hanao asa mifanaraka amin’ny fitsipika sy fotopampianarana marina. Hampivoatra ny fitondran-tenantsika izany fahalalana izany. Ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’izany izay mety vokatry ny fanirian-javatra mifono fitiavan-tena sy fiontanam-po dia hosoloin’ny zavatra tanterahana amin’ny alalan’ny fahendrena sy ny fahamarinana.

Ny fanoloran-tena haharitra hatramin’ny farany dia midika fa tsy hangataka mba hisaorana amin’ilay antso mba hanompo isika. Midika izany fa haharitra ao anatin’ny fanatratrarana tanjona mendrika isika. Midika izany fa tsy hilavo lefona velively isika eo amin’ny fanampiana olon-tiana iray nivily lalana. Ary midika izany fa hankamamy foana ilay fifandraisan’ny fianakaviantsika mandrakizay isika na dia ao anatin’ny fotoana sarotra isehoan’ny aretina na tsy fahafahana manao zavatra na fahafatesana aza.

Mivavaka amin’ny foko manontolo aho mba hitondra fiovana lalina eo amin’ny fiainanao ilay fitarihan’ny Tompo izay mampanova. Afaka mitahy antsika amin’izao fotoana izao sy mandrakizay ny asa nanirahana Azy sy ny asa fanompoana nataony.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 49.

Nandeha tany Betania i Jesoa ny Hariva, nataon’i James Tissot

Ravehivavy, indro ny Zanakao (Stabat Mater), nataon’i James Tissot © Brooklyn Museum, Braooklyn, New York; sary nampidirina: sombiny avy amin’ny Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Ny Toriteny teo An-tendrombohitra, nataon’i James Tissot; sary nampidirina: sombiny avy amin’ny I Kristy sy ilay TOVOLAHY Mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’i C. Harrison Conroy Co.

Ary dia Tafavory Niaraka ny Tao An-tanàna Rehetra, nataon’i James Tissot