2015
Aoka mba Hiredareda ny Fijoroanao ho Vavolombelona
Febroary 2015


Ho an’ny ankizy

Aoka ny mba Hiredareda Fijoroanao ho Vavolombelona

Mitovy amin’ny fanaovana afo kitay ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona. Tahaka ny hoe mila manampy kitay isika mba hihazonana ny afo iray hiredareda hatrany, dia tsy maintsy mivavaka, mibebaka, manompo ny hafa, mandalina soratra masina ary manaja ireo didy koa isika mba hanampiana ny fijoroantsika ho vavolombelona hiredareda.

Mba hianarana bebe kokoa mikasika ny fomba hanorenana ny fijoroanao ho vavolombelona dia vakio ny tsirairay amin’ireto soratra masina voatanisa eto ambany ireto. Manaova sarina afo iray miaraka amin’ny lelafo lehibe dimy. Lokoy ny lelafo tsirairay ho an’ny soratra masina tsirairay izay vakinao. Arakaraky ny habetsaky ny soratra masina vakinao no hampiredareda ilay afo—sy ny fijoroanao ho vavolombelona!

Hamoaka printy