2017
Porofo maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ny Sorompanavotan’i Kristy
Febroary 2017


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2017

Porofo maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ny Sorompanavotan’i Kristy

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny fahatakarana fa ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika ny Zanany Lahitokana mba hananantsika ny tsy fahafatesana sy ny fahafahana ho mendrika ny fiainana mandrakizay dia manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra tsy misy fetra sy tsy hay takarina. Tia antsika koa ny Mpamonjy antsika.

“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? …

“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

“Na any ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jeso[a] Tompontsika” (Romana 8:35, 38–39).

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara izao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: “Ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fialany aina teo amin’ny hazo fijaliana dia manavotra antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fanefana ny fitakian’ny fahamarinana amintsika. Maneho famindram-po sy mamela heloka ireo izay mibebaka Izy. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy koa dia manefa ny trosa ananantsika amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fanarenana antsika tamin’izay fijaliana nozakaintsika tamim-pahatsoram-po. ‘Fa indro miaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama’ (2 Nefia 9:21; jereo koa ny Almà 7:11–12).”1

I Kristy dia “efa nanao tombo-kavatsa [antsika] eo am-pelatàna[ny].” (Isaia 49:16). Nilaza ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany Linda K. Burton hoe: “Izany fanehoam-pitiavana lehibe indrindra izany dia mitarika antsika tsirairay handohalika am-bavaka amim-panetren-tena mba hisaotra ny Raintsika any An-danitra izay nitia antsika tokoa ka nandefa ilay Zanany Lahitokana sy tonga lafatra mba hijaly ho an’ny fahotantsika sy ny fahoriantsika ary ireo zavatra rehetra izay toa tsy ara-drariny miseho eo amin’ny fiainantsika manokana.”2

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Jaona 3:16; 2 Nefia 2:6-7; reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, Mey 2013, 110.

  2. Linda K. Burton, “Moa ve voasoratra ao am-pontsika ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?” Liahona, nôv. 2012, 114.

Eritrereto Ity

Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy noho ny fanomezana ilay Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika?

Hamoaka printy