2014
Aoka Ianao Hampiseho an’ilay Tena Maha Izy Azy Anao—Atombohy Izao dieny Izao
Janoary 2014


Zatovo

Aoka Ianao Hampiseho an’ilay Tena Maha Izy Azy Anao—Atombohy Izao dieny Izao

Ny Filoha Uchtdorf dia nampianatra fa “ny fananana tanjona manokana dia afaka mamoaka ilay tena maha izy azy antsika.” Mieritrereta ny hametraka tanjona vitsivitsy miompana amin’ny lafin-javatra iray na roa ao anatin’ny fiainanao, toy ny fahasalamana ara-batana, ny fahasalamana ara-panahy ary ny finamanana ohatra. Inona no fahombiazana tianao ho azo ao anatin’ireo lafin-javatra ireo amin’ity taona ity? Rehefa mieritreritra tanjona vitsivitsy ombam-bavaka ianao dia ataovy tanjona azo tratrarina izany fa mitaky kosa ny hivoaranao. Farito amin’ny antsipiriany ao anatin’ny diarinao ireo tanjonao mba hahafahanao mahita ny fivoaranao rehefa lasa ny taona iray.

Hamoaka printy