2015
Ny Fiovampoko
Febroary 2015


Zatovo

Ny Fiovampoko

Mipetraka ao Fortaleza Brésil ny mpanoratra.

Tamin’ny fotoana voalohany nianarako momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia nahatsapa ny Fanahy nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany aho. Tamin’ny alalan’ny vavaka dia nanjary lasa mafy orina bebe kokoa ny fijoroako ho vavolombelona ka dia nanapa-kevitra ny ho atao batisa aho.

Fotoana fohy taorian’ny batisako dia nanomboka nanontany ny zavatra tsapako mikasika ny fandehanana hanao asa fitoriana ny olona tao amin’ny paroasiko. Raha ny marina dia tsy fantatro mazava izay holazaina. Toa hadalàna izany hoe handao ny fianakaviako sy ny fianarako izany mba handeha hanompo.

Dia nanomboka nieritreritra momba ny fiovampoko aho indray andro. Tsaroako ireo misiônera izay nampianatra ahy, izay namaly tamim-paharetana ireo fanontaniako ary nanampy ahy hahatakatra ny filazantsara. Fantatro fa raha tsy teo ny fanampian’izy ireo dia tsy ho hitako na oviana na oviana ny Fiangonana marina. Raha vantany vao nahatsapa izay zavatra izay aho dia nitsiry tato am-poko ny faniriana hanompo. Afaka nahatsapa ny Fanahy niteny tamiko aho hoe tokony hanompo amin’ny fotoana feno.

Fantatro fa ny asa fanompoana dia asan’ny Raintsika any an-danitra ary afaka manampy amin’ny fitondrana fanahy mba handray ilay fahalalana tena tsara mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika.

Hamoaka printy