Ny Toerana Masinareo
Na toerana any amin’ny faritra samihafa izy ireo na toe-javatra niseho teo amin’ny fiainana, dia samy manana ny hasiny ary tena manana fahafahana mitondra hery mahagaga.
Ny tarigetra ifampizarantsika amin’ity taona 2013 ity dia notsongaina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 87. Ity torolalana ity dia hita ao amin’ny fizarana anankitelo samihafa; hita mazava fa manan-danja ilay toromarika. Manazava ny fomba hahazoantsika fiarovana, hery, ary fiadanana amin’ny fotoana mikorontandrotana izany. Ilay torolalana tena tsara dia manao hoe: “Koa mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo, ary aoka tsy hoesorina.”1
Rehefa nisaintsaina mikasika izany tarigetra izany aho dia tsy afaka ny tsy hanontany tena hoe: “Inona ary ireo ‘toerana masina’ izay lazain’ny Ray any an-danitra ireo?” Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanoro hevitra hoe: “Anisan’ny toerana masina ny tempolintsika, ny toeram-pivoriantsika aty am-piangonana, ny tokantranontsika, ary ireo tsatòkan’i Ziona, izay natao … ‘ho fiarovana, sy ho fialofana.’”2 Ankoatra ireo, dia mino aho fa afaka mahita fitoerana hafa maro isika tsirairay. Azontsika raisina ho toy ny tontolo azo tsapain-tanana na faritra iray ny teny hoe: toerana amin’ny voalohany. Na izany aza anefa, ny toerana dia mety ho “toe-tena mazava tsara, fihevitra, na toe-panahy.”3 Izany dia midika hoe tafiditra ao anatin’ireo hoe toerana masina koa ireo fotoana hitrangan-javatra eo amin’ny fiainana—ireo fotoana nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona tamintsika, ireo fotoana nahatsapantsika ny fitiavan’ny Ray any an-danitra, na ireo fotoana izay nandraisantsika ny valin’ny vavaka nataontsika. Ankoatra izany dia mino aho fa manorina toerana masina ianao isaky ny sahy mijoro amin’ny marina, indrindra rehefa tsy misy olon-kafa vonona ny hanao izany.
Nandritra ny fiainan’i Joseph Smith izay fohy kanefa mahatalanjona, dia tena “[nitsangana teo] amin’ny toerana masina” izy ary tsy noesorina. Fony izy zatovolahy, dia sahiran-tsaina tamin’ny fisavorovoroana ara-pivavahana izay nisy tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy izy ary naniry ny hahafantatra hoe iza amin’ireo fiangonana rehetra ireo no marina. Ilay ala kely teo akaikin’ny tranony dia lasa toerana masina rehefa nandohalika teo anivon’ireo hazo izy ka nanao ny vavaka voalohany nataony tamin’ny feo avo. Voavaly ilay vavaka nataony, ary ankehitriny dia antsoin’ireo Olomasin’ny Andro Farany hoe Ala Kely Masina ilay ala kely.
Ny Zatovovavy dia mitsangana eo amin’ny toerana masina eny anivon’ny zava-boahary any amin’ny lasin’ny Zatovovavy. Nisy mpitarika iray nitantara tamiko ny zavatra niainan’ny zatovovavy iray. Mpikambana mangatsiaka io zatovovavy io, ary tsy nino loatra ny mety hahazoana traikefa ara-panahy any anaty ala. Taorian’ny andro voalohany, dia nanao tatitra tamin’ny mpitarika izy hoe: “Mahafinaritra be ilay izy, fa afaka manajanona ilay resaka mahakasika ny Fanahy ve isika? Hilasy, hankafy ny zava-boahary, hiaraka amin’ireo namako, ary hiala voly no alehako aty!” Tamin’ny famaranana ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona anefa dia niaiky tamim-pitomaniana io zazavavy io hoe: “Tsy te hody aho. Ahoana no ahafahako manana mandrakariva ny fahatsapana ananako amin’izao fotoana izao, dia ny Fanahy izany?” Nahita toerana masina iray izy.
Ny efitrano fandrian’i Joseph Smith koa dia toerana masina iray teo amin’ny fiainany. Mety ho sarotra inoana izany, satria, tahaka ny maro aminareo, dia nifampizara ny efitrano fandriany amin’ireo iray tampo aminy izy. Lasa toerana masina izany rehefa nivavaka tamim-pinoana sy tamim-panetrentena ary tamin’ny filana lehibe izy. Nanazava izy hoe: “Rehefa namonjy ny fandriako aho nony alina, dia rafitra nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra Tsitoha ho famelana ny fahotako sy ny hadalako rehetra.”4 Tsy mora ireo taona telo nolalovan’i Joseph taorian’ilay fahitany tao amin’ilay Ala kely Masina. Niaritra fandrabirabiana tsy misy farany i Joseph tamin’ny faha fito ambin’ny folo taonany, nihomehezana izy, ary nampijaliana. Saingy tamin’io alina io tao amin’ny efitrano fandriany, dia niseho ny anjely Môrônia ho valin’ny fitalahoany. Naharay fahalalana sy fampiononana i Joseph. Tamin’io alina io dia lasa toerana masina ny efitrano fandrian’i Joseph.
Raha nijery ny Message Mormon ho an’ny Tanora aho dia nahita efitrano fandriana iray hafa izay lasa toerana masina. Mampiseho an’i Ingrid Delgado, zatovovavy avy any El Salvador, mizara ny fahatsapany momba ny tempoly ilay horonan-tsarimihetsika. Hoy izy hoe: “Tsara ny mahafantatra fa manana toerana izay ahafahantsika miala amin’ny zavatr’izao tontolo izao ary mandray ireo ôrdônansy masina sy manampy ireo izay tsy afaka nandray izany nandritra ity fiainana ity isika.” Teo am-pitenenana dia naneho an’i Ingrid mamaky ny soratra masiny ilay horonan-tsarimihetsika, voahodidin’ireo Mormonade maro, teny notsongaina, boky Mon Progrès Personnel, sarin’ny fianakaviany sy ny tempoly, eny fa hatramin’ny kilalao tiany indrindra koa.5 Angamba mety tsy ho tsapany fa nanorina ny toerana masina ho azy izy izay lavitra ireo zavatr’izao tontolo izao. Manontany tena aho hoe impiry no namaky ny soratra masina i Ingrid, impiry izy no nahatsapa ny Fanahy sy nahazo valim-bavaka tao amin’io toerana masina izay azy io.
Misy ihany koa anefa toerana iray tsy ampoizina ho toerana masina teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith dia ny Fonjan’i Liberty izany. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Tsy nisy fotoana hafa mavesatra kokoa noho ity fampidirana am-ponja tsy misy antra sy tsy ara-dalàna ary tsy rariny ity teo amin’ny fiainan’i Joseph.” Notohizan’ny Loholona Holland ny fanazavany fa ny Fonjan’i Liberty dia nantsoina hoe “fonja tempoly” noho ny traikefa masina nananan’ny Mpaminany Joseph Smith tao.6
Mety miaina ao anatin’ny Fonjan’i Liberty anareo manokana ny sasany aminareo zatovovavy, toerana iray izay iatrehanareo fanambaniana, toerana izay tsy ahatsapanareo fitiavana feno hatsaram-panahy, toerana izay hanesoana anareo, hampijaliana anareo, na hikasihan-tanana anareo mihitsy aza. Atolotro ho anareo zatovovavy ny tenin’ny Loholona Holland manao hoe: “Afaka miaina toe-javatra masina, mifono fanambarana ary tena mitondra fampianarana ianareo miaraka amin’ny Tompo ao anatin’ny toe-javatra faran’izay mampalahelo indrindra eo amin’ny fiainanareo … , rehefa miaritra ny tsy rariny faran’izay maharary, rehefa miatrika ny sedra faran’izay sarotra resena mihoatra noho izay efa natrehanareo.”7 Izany hoe, tahaka ny Mpaminany Joseph Smith, ianao koa dia afaka manorina sy mitsangana ao amin’ny toerana masina, na dia mandritra ireo fotoana faran’izay sarotra indrindra nolalovanareo hatramin’izay aza.
Nisy zatovovavy iray antsoina hoe Kirsten nitantara tamiko ny iray amin’ireo zavatra niainany naharary indrindra. Fonjan’i Liberty ho azy ny lisea. Soa ihany fa—nanome fitoniana ho azy ilay efitrano famerenan’ireo mpitendry mozika. Hoy izy hoe: “Rehefa niditra tao amin’io efitrano io aho, dia toy ny niditra tao amin’ny toerana azo antoka. Tsy nisy fanambanimbaniana tao na teny manaraby, tsy nisy teny ratsy tao. Ny heno tao kosa dia teny feno famporisihana sy fitiavana. Nifaneho hatsaram-panahy izahay. Toerana feno fifaliana izany. Feno ny Fanahy ilay efitrano fanaovanay famerenana rehefa nitendry mozika tao izahay. Ny antony lehibe indrindra nahatonga ilay efitrano ho toy izany dia noho ilay mpampianatra mozika anay. Lehilahy Kristianina mahafatrapo izy. Rehefa manao jery todika aho dia mahita fa toerana namolavola ahy ara-panahy io lisea io. Tena sarotra izany, kanefa nianatra niatrika olana tamim-pahasahiana aho. Ho feno fankasitrahana lalandava aho noho ny fialofako, ny toerako masina, ilay efitrano fanaovanay famerenana.”8
Izao takariva izao, moa ve ianareo nieritreritra mikasika ny toerana masinareo? Nanasa zatovovavy an-jatony maro aho hizara tamiko ny “toerana masin[’izy ireo].” Na toerana any amin’ny faritra samihafa izy ireo na toe-javatra niseho teo amin’ny fiainana, dia samy manana ny hasiny ary tena manana fahafahana mitondra hery mahagaga. Ireto misy valinteny mampihetsi-po sivy nomen’izy ireo:
-
Voalohany: “Tany amin’ny hôpitaly aho, nitrotro ny zandriko lahy vao teraka.”
-
Faharoa: “Isaky ny mamaky ny tsodranon’ny Patriarika aho dia tsapako hoe fantatry ny Raiko any an-danitra aho ary tiany.”
-
Fahatelo: “Nanaingo ny varavarako tamin’ny sary fo vita tamin’ny taratasy ny zatovovavy tao amin’ny paroasy tamin’ny andro nahafeno 12 taona ahy.9 Nahatsapa ho tiana, noraisina tsara, ary faly aho!”
-
Fahaefatra: “Rehefa namaky ny soratra masina aho indray andro, dia nisy fehezanteny iray nisongadina. Nahita ny valin’ny vavaka nataoko aho.”
-
Fahadimy: “Namonjy fety aho izay sady nisotro toaka ny olona no nandray anjara tamin’ny fialam-boly mamohehatra hafa. Nasain’ny Fanahy niverin-dalana sy nody aho. Nataoko izany, ary tena nisy vokany teo amin’ny fifandraisako tamin’ny hafa. Na izany aza dia nanome ahy ilay fahatokiana nilaiko izay fotoana izay mba hahafantarana fa afaka miaina ny filazantsara aho.”
-
Fahaenina: “Nandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo dia nieritreritra momba ny Sorompanavotana aho. Fantatro fa tokony hamela ny heloky ny olona izay nahatezitra ahy aho. Ny safidiko hamela ny helony dia fihetsika tsara izay afaka hitondra ny Sorompanavotana ao amin’ny fiainako andavanandro.”
-
Fahafito: “Rehefa avy nanatrika ny “Rentrée des Jeunes Filles” niaraka tamin’ny reniko aho, dia nanoroka ahy teo amin’ny takolako izy, ary nilaza tamiko fa tiany aho. Izay no fotoana voalohany nahatsiarovako hoe nanao izany izy.”
-
Fahavalo: “Tamin’ny fanomezan-toky nataon’ny evekako dia fantatro fa marina ilay fampanantenana nomena ao amin’ny soratra masina manao hoe: ‘Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala.’10 Nahatsapa fanantenana aho ary fantatro fa afaka nanomboka ny dingana lavan’ny fibebahako aho.”
-
Farany: “Indray hariva, dia nangoniko ny herim-poko rehetra mba hahasahiako mizara ny fahatsapako mikasika ny filazantsara sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny namako akaiky ahy indrindra. Taty aoriana, dia tombontsoa ho ahy ny nanatrika ny batisany. Amin’izao dia miaraka mankany am-piangonana izahay.”
Afaka mizara aminareo ny iray amin’ireo toerako masiko ve aho? Indray andro dia nahatsapa ho sahiran-tsaina, sarotahotra ary irery tanteraka aho. Nivavaka mangina aho hoe: “Ry Ray any an-danitra, tsy fantatro hoe ahoana no hiatrehana izao zavatra izao. Mba ampio aho raha sitrakao!” Vetivety foana taorian’izay dia nisy olona tsy nampoizina nanatona, nametraka tanana teo an-tsoroko, ary nanao vavaka tamin-kitsimpo sy feno teny fankaherezana. Tamin’izay fotoana izay dia nahatsapa fiadanana aho. Nahatsapa aho fa tsy navela ho irery. Niova ny zavatra rehetra. Tonga tao an-tsaiko ny tenin’ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Mahita antsika tokoa Andriamanitra, ary miahy antsika Izy. Saingy matetika amin’ny alalan’ny olona hafa no hanomezany ny zavatra ilaintsika.”11 Ho ahy izany fotoana izany, izany toerana izany dia lasa toerana masina.
Ry zatovovavy malala, maro ireo toerana masina hafa izay mbola tiako hifampizarantsika. Rehefa mody any an-trano ianareo anio alina, dia mamporisika anareo aho mba hanoratra ao amin’ny diarinareo ireo toerana izay fantatrareo na tsaroanareo. Fantatro tsara fa an’arivony maro aminareo no mijoro eo amin’ny toerana masina. Mitondra fiarovana, tanjaka, ary fiadanana ao anatin’ny fotoan-tsarotra ireo toerana ireo. Lasa matanjaka ny fijoroanareo ho vavolombelona satria mijoro amin’ny marina sy ny fahamarinana ianareo amin’ny fomba mendri-piderana.
Amiko dia ianareo, izay tanora mendri-kaja ato amin’ny Fiangonana, no maherifoko. Tiako ianareo. Tsapako ny fitiavana mahagagan’ny Ray any an-danitra ho anareo ary mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miandry izy, vonona ny hanampy anareo raha toa ianareo ka “[mitsangana] … eo amin’ny toerana masina ary tsy hoesorina.” Tiako ary tohanako ny Filoha Thomas S. Monson, izay mpaminantsika marina sy manome famporisihana antsika. Izany dia ambarako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.