2017
Fanomezam-boninahitra tamin’ny fandevenana ny Loholona Robert D. Hales
Fahatsiarovana: Loholona Robert D. Hales


Fanomezam-boninahitra tamin’ny fandevenana ny Loholona Robert D. Hales

6 ôktôbra 2017, Tabernakelin’i Salt Lake

Sary
funeral for Robert D. Hales

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

“Hahatsiaro sy ho manina ny Loholona Robert D. Hales, namako malala, aho. Niara-nanompo nandritra ny 40 taona mahery tamin’ny andraikitra sy kômity isan-karazany izahay tamin’ny naha-Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana anay. Nandritra ireo taona maromaro lasa, dia nipetraka teo akaikiny aho tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Hotsarovana tokoa ny hakingan-tsain’ny Loholona Hales sy ny fanamarihana ataony izay tena mahatsikaiky indraindray. Ny toroheviny feno fahendrena sy ireo hevitra lalina narosony … dia hotsarovantsika rehetra fatratra ihany koa. …

“Tamin’ny volana Aogôsitra 1991 no niseho voalohany ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka teo amin’i Bob …

“Nanomboka teo, dia nifandimby niseho ireo olana ara-pahasalamana. Rehefa nipetraka teo akaikiny aho nandritra ireo taona maro ireo, dia nahita ny herim-po lehibe sy ny fanoloran-tena feno nasehon’ i Robert D. Hales. Im-betsaka aho no nanatona azy sy nikasika ny sandriny ary nandray ny tanany, ka mba nahatsapa kely ny fanaintainana sy fahasahiranana niainany. …

“Hatramin’ izay ity namako malala dia maherifo ho ahy, ary fantatro fa ankehitriny izy dia efa anaty fitsaharana sy fiadanana miaraka amin’ ireo ray aman-dreny malalany, … sy ireo havany hafa, ary indrindra indrindra amin’ny fiverenany hiaraka indray amin’ ireo Ray aman-dreniny any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy malalany, izay nanolorany ny tenany manontolo amin’ny maha Apôstôly nofinidiny azy.”

Ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

“Ny Loholona Hales dia mpikambana sarobidy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny 23 taona mahery. Tsy ho voatanisa ny anjara biriky nentiny tamin’ny Fiangonana manontolo sy ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Kôlejy. Tsy nitandro hasasarana izy tamin’ny asa fanompoana nataony. Nandritra ny 42 taona sy tapany naha-Manampahefana Ambony azy, dia saika efa nandraisany anjara avokoa ny filankevitra sy ny kômity rehetra tao amin’ny foiben’ny Fiangonana. Ny fahendreny sy ny hevitra natolony ary ny fitarihany dia nisy fiantraikany laliny teo amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra maneran-tany. …

“… Ny faniriny lalina dia ny hikololoko sy hikarakara an’ i Mary sy ny hanompo ny fianakaviana malalany sy ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary ny ho mpianatra be herim-pon’ny Tompo, izay najainy tamim-pitiavana.

“Nampiaiky volana ny fikirizan’ i Bob nanoloana ireo olana ara-pahasanamana natrehany. Nandroso hatrany izy na dia teo aza ireo fiantraikany tena nahaketraka nentin’ ireo olana tsy an-kijanona teo amin’ny fahasalamany. Izahay izay nanara-maso azy dia nanontany tena hoe ahoana no nahafahany nanao izany? …

“… Tamin’ny herim-pon’ny mpanamory fiaramanidina fitondra miady, sy tamin’ny fikirizan’ny mpanao fanatanjahan-tena ikoizana ary tamin’ny fanetrentena sy fanoloran-tenan’ny mpianatry ny Tompo no nanatanterahan’ny Loholona Hales ny asa nanirahana azy tamin’ny fiainany tamin’ny fomba tena mendri-piderana indrindra. Nahomby tamin’ireo fitsapana teto amin’ny fiainana an-tany izy ary lasa nody tamin’ny voninahitra avo indrindra.”

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

“Nandinika ny Loholona Hales aho sy niara-niasa taminy ary nianatra avy taminy. Niara-niaina traikefa izay nampivelatra sy nampatanjaka anay izahay ary tao koa ireo izay nizaha toetra anay. Nianatra taminy hatrany aho ary nahita azy nitombo hery ara-panahy.

“Nisy fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray izay toa nananany hatramin’ izay nahafantarako azy. Ny fanomezam-pahasoavana mba ho namana tena mahatoky izany. Mety hoheverinareo hoe hery tsy manan-danja izany. Kanefa ny Tompo mihitsy no nilaza teny fanomezam-boninahitra ho an’ ireo Apôstôliny tamin’ny teny mitory finamanana. …

“… Nataon’ny Tompo mazava tsara hoe inona no hery miaraka amin’ny namana iray toy izany, izay mahafoy izao tontolo izao ho an’ny asa fanompoana ny Tompo:

“’Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88). …

“Manantena aho fa ireo taranaky ny Loholona Hales sy ireo rehetra tia azy dia handray ireo tenin’ny Tompo ireo, rehefa mamaky izany, ho toy ny mamariparitra an’ i Robert D. Hales, izay namana sy mpianatra tena mahatoky. …

“… Izaho dia nanatri-maso ny fahombiazany tamin’ireo fitsapana ny fahatokiany araka izay fantany fa notakian’ Andriamanitra namany.”

Hamoaka printy