2015
Fijoroana ho Vavolombelona sy Fiovampo
Febroary 2015


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2015

Fijoroana ho Vavolombelona sy Fiovampo

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Misy fahasamihafana eo amin’ny hoe mandray fijoroana ho vavolombelona iray momba ny fahamarinana sy ny hoe tena miova fo marina. Ny Apôstôly Petera ohatra dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny Mpamonjy fa fantany hoe i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

“Ary hoy [Jesosy] taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?

“Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.

“Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 16:15–17).

Kanefa taty aoriana tao anatin’ilay didy nomeny an’i Petera dia nanome torolalana ho azy sy ho antsika ny Tompo mba tena hiova fo marina ary mba hampaharitra izany fiovampo izany mandritra ny fiainana manontolo. Izao no fomba nilazan’i Jesoa izany: “Ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao” (Lioka 22:32).

Nampianatra an’i Petera i Jesoa Kristy fa mbola nisy fiovana iray lehibe izay tsy maintsy handalovana mihoatra noho ny fananana fijoroana ho vavolombelona mba hahafahana manana eritreritra sy fahatsapana ary manao asa tahaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy izay tena niova fo marina. Izay ilay fiovana goavana katsahintsika rehetra. Raha vao azontsika izany dia mila manao izay hitohizan’izany fiovana izany isika mandra-pahatapitry ny fotoana fizahan-toetra antsika eto an-tany (jereo ny Almà 5:13–14).

Fantatsika avy amin’ny zavatra niainantsika manokana sy avy amin’ny fandinihana ny hafa fa tsy ho ampy velively ny fiainana fotoana lehibe vitsivitsy fotsiny hahatsapana hery ara-panahy. Nandà ho tsy nahafantatra ny Mpamonjy i Petera na dia taorian’ny nahazoany fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny Fanahy aza fa i Jesoa no Kristy. Ireo vavolombelona telon’ny Bokin’i Môrmôna dia nanana fijoroana ho vavolombelona nomena azy ireo mivantana fa tenin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, saingy taty aoriana anefa dia nihena ilay hafanam-po nanohanan’izy ireo an’i Joseph Smith ho Mpaminanin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Mila fiovana ao am-pontsika isika, araka ny nohazavaina ao amin’ny bokin’i Almà : “Dia nilaza tamin’ny olona zavatra iray loha ihany [izy ireo] fa efa novana ny fony; ary tsy nananany intsony ny faniriana hanao ratsy” (Almà 19:33; jereo ihany koa ny Môsià 5:2).

Nampianatra antsika ny Tompo fa rehefa miova fo marina amin’ny filazantsarany isika dia tsy hitodika amin’ireo olana mifono fitiavan-tena intsony ny fontsika fa hitodika amin’ny asa fanompoana mba hanome hery ny hafa eo am-pirosoan’izy ireo mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hahazoana izany fiovampo izany dia afaka mivavaka sy miasa amim-pinoana isika mba hahatonga antsika ho ilay olom-baovao avy amin’ny alalan’ny fanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Afaka manomboka izany isika amin’ny alalan’ny fangatahana finoana mba hibebahana amin’ny fitiavan-tena sy fangatahana fanomezam-pahasoavana mba hikarakara ny hafa bebe kokoa noho ny tenantsika. Afaka mivavaka isika mba hahazo hery hialana amin’ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritana.

Tena ilaina ihany koa ny vavaka mba handraisana ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana ny tenin’Andriamanitra sy ny fitiavana an’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:47–48). Miaraka tonga ireo roa ireo. Rehefa mamaky sy mandalina ary mivavaka momba ny tenin’Andriamanitra isika dia ho lasa tiantsika izany. Apetraky ny Tompo ao am-pontsika izany. Hanomboka hitia bebe kokoa ny Tompo isika rehefa mahatsapa izany fitiavana izany. Ho tonga miaraka amin’izany ny fitiavana ny hafa izay ilaintsika mba hampatanjahana ireo izay apetrak’Andriamanitra eny amin’ny lalantsika.

Afaka mivavaka isika ohatra mba hahafantarana ireo olona izay tian’ny Tompo hampianarin’ireo misionerany. Afaka mivavaka amim-pinoana ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno mba hahafantatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny zavatra tokony hampianarina sy hijoroana ho vavolombelona. Afaka mivavaka amim-pinoana izy ireo mba hamelan’ny Tompo azy ireo hahatsapa ny fitiavany ho an’ireo rehetra mihaona amin’izy ireo. Tsy hitondra ny olona rehetra mihaona amin’izy ireo hirotsaka ao amin’ny ranon’ny batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina akory ny misiônera. Saingy afaka manana ny Fanahy Masina mba ho namana izy ireo. Hiova ny ao am-pon’ireo misiônera any aoriana any amin’ny alalan’ny fanompoan’izy ireo sy miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Hohavaozina hatrany hatrany izany fiovana izany rehefa manohy tsy amim-pitiavantena miasa amim-pinoana isika sy izy ireo mba hampatanjaka ny hafa mandritra ny androm-piainana manontolo amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy ho zava-mitranga indray mandeha na zavatra izay maharitra mandritra ny fotoana iray voafetra eo amin’ny fiainana ihany ny fiovampo fa ho dingana mitohy hatrany izany. Afaka hihamazava kokoa ny fiainana mandra-pahatongan’ilay andro tonga lafatra izay hahitantsika ny Mpamonjy ary hahitantsika fa lasa toa Azy isika. Tamin’izao fomba izao no nanazavan’ny Tompo ilay dia: “Izay avy amin’Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (F&F 50:24).

Mampanantena anareo aho fa afaka ny ho tanteraka amintsika tsirairay izany.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nampiasa ny “fanoharana ny amin’ny ’ny kônkômbra madinika nalona” ny Loholona David A. Bednar mba hampianarana fa zotran-javatra mitohy maharitra ny fiovampo fa tsy zava-mitranga indray mandeha fotsiny ihany: “Ho lasa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra andalana anampy andalana sy fitsipika anampy fitsipika ary handeha tsikelikely ka ho zara raha hita ny fikasantsika sy ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika” (“Ye Must Be Born Again,” Liahona, Mey 2007, 19). Avereno resahana amin’ireo izay ampianarinareo ny fanoharana ny amin’ny kônkômbra madinika nalona. Inona no azon’ny tsirairay amintsika atao mba handrosoana tsikelikely ao amin’ny dingana miandalan’ny fiovampo izay sady noresahan’ny Filoha Eyring no noresahan’ny Loholona Bednar?

Hamoaka printy