2016
Ilay Raintsika, Ilay Mpampianatra antsika
Jona 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jona 2016

Ilay Raintsika, Ilay Mpampianatra antsika

Moa ve ianao efa nanokatra baoritra iray izay nahitana singan-javatra maro misaratsaraka, dia navoakanao ny torolalana mikasika ny fanambarana izany, ka nieritreritra ianao hoe: “Tsy mitombina ity zavatra ity”

Indraindray, na dia manana finiavana tena tsara sy fahatokiantena anaty aza isika, dia mamoaka singan-javatra iray ary manontany hoe: “Inona izao no ilana an’ity?” na hoe: “Ahoana no hahatafiditra tsara an’ity?”

Mihamitombo ny fahasorenantsika rehefa mijery ilay baoritra ary mahita toromarika iray milaza hoe: “Takiana ny fanatambarana ireo singa rehetra—ho an’ny 8 taona no ho miakatra.” Noho isika mbola tsy mahafantatra tsara izay tokony hatao, dia tsy mampitombo ny fahatokiantenantsika sy ny hambom-pontsika izany.

Miaina zavatra mitovitovy amin’izany isika ao amin’ny filazantsara indraindray. Rehefa mijery ny sasantsasany amin’ireo singa ao anatin’izany isika, dia mety hisafosafo ny lohantsika ary hanontany tena hoe inona no ilana izany singa izany. Na rehefa mandinika singa iray hafa isika, dia mety hahatsapa fa na dia taorian’ny fiezahana mafy mba hahatakatra izany tanteraka aza, dia mbola tsy azontsika foana hoe maninona no nampidirina tao io singa io.

Ny Raintsika any An-danitra no Mpampianatra antsika

Soa ihany fa nomen’ny Raintsika any An-danitra torolalana tena tsara isika mba hahafahantsika mandrindra ny fiainantsika sy manome ny tsara indrindra avy amintsika. Mandaitra ireo torolalana ireo na firy taona isika na firy taona ary na inona na inona toe-javatra iainantsika. Nomeny antsika ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nomeny antsika ny drafitry ny fanavotana, ny drafitry ny famonjena, eny ilay drafitry ny fahasambarana. Tsy navelany irery teo anatrehan’ireo ahiahy sy fanamby eo amin’ny fiainana isika ka nolazainy hoe: “Ireo ary. Dia mahereza. Ezaho takarina ao.”

Raha toa ka manana faharetana sy mijery amin’ny fo mietry ary saina misokatra fotsiny isika, dia ho hitantsika fa Andriamanitra dia nanome antsika fitaovana maro mba hahafahantsika mahazo tsara kokoa ireo torolalany feno ho an’ny fahasambarantsika eo amin’ny fiainana:

  • Nomeny ny fanomezana ny Fanahy Masina izay tsy voavidy vola isika, izay manana hery mba ho mpampianatra antsika manokana avy any an-danitra rehefa mianatra ny tenin’ Andriamanitra sy miezaka ny mampifanaraka ny saintsika sy ny asantsika amin’ny teniny.

  • Nomeny efatra amby roapolo ora isan’andro mandritra ny fito andro isika mba hifaneraserana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka amim-pinoana sy fitalahoana omban’ny tena finiavana.

  • Nomeny apôstôly sy mpaminany amin’izao vanim-potoana maoderina izao isika, izay manambara ny tenin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao ary manana ny fahefana hamatotra na hamehy ety an-tany sy any an-danitra.

  • Naveriny tamin’ny laoniny ny Fiangonany—fikambanana mpino izay miara-miasa mba hifanampy eo am-piasana amin-tahotra sy amim-pangovitana ary amin-kafaliana tsy manam-paharoa ho an’ny famonjena azy ireo.1

  • Nomeny antsika ny soratra masina—ilay Teniny izay nosoratana ho antsika.

  • Nomeny antsika ireo fitaovana tsy tambo isain’ny teknôlôjia maoderina izay manampy antsika eo amin’ilay dia ataontsika hahatongavana ho mpianatra. Ny ankamaroan’ireo fitaovana mahafinaritra ireo dia hita ao amin’ny LDS.org.

Nahoana no nomen’ny Raintsika fanampiana maro be toa izany isika? Satria tia antsika Izy. Ary satria Izy tenany dia niteny hoe: “Indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”2

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia Andriamanitsika ny Ray any An-danitra, ary mpampianatra antsika Andriamanitra.

Ny Raintsika any An-danitra dia mahafantatra tsara kokoa ny zavatra ilain’ny zanany noho ny olona hafa. Asany sy voninahiny ny manampy antsika lalandava, ka omeny fitaovana ara-nofo sy ara-panahy isika mba hanampiana antsika eo amin’ny diantsika miverina mankany Aminy.

Ny ray rehetra dia mpampianatra

Any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao, ny ray dia omen’ny fianakaviana sy fiaraha-monina voninahitra mandritra ny volana Jona. Tsara foana ny manome voninahitra sy haja ny ray aman-drenintsika. Ireo raim-pianakaviana dia manao zavatra tsara maro ho an’ny fianakavian’izy ireo ary manana toetra mendrika maro. Ny roa amin’ireo anjara asan’ny raim-pianakaviana eo amin’ny fiainan’ny zanany dia ny maneho ohatra tsara sy ny mijoro ho mpampianatra. Ny raim-pianakaviana dia manao zavatra mihoatra ny hoe miteny ny zavatra mety na ny tsy mety amin’ny zanany. Izy ireo dia manao mihoatra lavitra noho ny hoe manolotra boky ny zanany dia manantena ny hahatakaran’izy ireo amin’ny alalan’ny tenany manokana ny fiainana.

Ny raim-pianakaviana dia mampianatra ireo zanany sarobidy ary maneho amin’ny alalan’ny ohatra tsara avy amin’izy ireo ny fomba hiainana fiainana feno fahamarinana. Ireo raim-pianakaviana dia tsy mamela ny zanany ho irery fa mihazakazaka mamonjy azy ireo, manampy azy ireo hitraka raha sendra lavo. Ary indraindray rehefa hita fa izay no mahasoa, dia mamela ireo zanany handalo sedra ireo raim-pianakaviana noho ny fahatsapany fa izay no mety ho fomba iray tena tsara hianaran’izy ireo.

Mpampianatra avokoa isika rehetra

Raha manao izany ho an’ny zanany ireo raim-pianakaviana, ilay toe-tsaina amam-panahy hoe mampianatra dia zavatra iray ilaintsika atolotra an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra, na firy taona izy ireo na firy taona, na aiza na aiza misy azy ireo, ary na inona na inona toe-javatra iainan’izy ireo. Tsarovy fa ireo zanak’ Andriamanitra dia rahalahintsika sy anabavintsika. Mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray mandrakizay isika rehetra.

Eo anatrehan’izany, dia aoka isika ho mpampianatra avokoa—manam-piniavana hanohana sy hifanampy mba hivoahan’ilay tena maha-izy azy antsika. Noho isika zanak’ Andriamanitra, dia manana hery hahatongavana tahaka Azy isika. Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika, ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, ary ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Kristy no lalana ety sy tery ary mahafinaritra izay mitondra miverina eo anatrehan’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra.

Ilay Andriamanitr’izao tontolo izao aza tena mikarakara be tokoa antsika ary mpampianatra antsika mihitsy, ka angamba koa isika mba afaka manampy ireo mpiara-belona amintsika na inona na inona fihodirany sy fiaviany ary toe-javatra ara-tsôsialy sy ara-toekarena iainany ary na inona na inona fiteniny sy finoany. Aoka isika ho mpampianatra entanim-panahy ary hitahy ny fiainan’ny hafa—tsy ny zanatsika fotsiny ihany fa ny Zanak’ Andriamanitra rehetra manerana an’izao tontolo izao.

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny fanontaniana ireo izay ampianarinao mba hisaintsaina vetivety hoe oviana no nampianatra azy ireo ny Ray any An-danitra. Azonao atao avy eo ny manontany azy ireo hieritreritra zavatra mitovy tao anatin’izany fotoana izany sy ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo fa nampianaran’ireo rainy ety an-tany azy ireo. Asao izy ireo hanoratra ireo zavatra mitovy tao anatin’ny fomba nampianarana azy ireo. Azonao amporisihana izy ireo mba hanandrana hanao izay zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiezahana mba ho ohatra tsara kokoa ho an’ny hafa.

Hamoaka printy