2017
Nivavaka mba hahazo fiadanana
Febroary 2017


Zatovo

Nivavaka mba hahazo fiadanana

Monina any Arizona, Etazonia ny mpanoratra.

Matetika ny ray aman-dreniko manatrika fivoriana rehefa avy miangona, ka izaho no miandry ny zandriko telolahy sy manampy azy ireo manao sakafo antoandro—eny fa na dia matetika aza izy ireo no mora tezitra sy noana. Matetika rehefa manomboka miady izy ireo, dia afaka mamaha haingana ny olana madinika aho. Saingy indraindray dia sarotra ny mandamina rehefa izay efa manomboka izay ny ady satria lasa mitroatra aho.

Indray tolakandro dia tena tsy nety nifankahazo mihitsy ireo anadahiko. Tsapako ho vao mainka tsy nampilamina ny zava-nitranga ireo ezaka nataoko mba hampilamina satria tezitra aho. Noho izany dia nokarakaraiko ny sakafoko ary tsy niteny intsony aho. Farany niteny aho hoe: “Hivavaka aho izao. Azontsika atao ve ny mba mangina iray minitra azafady?” Rehefa nitony izy ireo, dia nivavaka aho mba hitsofana rano ilay sakafo. Mialoha ny namaranako ilay vavaka, dia nampiako hoe: “Ampio izahay mba ho mpampihavana.”

Tamin’ny voalohany dia toy ireny tsy henon’izy ireo ireny ilay izy ary nanomboka niady indray izy ireo. Sorena aho saingy fantatro hoe nila nitia sy tony araka izay tratrako aho satria vao avy nivavaka nangataka fiadanana. Afaka minitra iray dia nahatsapa ho tena tony aho. Nisakafo tao anatin’ny fahanginana aho, ary dia nitsahatra tsy niady izy roalahy tamin’ny farany. Tonga saina aho fa ilay fiadanana tsapako dia valin’ny vavaka tsotra iray. Nivavaka aho mba ho mpampihavana ary ny Ray any An-danitra dia nanampy ahy mba ho tony na dia nalaim-panahy hampiaka-peo aza aho. Fantatro fa tena afaka manome fiadanana ho antsika Izy.

Hamoaka printy