2016
Ôrdônansy sy Fanekempihavanana any amin’ny Tempoly
Jona 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jona 2016

Ôrdônansy sy Fanekempihavanan’ny Tempoly

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Nahoana no hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahy ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Ireo ôrdônansy rehetra ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana dia miaraka amin’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra. Nilaza i Linda K.Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fa “ny hoe manao sy mitandrina fanekempihavanana dia midika fa misafidy ny hamatotra ny tenantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.”1

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Hoy ny Tompo, ‘Ao amin’ireo ôrdônansy … no miharihary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.’

“Misy fitahiana miavaka avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay izay mendrika ka atao batisa sy mandray ny Fanahy Masina ary mandray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo.”2

“Rehefa mandeha any amin’ny tempoly ny lehilahy sy ny vehivavy,” hoy ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “dia samy tafiana hery mitovy izy ireo, izay ny herin’ny fisoronana …

“…Afaka mahazo io hery io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ho fanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo dia mendrika ny hahazo fanambarana manokana sy hahazo ny fampianaran’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’ Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.”3

Soratra Masina Fanampiny

1 Nefia14:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13; 97:8; 109:22

Tantara marina

Tamin’ny 2007, efatra andro taorian’ilay horohorontany mahery vaika tany Pérou, dia nihaona tamin’i Wenceslao Conde filohan’ny sampana sy ny vadiny Pamela ny Loholona Marcus B.Nash avy ao amin’ny Fitopololahy. “Nanontanian’ny Loholona Nash Rahavavy Conde hoe manao ahoana ireo zanany kely. Tamim-pitsikiana no namaliany fa noho ny famindrampon’ Andriamanitra dia tsy nisy naninona izy rehetra. Nanontany momba ny tranon’ny fianakaviana Conde ny Loholona Nash.

“‘Lasa,’ hoy izy namaly tamim-pahatsorana.

“… ’Kanefa ianao,’ hoy ny Loholona Nash, ‘dia mitsiky ery eto am-piresahantsika.’

“’Eny,’ hoy izy namaly, ‘Efa nivavaka aho ary mahatsapa fiadanam-po. Manana ny zavatra rehetra izay ilainay izahay. Manana anay izahay, manana ny zanakay, voafehy tany amin’ny tempoly izahay, manana ity Fiangonana mahafinaritra ity izahay, ary manana ny Tompo izahay. Afaka hanangana indray izahay miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.’ …

“Inona ao amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana miaraka amin’ Andriamanitra no manome hery antsika hitsiky ao anatin’ny fitsapana, ka hamadika ny fisedrana ho lasa fandresena … ?”

“Ny loharano dia Andriamanitra. Ny fahazoantsika io hery io dia amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika miaraka Aminy.”4

Fanamarihana

  1. Linda K. Burton, “Ny hery sy fifaliana ary fitiavana avy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2013, 111.

  2. Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny Fisoronana” Liahona, nôv. 2013, 92.

  3. M. Russell Ballard, “Lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny asan’ny Tompo” Liahona, apr. 2014, 48–49.

  4. Jereo ny D. Todd Christofferson, “Ny Herin’ny Fanekempihavanana,” Liahona, mey 2009,19, 20–21.

Eritrereto Ity

Ahoana ireo fomba ahafahan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny tempoly mampatanjaka sy manome hery antsika?

Hamoaka printy