2017
Ireo mpaminany ho mpitarika antsika
September 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, septambra 2017

Ireo mpaminany ho mpitarika antsika

Taona vitsy lasa izay dia nipetraka tao amin’ny efitry ny tempolin’ny Salt Lake izay hihaonan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha isan-kerinandro aho. Nijery ny rindrina manandrify ny Fiadidiana Voalohany aho, ary dia hitako teo ny sarin’ireo Filohan’ny Fiangonana tsirairay.

Raha nijery azy ireo aho, dia ireo nialoha lalana ahy izany, nanomboka tamin’ny mpaminany Joseph Smith (1805–44) ka hatramin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008),dia nieritreritra hoe: “Feno fankasitrahana aho noho ny fitarihan’ny tsirairay tamin’izy ireo.”

Ireo dia lehilahy manana ny maha izy azy izay tsy mba voahozongozona, na nitakemotra na oviana na oviana, no sady nahita fahombiazana hatrany. Olon’ Andriamanitra ireo. Rehefa mieritreritra ireo mpaminanin’ny andro farany izay fantatro sy tiako aho dia mahatsiaro ny fiainan’izy ireo, ny toetran’izy ireo ary ireo fampianarany izay manentana ny fanahy.

Ny Filoha Hebert J. Grant (1856–1945) no filohan’ny Fiangonana tamin’ny fotoana nahaterahako. Raha mandinika ny fiainany sy ny fampianarany aho dia mino fa ny toetra iray izay nasehony hatrany dia ny faharetana, faharetana amin’ireo zavatra izay tsara sy andrianina.

Ny Filoha George Albert Smith (1870–1951) no filohan’ny Fiangonana nandritra ny fotoana nanompoako tamin’ny naha eveka ahy tao amin’ny paroasiko tany Salt Lake City. Nomarihany fa misy ady sy tolona lehibe eo amin’ny Tompo sy ny fahavalo. “Raha mitoetra aty amin’ny faritra misy ny Tompo ianareo,” hoy izy nampianatra, “dia ho eo ambanin’ny fitarihany ianareo ary tsy hanana faniriana hanao ny ratsy.”1

Nantsoin’ny Filoha David O McKay (1873–1970) ho mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy aho ny taona 1963. Nampianatra ny fiheverana ny hafa izy tamin’ny alalan’ny fomba fiainany. “Ny tena maha-kristianina” hoy izy “dia ny fitiavana aseho amin’ny asa”.2

Ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972), izay iray amin’ireo mpanoratra mahay indrindra an’ny Fiangonana dia nanana ny fianarana ny filazantsara ho fitsipika nitarika teo amin’ny fiainany. Namaky ny soratra masina tsy ankiato izy ary nahafantatra ireo fampianarana sy fotopampianarana hita ao anatin’ireo pejin’izany mihoatra noho izay fantatry ny olona hatramin’izay izy.

Ny Filoha Harold B. Lee (1899–973) no filohan’ny tsatokako fony aho ankizilahy. Ny teniny iray tena tiako dia ny hoe: “Mitsangàna amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina.”3 Namporisika ny Olomasina izy mba hihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina sy hanaraka izany.

Mino aho fa ny fanolorantena no fitsipika iray nitarika ny fiainan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985). Nanolotra ny tenany manontolo tsy nisy fisalasalana ho an’ny Tompo izy. Nanolotena hiaina ny filazantsara ihany koa izy.

Rehefa lasa Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia niantso ahy ho mpanolotsaina faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy. Ny fitiavana no fitsipika nitarika azy, izay hita taratra ao amin’ny teny nolazain’ny Mpamonjy tiany indrindra manao hoe: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”4

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia olona iray nijery hatrany ny tsara indrindra tany amin’ny hafa. Feno fanajana hatrany izy; feno fanetrentena hatrany izy. Voninahitra ho ahy ny naha-mpanolotsainy faharoa ahy.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra antsika mba hanao izay tsara indrindra vitantsika. Nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy sy ny anjara asany izy. Nampianatra antsika tamim-pitiavana izy. Voninahitra sy fitahiana ho ahy ny naha-mpanolotsainy voalohany ahy.

Ny Mpamonjy dia manome mpaminany antsika satria tiany isika. Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny volana ôktôbra, ireo Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana dia hanana fahafahana lehibe hizara ny teniny. Raisinay amim-pahamatorana sy amim-panetrentena izany andraikitra izany.

Tena voatahy isika fa eto an-tany ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny ary ny Fiangonana dia miorina eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana. Fanambarana mitohy no singa fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Enga anie isika hiomana ny handray fanambarana manokana izay mirotsaka be dia be mandritra ny fihaonamben’ny fiangonana. Enga anie ny fontsika ho feno fahavononana lalina rehefa manangana ny tanantsika isika hanohana ireo mpaminany sy apôstôly velona. Enga anie isika ka handray fahazavana, hahazo faharisihana, hahazo fankaherezana, ary hahazo hery rehefa mihaino ny hafatr’izy ireo. Ary enga anie isika ho vonona ny hanavao ny fanolorantenantsika ho an’ny Tompo Jesoa Kristy, ny filazantsarany sy ny asany, ary ny hiaina miaraka amin’ny fahavononana nohavaozina ny hitandrina ny didiny sy hanaraka ny sitrapony.

Hamoaka printy