2016
Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra
Martsa 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2016

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahiany ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika. …

“Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. (Genesisy 1:26–27).

Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, ary nahary antsika araka ny endriny Izy. Rehefa niresaka io fahamarinana io ny Filoha Thomas S. Monson dia hoy izy: “Andriamanitra Raintsika dia manana sofina hihainoana ny vavaka ataontsika. Manana maso hijerena ny asantsika Izy. Manana vava hiresahana amintsika Izy. Manana fo hahatsapana fangorahana sy fitiavana Izy. Tena misy Izy. Velona Izy. Zanany nohariana araka ny endriny isika. Mitovy endrika Aminy isika ary Izy dia mitovy endrika amintsika.”1

“Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mijery ny olon-drehetra ho toy ny zanak’ Andriamanitra amin’ny heviny feno sy tanteraka; mihevitra ny olona tsirairay ho avy amin’ Andriamanitra sy manana toetra ary hery anaty tahaka an’ Andriamanitra izy ireo.”2 Ny tsirairay dia “fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny Ray aman-dreny any an-danitra.”3

“[Ny Mpaminany] Joseph Smith ihany koa dia nianatra fa Andriamanitra dia maniry ny handraisan’ireo zanany ilay karazana fisandratana izay iainany.”4 Araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Soratra Masina Fanampiny

Genesisy 1:26–27; 1 Korintiana 3:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1

Avy ao amin’ ny Soratra Masina

Ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nitady fomba hanazavana ireo sambofiara valo natao mba hitondra ny Jaredita hiampita ny rano ho any amin’ny tany nampanantenaina. “Nandrendrika vato kely enina ambin’ny folo” izy sy nivavaka tamin’ Andriamanitra mba “hikasika ireto vato ireto” amin’ny rantsan-tanany “mba hahazoany mamirapiratra ao amin’ny haizina.” Dia “naninjitra ny tanany [Andriamanitra] ary nikasika tsirairay ny vato tamin’ny rantsan-tanany.” Nesorina hiala tamin’ny mason’ny rahalahin’i Jarèda ny voaly, dia “nahita ny rantsan-tanan’ny Tompo izy; ary izany dia toy ny rantsan-tanan’olona. …

“Ary hoy ny Tompo taminy: Inoanao va ny teny izay hoteneniko?

“Ary namaly izy: Eny, ry Tompo.”

Dia “naneho ny tenany tamin’ny [rahalahin’i Jarèda]” ny Tompo ka nilaza hoe: “Hitanao va fa ianareo dia voary araka ny endriko ihany? Eny, ny olona rehetra tany am-piandohana dia nohariana araka ny endriko ihany.” (Jereo Etera 3:1–17.)

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “I Know That My Redeemer Lives,” ao amin’ny Conference Report, apr. 1966, 63.

  2. Lohahevitry ny Filazantsara, “Becoming Like God,” topics.lds.org; jereo koa ny Mosesy 7:31–37.

  3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv 2010, 129.

  4. Lohahevitry ny filazantsara, “Becoming Like God,” topics.lds.org; Jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 221.

Eritrereto Ity

Nahoana no hanampy antsika amin’ny fifandraisana amin’ny hafa ny fahalalana fa ny olona tsirairay dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra?

Hamoaka printy