2014
Fotoana Tsara Indrindra Hambolena Hazo
Janoary 2014


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2014

Fotoana Tsara Indrindra Hambolena Hazo

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Tao anatin’ny fanjakana Rômana fahiny dia andriamanitry ny fanombohana i Janus. Naseho tamin’ny alalan’ny endrika roa izy matetika—ny iray mitodika any amin’ny lasa ary ny iray mijery manatrika ny hoavy. Ny fiteny sasantsasany dia miantso ny volana Janoary amin’ny anarany satria ny fiantombohan’ny taona dia fotoana iray hahatsiarovan-javatra lalina ary koa hanaovana drafitra.

An’arivorivon-taona aty aoriana dia kolontsaina maro manerana an’izao tontolo izao no manohy ilay fomba fanao hatrizay, dia ny fametrahana tanjona ho an’ny taona vaovao. Mora mazava ho azy ny manao tanjona—ny mitazona izany dia mbola zavatra iray hafa koa.

Nahatsapa ho afa-po ihany tamin’ny fivoarany ny lehilahy iray izay nanao lisitra lava be ahitana ireo tanjony ho an’ny taona vaovao. Hoy izy an’eritreritra hoe: “Hatramin’izao aloha dia voatazoko ny fifehezan-tena tsy hihinan-kanina be loatra, tsy mora tezitra aho, voahajako ny lamina hampiasana ny volako ary mbola tsy nimenomenona aho na dia indray mandeha aza mikasika ny alikan’ilay mpifanolobodirindrina amiko. Saingy 2 Janoary androany ary naneno ny fanairan’ny famantaranandro ka tonga ny fotoana hialako eo am-pandriana. Mila fahagagana ny fanohizana ny fanatratrarana ireo tanjoko rehetra ireo.”

Manomboka Indray

Misy zavatra tena mitondra fanantenana mihitsy mikasika ny fanombohana vaovao. Heveriko fa efa nisy fotoana izay naniriantsika rehetra ny hanomboka indray amin’ny fomba madio.

Tiako ny mahazo solosaina vaovao miaraka amin’ny disque dur madio. Tena mandeha tsara aloha izany amin’ny voalohany. Saingy rehefa mandeha ny andro sy ny fotoana ary mihamitombo ny programme ampidirina ao anatin’izany (ny sasany niniana natao ary ny sasany tsy dia niniana natao loatra), dia manomboka mikatso ilay solosaina amin’ny farany ary lasa miadana ny fanaovany ireo zavatra vitany haingana sy tsara taloha. Tsy mandeha mihitsy ilay izy indraindray. Na ny mamelona azy aza dia lasa asa be rehefa vesaran’ny données sy fonctions tsy ilaina ilay disque dur. Ao ireo fotoana izay tsy misy afa-tsy ny manao formatage an’ilay solosaina sy mamelona azy indray no hany vahaolana.

Ny olombelona koa dia mety ho lasa vesaran’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny fahatsapana mafy ho meloka. Ireo hadisoana izay nataontsika (na niniana na tsy niniana) dia mety hitambesatra eo amintsika mandra-pahatonga any amin’ny hoe toa sarotra ny manao izay zavatra fantatsika fa tokony hatao.

Raha eo amin’ny lafin’ny fahotana dia misy dingana tena tsara iray fanaovana formatage antsoina hoe fibebahana izay manome fahafahana antsika hanala avy ao anatin’ny disque dur antsika ireo zavatra manavesatra ny fontsika. Ny filazantsara, amin’ny alalan’ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mahagaga sy mifono fangorahana, dia manoro antsika ny fomba hanadiovana ny loton’ny fahotana ao anatin’ny fanahintsika ary dia lasa olom-baovao sy madio ary tsy manan-tsiny toy ny zaza indray.

Saingy indraindray misy zavatra mampitaredretra antsika ary mihazona antsika izay miteraka fomba fisainana sy fihetsika tsy mahomby ka manasarotra ny fanombohantsika hanao zavatra.

Mampiseho ny Tena Maha Izy Azy Antsika

Ezaka atao tsy hanenenana ny fametrahana tanjona. Fantatsika fa manana tanjona ny Raintsika any an-danitra satria nolazainy tamintsika fa ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Afaka mampiseho ilay tena maha izy azy antsika ny fananantsika tanjona manokana. Kanefa, ny iray amin’ireo zavatra izay manelingelina ny ezaka ataontsika eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy fanatanterahana izany dia ny fanemorana. Matetika isika manemotra ny fanombohan-javatra ka miandry ny mahamety izany mba hanombohana—ny andro voalohan’ny taom-baovao, amin’ny fiantombohan’ny fahavaratra, rehefa voantso ho eveka na filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, rehefa tafiditra mianatra ny ankizy, rehefa misotro ronono.

Tsy mila fanasana ianao alohan’ny hanombohanao ny fandehanana mankany amin’ny lalan’ireo tanjona tsara napetrakao. Tsy mila miandry fahazoan-dalana ianao mba hahatonga anao tahaka ilay olona tokony hahatongavanao. Tsy mila miandry fanasana ianao vao hanompo ao amin’ny Fiangonana.

Mety mandany taona maro eo amin’ny fiainantsika fotsiny isika miandry ny mba hofidiana (jereo ny F&F 121:34–36). Saingy hevi-diso izany. Efa voafidy ianao!

Nisy fotoana teo amin’ny fiainako izay nandalovako tamin’ny tsy fatoriana amin’ny alina fa niasa saina mikasika ireo olana sy ahiahy na fahoriana manokana. Saingy na dia maizina toy ny inona aza ny alina dia nahazo herimpo avy tamin’ity teny ity foana aho: hiposaka ny masoandro rahampitso maraina.

Isaky ny andro vaovao iray dia misy fahazavana vaovao miposaka iray—tsy hoe ho an’ny tany fotsiny izany fa ho antsika koa. Ary isaky ny andro vaovao iray dia misy fanombohan-javatra vaovao iray—fahafahana manomboka zavatra indray.

Saingy Ahoana Raha Toa ka Tsy Mahomby Isika?

Ny tahotra no zavatra mihazona antsika indraindray. Mety matahotra ny tsy hahomby na hahomby isika, na mety matahotra sao afa-baraka na mety hanova antsika ny fahombiazana na mety hanova ny olona tiantsika.

Dia miandry isika noho izany. Na milavo lefona.

Ny zavatra iray hafa izay ilaintsika tadidiana rehefa mametraka tanjona dia izao: Tena mety tsy hahomby tokoa isika—mandritra ny fotoana fohy farafahakeliny. Saingy raha tokony hoe ho kivy isika dia afaka mahazo hery satria izany fahatakarana izany dia manala ilay fanerena mba ho lavorary izao dieny izao. Mampahafantatra hatrany am-piandohana izany fa hisy fotoana izay mety tsy hampahomby antsika. Ny fahafantarana izany hatrany am-piandohana dia manala ny ankamaroan’ireo zavatra tsy ampoizina na fahakiviana azo noho ny tsy fahombiazana.

Rehefa tomorintsika amin’izay fomba izay ireo tanjona ireo dia tsy mametra antsika ny tsy fahombiazana. Tadidio fa na dia tsy afaka nahatratra teo no ho eo ihany ilay tanjona faratampony sy niriana aza isika dia efa nanao ezaka teny an-dalana izay hitondra antsika any.

Ary zava-dehibe izany—tena misy dikany.

Na dia mety tsy tonga teny amin’ny faritra farany tokony hahatongavana aza isika dia hahatonga antsika ho olona nivoatra bebe kokoa noho ny teo aloha ny fanohizantsika ny dia.

Ny Fotoana Tena Tsara Hanombohana dia Izao

Misy ohabolana iray manao hoe: “Ny fotoana tsara indrindra nambolena hazo dia tamin’ny 20 taona lasa. Ny fotoana tena tsara faharoa dia izao ankehitriny izao.”

Misy zavatra tsara sy mitondra fanantenana fonosin’ny teny hoe izao ankehitriny izao. Misy zavatra mitondra hery mikasika ny hoe raha toa isika ka misafidy ny hanapa-kevitra izao dieny izao dia tonga dia afaka miroso isika amin’io fotoana io.

Izao no fotoana tena tsara hahatongavana tahaka ilay olona tiantsika hahatongavana amin’ny farany—tsy hoe afaka 20 taona manomboka izao fotsiny fa mandrakizay koa.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nanazava ny Filoha Uchtdorf fa rehefa tsy nahatratra ny tanjontsika isika, dia “afaka mahazo hery. … Na dia mety tsy tonga teny amin’ny faritra farany tokony hahatongavana aza isika dia hahatonga antsika ho olona nivoatra bebe kokoa noho ny teo aloha ny fanohizantsika ny dia.” Angataho ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara zavatra niseho teo amin’ny fiainana izay nahitana fa nianatra zavatra bebe kokoa izy ireo tao anatin’ireo dingana nolalovana noho ny hoe avy amin’ny vokatr’izany farany, toy ny fahazoana mari-pahazaina tany an-tsekoly na fahazoana mari-pankasitrahana iray.