2016
’Mianara Amiko’
Martsa 2016


Hafatry ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2016

“Mianara Amiko”

Ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, isika dia mpampianatra sy mpianatra avokoa. Ho an’ny rehetra ity fanasana feno hatsaram-panahy avy amin’ny Tompo ity: “Mianara Amiko … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.”1

Manasa ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra aho hisaintsaina ireo ezaka mba hampianatra sy mba hianatra ary mba hitodika amin’ny Mpamonjy mba ho Mpitari-dalana antsika amin’ny fanaovana izany. Fantatsika fa ity “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra ity”2 dia mihoatra noho ny mpampianatra fotsiny. Izy ilay nampianatra antsika hitia ny Tompo Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny herintsika rehetra, ary ny saintsika rehetra, ary hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Izy no ilay Mpampianatra lehibe ary ilay ohatry ny fiainana tonga lafatra.

Izy ilay nanambara hoe: “Avia, manaraha Ahy.”3 “efa nanome ohatra ho anareo Aho.”4

Raha tsy miova hianareo

Nampianatra fahamarinana tsotra kanefa lalina i Jesoa araka izay voarakitra ao amin’ny Matio. Taorian’ny nidinan’Izy sy ny mpianany avy teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, dia nijanona tao Galilia izy ireo ary nandeha tany Kapernaomy avy eo. Tao ireo mpianatra no nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe:

“Iza moa no lehibe indrindra ao amin ny fanjakan’ny lanitra?

“Ary Jesoa niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany,

“ka nanao hoe, lazaiko aminareo marina tokoa, Raha tsy miova hianareo, ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.”5

Ao amin’ ny Fiangonana, ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara dia tsy ny hampita fahalalana be dia be ao an-tsain’ireo zanak’ Andriamanitra, na any an-tokantrano, na any an-dakilasy, na any amin’ny sahan’ny misiôna. Izany dia tsy natao hanehoana hoe hatraiza ny fahalalan’ny ray aman-dreny, na ny mpampianatra, na ny misiônera. Tsy natao hampitomboana fotsiny ihany ny fahalalana momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izany.

Ny tanjona fototry ny fampianarana dia ny hanampy ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra hiverina eo anatrehany ary higoka fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Mba hanaovana izany, ny fampianarana ny filazantsara dia tsy maintsy mamporisika azy ireo amin’ny diany isan’andro amin’ny maha-mpianatra sy ny fiainany isan’andro ireo fanekempihavanana masina. Ny tanjona dia ny hanentana ny tsirairay hieritreritra, hahatsapa, ary avy eo hanao zavatra mahakasika ny fiainana ny filazantsara. Ny tanjona dia ny hampitombo finoana ny Tompo Jesoa Kristy ary hiova fo amin’ny filazantsarany.

Ny fampianarana izay mitahy sy mampiova fo ary mamonjy dia ny fampianarana maka takaha ny ohatry ny Mpamonjy. Ny mpampianatra izay maka tahaka ny ohatry ny Mpamonjy dia tia sy manompo ireo izay ampianariny. Manentana ny fanahin’ireo mpihaino azy ireo izy ireo amin’ny lesona mandrakizain’ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Miaina fiainana mendrika alain-tahaka izy ireo.

Mitia sy manompo

Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy iray manontolo dia naneho ny fitiava-namana. Mazava ho azy fa ny fitiavany sy ny fanompoany no lesona omeny matetika. Toy izany ihany koa, ireo mpampianatra tena tsaroako indrindra dia ireo mpampianatra nahalala, nitia, ary niraharaha ireo mpianany. Nitady ny ondry very izy ireo. Nampianatra lesona mahakasika ny fiainana izay ho tsaroako mandrakariva izy ireo.

Anisan’izany mpampianatra izany i Lucy Gertsch. Fantany ny tsirairay tamin’ireo mpianany. Niantso tsy ankiato ireo izay tsy nankany am-piangonana isaky ny alahady izy na ireo izay ninia tsy tonga fotsiny. Fantatray fa niraharaha anay izy. Tsy nisy nanadino azy na ireo lesona nampianariny ny tsirairay avy taminay.

Taona maro taty aoriana, rehefa akaiky ho tapitra ny andro hiainan’i Lucy, dia namangy azy aho. Nahatsiaro ireo andro tany aloha elabe izahay fony izy mpampianatray. Niresaka ny olona tsirairay tao amin’ny kilasinay izahay ary nitafa ny amin’ny zavatra ataon’ny tsirairay amin’izao fotoana izao. Ny fitiavany sy fiahiany dia nisy fiantraikany nandritra ny fiainana iray manontolo.

Tiako ilay didin’ny Tompo hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempiahavanana hoe:

“Ary omeko anareo ny didy mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ny fanjakana.

“Mampianara amin’ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako.”6

Nampianatra tamim-pahazotoana i Lucy Gertsch satria tsy sasatra nitia izy.

Manomeza fanantenana sy fahamarinana

Ny Apôstôly Petera dia nanoro hevitra hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”7

Ny fanantenana lehibe indrindra azon’ny mpampianatra omena angamba dia ilay fanantenana hita ao amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

“Ary inona no hantenainareo?” Hoy i Môrmôna nanontany. “Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana.”8

Ry Mpampianatra, asandrato ny feonareo ary mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny tena toetran’ny Andriamanitra. Ambarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Ampahafantaro ireo fahamarinana be voninahitra sy kanto hita ao amin’ny drafitry ny famonjena. Ampiasao ireo fitaovana nankatoavin’ny Fiangonana, indrindra fa ny soratra masina, mba hampianarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny fahadiovany sy ny fahatsorany. Tsarovy ny didin’ny Tompo hoe “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.”9

Ampio ireo zanak’ Andriamanitra hahatakatra ny zavatra tena misy sy manan-danja amin’ity fiainana ity. Ampio izy ireo hampitombo ny hery hifidy ireo lalana izay hiaro azy ireo tsara eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Mampianara fahamarinana, dia hanampy anao amin’ireo ezaka ataonao ny Fanahy Masina.

“Mianara Amiko”

Satria nankatò tanteraka ary nanoa ny Rainy i Jesoa Kristy, dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona”10 Izy. Manana ny fahavononana hanao toa izany ve isika? Toa an’i Jesoa izay “nandray fahasoavana niampy fahasoavana,”11 dia tsy maintsy mikatsaka fahazavana sy fahalalana amim-paharetana sy amim-pikirizana isika amin’ny ezaka ataontsika hianatra ny filazantsara.

Singa iray manan-danja amin’ny fianarana ny fihainoana. Rehefa miomana ny ho ampianarina isika dia mivavaka mafy mba hikatsaka ny fitaomam-panahy sy ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina. Misaintsaina isika, mivavaka isika, mampihatra ireo lesona avy amin’ny filazantsara isika, ary mikatsaka ny sitrapon’ny Ray ho antsika.12

I Jesoa dia “nampianatra … tamin’ny fanoharana,”13 izay mitaky sofina hihaino, maso hahita, ary fo hahatakatra. Rehefa miaina amin-pahamendrehana isika, dia afaka maheno kokoa ny bitsiky ny Fanahy Masina, izay afaka “mampianatra [antsika] ny zava-drehetra, ary mitondra ny zava-drehetra ho amin’ny fahatsiarovan[tsika].”14

Rehefa mamaly ilay fanasana feno hatsaram-panahy nataon’ny Tompo hoe “Mianara amiko” isika, dia lasa mpandray anjara amin’ilay heriny masina. Aoka ary isika, handroso amin’ny fiezahana hanana ny fanahin’ny fankatoavana, hanaraka ilay ohatra ho antsika amin’ny alalan’ny fampianarana tahaka izay tiany hampianarantsika sy hianatra araka izay tiany hianarantsika.

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Ny Filoha Monson dia manasa antsika “hisaintsaina ireo ezaka mba hampianatra sy mba hianatra ary mba hitodika amin’ny Mpamonjy mba ho Mpitari-dalana antsika amin’ny fanaovana izany.” Azonao atao ny mandinika ny soratra masina miaraka amin’ireo izay vangianao mba hahitana hevi-baovao mikasika ny fomba nampianaran’i Jesoa Kristy sy nianarany. Azonao atomboka amin’ny sasany amin’ireo soratra masina nolazain’ny Filoha Monson izany, toy ny Matio 11:29, Jaona 5:30, ary ny Marka 4:2. Azonareo iarahana midinika ny fomba hanampiana anareo “ho mpandray anjara amin’ilay heriny masina” amin’ny alalan’ny zavatra nianaranareo.

Hamoaka printy