2017
Toy ny nitiavako anareo
Febroary 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2017

“Toy ny nitiavako anareo”

Taona maro lasa izay nisy namako iray antsoina hoe Louis izay nitantara tamiko tantara mahafinaritra momba ny reniny malalany izay nanana feo malefaka. Rehefa nodimandry izy dia tsy namela vola be ho an’ireo zanany fa kosa lova mifono harena miendrika ohatra, fahafoizan-tena ary fankatoavana.

Taorian’ireo lahateny fanaovam-beloma farany sy ny fandehanana tamin’alahelo teny amin’ny fasana, dia nijery ireo zavatra kely izay navelan’ny renin’izy ireo ity fianakaviana. Tao anatin’izany, i Louis dia nahita hafatra sy fanalahidy iray. Ilay hafatra dia nanazava hoe: “Ao amin’ny zoron’ny efitra fatoriako, ao amin’ny farany ambany amin’ny vatasarihako, dia misy boaty kely iray. Mirakitra ny haren’ny foko izany. Ity fanalahidy ity dia hamoha ilay boaty.”

Nisaintsaina avokoa ny rehetra hoe inona ary ny harena nananan’ny renin’izy ireo no dia nataony tao anaty vata mihidy.

Nalaina teo amin’ny toerana nisy azy ilay vata ary dia nosokafana moramora tamin’ilay fanalahidy. Raha nijery ny tao anatin’ilay vata i Louis sy ireo hafa, dia nahita ny sarin’ny ankizy tsirairay miaraka amin’ny anarana sy ny daty nahaterahan’izy ireo. Avy eo i Louis dia nisintona karatra Saint Valentin iray vita tanana. Ny soratra teo amin’izany dia sora-jaza, izay fantany fa soratanany. Novakiany ireo teny izay nosoratany 60 taona lasa: “Ry Neny malala! Tiako ianao.”

Tohina ny fo, nalefaka ny feo, ary nanganohano ny maso. Ny lova sarobidin’i Neny dia ny fianakaviany mandrakizay. Ny tanjak’izany dia niorina teo ambonin’ny fototr’ilay teny hoe “Tiako ianao.”

Eto amin’ity tontolo ankehitriny ity dia tsy misy toerana hafa tena ilana bebe kokoa izany fototra mafy orin’ny fitiavana izany mihoatra noho ny ao anatin’ny tokantrano. Ary tsy misy toerana tsara tokony hahitan’izao tontolo izao ohatra tsara kokoa maneho izany fototra izany noho ny ao anatin’ny tokantranon’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay manao ny fitiavana ho ivon’ny fiainam-pianakavian’izy ireo.

Ho antsika rehetra izay milaza fa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia nanome ity torolalana misy fiantraikany lavitra ity Izy:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”1

Raha te hitandrina ilay didy hoe mifankatiava isika dia tsy maintsy mifampitondra amin’ny halemem-panahy sy fanajana, maneho ny fitiavantsika eo amin’ny fifaneraserana ataontsika isan’andro. Ny fitiavana dia manolotra teny malefaka iray, valinteny feno faharetana, fihetsika tsy misy fitiavan-tena, sofina mahay mihaino, fo mahay mamela. Eo amin’ny fifandraisantsika rehetra amin’ny hafa dia ireo sy ireo fihetsika hafa mitovy amin’izany no hanampy antsika haneho ny fitiavana ao am-pontsika.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008), dia nanamarika hoe: “Ny fitiavana … dia ilay vazy misy volamena any amin’ny fiafaran’ny avana. Kanefa mihoatra noho ny fiafaran’ny avana izany. Ny fitiavana dia any amin’ny fiandohany ihany koa, ary avy aminy no mipoitra ny hatsaran’ireo andohalambo eny amin’ny lanitra amin’ny andro avy orana. Ny fitiavana no fiarovana italahoan’ ny ankizy, katsahin’ny tanora, sy ilay fatotra mamatotra ny fanambadiana, ary ilay mpandamina izay manakana ny disadisa mandrava ao an-tokantrano. Izy ilay fiadanana amin’ny fahanterana, ilay tara-pahazavan’ny fanantenana izay mamiratra manoloana ny fahafatesana. Manan-karena tokoa ireo izay miaina izany eo anivon’ny fianakaviany, ny namany, ny fiangonany, ary ny mpiara-monina aminy.”2

Ny fitiavana no tena fototry ny filazantsara, toetra mendrika indrindra eo amin’ny maha-olombelona. Fitiavana no fanafody manasitrana ireo fianakaviana, fiarahamonina, ary firenena marary. Ny fitiavana dia tsiky, kopa-tanana, teny feno hatsaram-panahy, ary fandokafana iray. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, fanompoana, ary tsy fitiavan-tena.

Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo. Karakarao amim-pahamendrehana sy amim-pankasitrahana izy ireo. Ry rahavavy, tiavo ny vadinareo. Karakarao amim-panajana sy amim-pankaherezana izy ireo.

Ry ray aman-dreny, tiavo ny zanakareo. Mivavaha ho azy ireo, ampianaro izy ary mijoroa ho vavolombelona amin’izy ireo. Ry zanaka, tiavo ny ray aman-dreninareo. Manehoa fanajana, fankasitrahana ary fankatoavana azy ireo.

Nananatra i Môrmôna fa raha tsy noho ny fitiavana madio an’i Kristy dia, “tsinontsinona [isika].”3 Ny vavaka ataoko dia ny mba hanarahantsika ny torolalana nomen’i Môrmôna manao hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga [antsika] anareo ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy.”4

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Nampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fanehoana ny tena fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny Filoha Monson, indrindra indrindra ao an-tokantrano. Azonao atao ny manasa ireo izay vangianao mba hivondrona amin’ny maha-fianakaviana azy ireo ary hiara-hidinika ireo fomba izay ahafahan’izy ireo maneho fitiavana amin’ny tsirairay. Azonao atao ny mamporisika azy ireo mba hisafidy iray amin’ireo hevitra ireo ary hanao drafitra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka izany amin’ny maha-fianakaviana azy ireo. Ohatra, ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia mety hikatsaka ny hanao asa soa miafina ho an’ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana isan-kerinandro. Azonao atao ny manontany azy ireo any amin’ny fiafaran’ny lesona mba hisaintsaina hoe nanao ahoana ny fitomboan’ny fitiavana ao an-tokantranon’izy ireo tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’izy ireo hanatratra ny tanjon’izy ireo.

Hamoaka printy