2015
Ireo Toetran’i Jesoa Kristy : Tsy Nanam-pahotana
Febroary 2015


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2015

Ireo Toetran’i Jesoa Kristy : Tsy Nanam-pahotana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy ihany no hany afaka nanao sorompanavotana iray ho an’ny zanak’olombelona. Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “I Jesoa Kristy ilay zanakondry tsy misy kilema [dia] nanaiky nankeo amin’ny alitara fanaovana sorona ary nanefa ny saran’ny fahotantsika.”1 Ny fahatakarana hoe tsy nanam-pahotana i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hampitombo ny finoantsika Azy sy hiezaka hitandrina ny didiny sy hibebaka ary ho lasa madio.

Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “I Jesoa dia … olona manana vatana sy fanahy, saingy tsy resin’ny fakam-panahy (jereo ny Môsià 15:5).” “Afaka mitodika Aminy isika … satria takany tsara ny mahazo antsika. Takany tsara ny olana, ary takany ihany koa ny fomba handresena ny olana. …

“… Afaka mamafa ny vokatry ny fahotana izay ao amintsika ny herin’ny Sorompanavotany. Rehefa mibebaka isika dia manamarina sy manadio antsika ilay sorona feno famindrampo nataony (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Toy ny hoe tsy resin’ny fakam-panahy isika ary toy ny hoe tsy nanaiky ho voasarik’izany.

“Rehefa miezaka isan’andro sy isan-kerinandro isika mba hanaraka ny dian’i Kristy dia manamafy ny fahamboniany ny fanahintsika, mihatony ny ady ao anaty, ary mitsahatra tsy manakorontana ireo fakam-panahy.”2

Soratra Masina Fanampiny

Matio 5:48; Jaona 8:7; Hebreo 4:15; 2 Nefia 2:5–6

Avy amin’ny Soratra Masina

Ny Mpamonjy dia nanefa ny saran’ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny maha-Zanakalahin’Andriamanitra Azy, tamin’ny alalan’ny fiainany tsy nisy fahotana, tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny nandatsahany ny ràny tao amin’ny Sahan’i Getsemane, tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana ary tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty avy ao am-pasana. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ho tonga madio indray isika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika.

Nampianatra ny vahoakany momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Mpanjaka Benjamina ary avy eo izy dia nanontany azy ireo raha toa ka nino ny teniny izy ireo. “Ary nihiaka tamin’ny feo tokana izy rehetra, nanao hoe: … ny Fanahy … nitondra fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am -ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa. …

“Ary izahay dia vonona hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitray, hanao ny sitrapony sy hankatò amin’ny zava-drehetra” (Môsià 5:1–2, 5).

Afaka manana “fiovampo mahery vaika” koa isika tahaka ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina izay “tsy nanana fironana hanao ratsy intsony fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môsià 5:2).

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Vitanao io Izao dia Izao!” Liahona, Nôv. 2013, 56.

  2. D. Todd Christofferson, “That They May Be One in Us,” Liahona, Nôv. 2002, 71.

Eritrereto Ity

Inona no maha-samy hafa ny hoe madio amin’ny hoe tonga lafatra ?

Hamoaka printy