2017
Loholona Robert D. Hales: Fiainana mahate-hidera
Fahatsiarovana: Loholona Robert D. Hales


Loholona Robert D. Hales: Fiainana mahate-hidera

“Ô, raha mba nanana ny feo sy ny trompetran’ny anjely aho mantsy ka afaka nilaza tamin’ny olombelona rehetra fa nitsangana tamin’ny maty [i Jesoa Kristy] ary velona Izy; fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, ilay Mesia nampanantenaina, Mpanavotra sy Mpamonjy antsika; fa tonga teto amin’ity tontolo ity Izy hampianatra ny filazantsara tamin’ny alalan’ny ohatra. Ny asa masina nanirahana Azy dia natao ho anao sy ho ahy mba hankanesana any Aminy, ary Izy dia hitarika antsika ho ao amin’ny fiainana mandrakizay.”1

Sary
Robert D. Hales and his wife, Mary

Fonony: Sary nalain’i Stuart Johnson, Deseret News

Fony mpanamory fiaramanidina mpiady tao amin’ny tafika ana habakabaka Amerikana ny Loholona Robert D. Hales nandritra ny taona 50, dia namorona teny filamatra iray ny vondrona nisy azy mba hanentana ny saina amam-panahin’izy ireo amin’ny andraikiny.

“Ny teny filamatry ny vondrona nisy anay, izay natao niariary teo amin’ny lafin’ny fiaramanidina nentinay, dia hoe -Miverina amim-boninahitra,-” hoy ny Loholona Hales tamin’ireo mpihazona ny fisoronana tamin’ny 1990 fony izy Eveka Mpiahy. “Io teny filamatra io dia fampahatsiahivana anay tsy tapaka ny fahavononanay tsy hiverina amim-boninahitra any amin’ny tobimpamaharana niavianay raha tsy efa avy nanao izay ezaka rehetra azonay natao mba hanatanterahana amim-pahombiazana ny lafin-javatra rehetra tamin’ny iraka nampanaovina anay.”2

Sary
Robert D. Hales as pilot with plane; as businessman

Ny Loholona Hales, izay niresaka matetika mikasika ny fiverenana amim-boninahitra, dia nino fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia afaka mahazo fanampiana mandritra ny dia ataon’izy ireo mandrakizay amin’ny alalan’ny fampiharana io teny filamatra io eo amin’ny fiainany. Koa satria famitàna iraka ny andro tsirairay eo amin’ny fiainana, dia nampianatra izy fa “Mila mahatsiaro ny maha-isika antsika isika sy mahatsiaro ny tanjontsika mandrakizay mba -hiverina amim-boninahitra,- miaraka amin’ny fianakaviantsika, ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra.”3

Tao anatin’ny andraikiny amin’ny maha-vady sy raim-pianakaviana, tale ara-barotra, ary Manampahefana Ambony azy tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nandritra ny 40 taona mahery, dia tadidin’ny Loholona Hales hoe iza moa izy ka dia nanao asa nifanaraka tamin’izany izy. Ary tamin’ny alalan’ny fahatokiany, ny fankatoavany, ny fahazotoany, ary ny fanompoany no nanehoany tamin’ny alalan’ny ohatra ny teny filamatry ny vondrona nisy azy nandritra ny fiainany teto an-tany.

Fianakaviana mifanakaiky am-po

Sary
Robert D. Hales with his parents and siblings; as a child

I Robert Dean Hales dia teraka tao New York City, Etazonia, tamin’ny 24 aogositra 1932, ary izy no fahatelo tamin’ny zanaka telo naterak’i J. Rulon Hales sy i Vera Marie Holbrook Hales. Lehibe tany akaikin’i Long Island tao anatin’ny tokantrano nifantoka tamin’ny filazantsara izy. Nanompo tao anatin’ny antsom-piangonana isan-karazany ireo ray aman-dreniny, ka tao anatin’izany dia efa misiônera teo anivon’ny tsatòka izy ireo, ary isaky ny alahady dia nanao dia 32,19 km ilay fianakaviana mba hivavaka tao amin’ny Paroasin’i Queens.

“Fianakaviana nifanakaiky am-po izahay,” hoy ny Loholona Hales nitantara. Nantsoiny hoe “toerana tena tsara hitomboana” ny tokantrano nisy azy fony izy zazalahikely, ary “loharano hanovozana hery” ny fianakaviany.4

Ny ohatra tsara nasehon’ireo ray aman-dreniny dia lasa fahatsiarovana izay nitarika azy teo amin’ny fiainany.5 “Niaina ny filazantsara izy ireo, nandalina soratra masina, ary nijoro ho vavolombelona momba an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany,” hoy ny Loholona Hales. “Nijoro ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith ihany koa izy ireo.”6

Mbola kely izy dia nianatra fa “ny fanalahidin’ny fanatanjahana ny fianakaviantsika dia ny fahatongavan’ny Fanahin’ny Tompo ao an-tokantranontsika.”7

Ny reniny, izay nanompo 30 taona mahery tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nampianatra an’i Robert ny atao hoe fitiavana sy asa fanompoana rehefa nitondra azy niaraka taminy mba hanompo ireo mahantra sy sahirana.8 Ny rainy, izay mpahay kanto matihanina tao New York City, dia nampianatra lesona tsy hay hadinoina an’i Robert momba ny fisoronana sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Indray mandeha i Robert dia nentiny tany amin’ny Reniranon’i Susquehanna, izay toerana nandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Fisoronana Aharôna avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa. Indray mandeha koa dia nentiny tany amin’ilay Alakely Masina i Robert.

“Niara-nivavaka tao amin’ilay alakely izahay dia nilaza ny fanirianay mba ho marina sy mahatoky amin’ny fisoronana izay nohazoniny,” hoy izy nitantara. “Taty aoriana i dada dia nanao sary hosodoko ilay toerana izay nivavahana dia nanome izany ahy ho fahatsiarovana ny fampanantenana niarahanay nanao tamin’izay andro izay. Mihantona ao amin’ny biraoko izany ankehitriny ary mampahatsiahy ahy isan’andro an’ilay traikefa masina azoko sy ilay fampanantenana masina nataoko niaraka tamin’ilay raiko teto an-tany sy ny Raiko any An-danitra.”9

Sary
Robert D. Hales as young baseball player; in Dodgers uniform

Mpilalao baseball i Robert fony tanora, ary taty aoriana izy dia nilalao tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy tao amin’ny oniversite, ary tamin’ny taona 2007 izy dia nanipy ny baolina voalohany fanokafana ny lalao tamin’ny lalao matihanina iray.

Sary nalain’i Sonja Eddings Brown

Fony izy tovolahy dia tia nilalao baseball i Robert, ary taty aoriana dia nilalao ho an’ny Oniversite an’i Utah. Tao anatin’ny fiarabe mpitatitra rehefa nandeha nody taorian’ny lalao voalohany tany ivelan’ny tanàna izay nataony niaraka tamin’ny ekipan’ny oniversite izy, dia rikoriko tanteraka izy, izay tao amin’ny taona fahasivy noho ny sasantsasany tamin’ireo fitondrantena sy fomba fiten’ireo namany tao amin’ny ekipany. Mba hampaherezana an’i Robert, dia nanao sarina “chevalier” iray ho azy ny rainy.

“Rehefa nanao sary izy sady namaky ny soratra masina, dia nianatra ny fomba hahatongavana ho mpihazona ny fisoronana mahatoky aho, mba hiaro sy hiady ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny tenin’ny Apôstôly Paoly no fitarihana ho ahy” (jereo ny Efesiana 6:13–17).

Rehefa nisaintsaina izany lesona izany ny Loholona Hales taona maro taty aoriana, dia nampianatra izy hoe: “Raha mahatoky amin’ny fisoronana isika, dia homena antsika izany fiadiana izany izay fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Mila izany fiadiana izany isika!”10

Nianatra toetra manan-danja hafa avy amin’ny ohatra nasehon’ny rainy ny Loholona Hales.

“Nianatra ny fanajana ny vehivavy avy tamin’ny fikarakaran’ny raiko ny reniko, sy ny anabaviko, ary ireo anabaviny tamim-pitiavana aho,” hoy izy. Taorian’ny fahatapahan’ny lalandra madinika nahazo ny renin’ny Loholona Hales, dia lasa ohatra tsy adinon’ny Loholona Hales mihitsy ny “fikarakarana tamim-pitiavana [nataon-drainy] ho an’ilay namana malalany” tao anatin’ireo roa taona farany niainany. “Nilaza tamiko izy fa sarany kely hanonerana ireo dimampolo taona mahery nanokanan’ny reniko tena tamim-pitiavana ho azy izany.”11

Ny tombony tsara indrindra nananany

Rehefa nody avy nianatra tao amin’ny oniversite i Robert tamin’ny 1952, dia nihaona tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Mary Crandall izy, ary ny fianakavian’i Mary dia nifindra vao haingana tao New York avy tany Californie. Nifankatia avy hatrany izy roa.

“Raha vao nihaona taminy aho dia tsy nandeha nampiaraka tamin’olon-kafa intsony,” hoy ny Loholona Hales nitantara.12

Rehefa tapitra ny fotoam-pahavaratra, dia samy niverina nianatra tany Utah izy roa. Nianatra tao amin’ny Oniversite an’i Utah i Robert raha toa kosa ka nandeha tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young i Mary, saingy tsy navelan’izy ireo hampisaraka azy ny elanelan-tany. Fotoana fohy taorian’ny nifaranan’ilay taom-pianarana dia nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo ny 10 jona 1953. Tao anatin’ireo dimy taona taorian’izay dia nanan-janaka lahy roa izy ireo, dia i Stephen sy i David.

Sary
Robert and Mary Hales on wedding day; Robert and Mary with their sons

Rehefa nahavita ny fianarany i Robert tamin’ny 1954, ary nahazo diplaoma tamin’ny serasera sy ny raharaha ara-barotra, dia nandeha nanao fanompoana miaramila tamin’ny fotoana feno tao amin’ny tafika ana habakabaka izy ho mpitondra fiaramanidina mpiady. Rehefa tapitra ny asa fanompoany tokotokony ho efatra taona teo, dia nentiny niala tao Floride nankany Massachusetts ny fianakaviany mba hanohizany ny fianarany ka hakany maîtrise en administration des affaires. Raha mbola nampitombo ny fahaizany tao amin’ny Harvard Business School izy, dia nantsoina ho filohan’ny kôlejin’ny loholona. Izay no hany fotoana teo amin’ny fiainany izay nanontaniany tena raha tokony hanaiky ny antso iray ao amin’ny Fiangonana izy.

“Mety azo heverina ny tsy hahombiazako amin’ny fianarako raha lasa filohan’ny kôlejin’ny loholona aho,” hoy izy tamin’i Mary.

Novalian’i Mary tamin’ny teny izay hanampy azy mandritra ny androm-piainany izany hoe: “Bob a! Aleoko manana mpihazona ny fisoronana mavitrika toy izay manana lehilahy manana maîtrise avy ao Harvard.” Dia nosakambininy izy ary nampiany hoe: “Samy ataontsika izy roa.”13

Dia nanao izany tokoa izy ireo.

Ny ampitson’izay dia nasian’i Mary rindrina manasaraka ny ampahany tamin’ilay lakavy tsy mbola vita tao amin’ny tranon’izy ireo mba hananan’i Robert toerana hianarana sady tsy voaelingelina.

“Napetrako teo am-pelatanan’ny Tompo ny tenako rehefa nandray izany fanapahan-kevitra izany aho” mba hanaiky ilay antso, hoy ny Loholona Hales 30 taona taty aoriana. “Sarotra lavitra ny nandray izany fanapahan-kevitra izany tamin’izany fotoana izany raha ampitahaina amin’ny fotoana nanekeko, taona maromaro taty aoriana, an’ilay antso mba ho lasa Mpanampy ny Roambinifololahy ka namelako ny asako teo amin’ny raharaham-barotra.”14

Taona maro taty aoriana, rehefa lasa tsy nanana olana ara-bola ny fianakaviany, dia nieritreritra ny hividy palitao lafo vidy ho an’i Mary ny Loholona Hales. Rehefa nanontany an’i Mary izay heviny momba ilay fividianana akanjo nokasainy atao i Robert dia nanontany i Mary hoe: “Ho ahy ve sa ho anao no hividiananao ity?”

Nantsoin’ny Loholona Hales hoe “lesona tsy hay hadinoina” ny fanontanian’i Mary. Hoy izy hoe: “Amin’ny teny hafa dia te hanontany izy hoe: -Te haneho amiko ny fitiavanao ve ianao sa te haneho amiko fa mahavelona tsara ianao sa te hanaporofo zavatra hafa amin’izao tontolo izao no anton’ity fanomezana ity?- Nisaintsaina izany fanontaniany izany aho ary tonga saina avy eo hoe tsy dia nieritreritra loatra momba azy sy ny fianakaviako aho fa ny amin’ny tenako ihany no tena betsaka.”15

Niaiky ny Loholona Hales fa ny vadiny no tombony tsara indrindra nananany.16 “Tsy ho toy izao mihitsy aho raha tsy nisy azy;” hoy izy. “Tena tiako tokoa izy. Manana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izy. Miara-mamaky soratra masina izahay, ary maro amin’ireo hevitra ampianariko no azoko satria nanao fiaraha-mandalina sy fiaraha-mivavaka izahay. Izay no antony nahatonga ahy ho toy izao.”17

Nolazain’ny Loholona Hales fa avy amin’ny fifandraisan’izy ireo toy ny ekipa mpiara-miasa no niavian’ny ankamaroan’ny zavatra tontosan’izy sy i Mary. “Efa ekipa mpiara-miasa foana izahay hatramin’izay ary mbola ho toy izany hatrany. Raha ny hevitro dia ny fihainoana ny vadiko, aorian’ny fihainoana ny Fanahy Masina no fitaomana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako hatrizay.”18

Sary
Robert D. Hales with Mary in front of temple; with Mary and President and Sister Kimball

“Ho maro ny asa hanirahana anao”

Rehefa nahavita ny MBA nataony i Robert tamin’ny 1960, dia vetivety dia tojo fahafahana hiasa maromaro izy. Nandritra ireo 15 taona taorian’izay dia mpiasa nanana toerana ambony tao amin’ny orinasa goavana maromaro tao Etazonia izy. Nitondra azy sy ny fianakaviany tany amin’ny tanàn-dehibe Amerikana maromaro sy tany Angletera, Alemana, ary Espana ny asa ara-barotra feno fahombiazana nataony. Ireo fifindrana ireo dia nahatonga azy hahazo antso teo amin’ny sehatry ny fitarihana tato am-piangonana, izay neken’i Robert an-tsitrapo.

Tao amin’ny fiadidian’ny sampana izy tao Espana, Alemana, ary tao Etazonia tao Georgie sy Massachusetts. Eveka tao Francfort, Alemana sy tao Massachusetts ary Illinois, Etazonia izy. Mpikambana tao amin’ny filankevitra avo tao Londres Angletera, sy Boston, Massachusetts izy, ary tao amin’izany toerana izany koa izy dia tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Solontenam-paritra izy tao Minnesota sy Louisiane, Etazonia.

Tamin’ny 1975, raha nanatrika filankevi-pitantanana ara-barotra i Robert, dia naharay filazana an-tsoratra fa niantso azy tamin’ny telefaonina ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988), izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany. Rehefa namaly ilay antso an-tariby i Robert dia niantso azy ho filohan’ny misiôna ny Filoha Romney. Nanaiky ilay antso i Robert, saingy talohan’ny nahafahany niantsoroka ny andraikiny ny faramparan’izay taona izay mba ho filohan’ny Misiônan’i Londres Angletera, dia naharay antso hafa avy any Salt Lake City izy, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia avy tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) izany.

“Tsy mampaninona anao ve raha mangataka anao hanompo elaela kokoa noho ny telo taona izahay?” Hoy ny Filoha Kimball nanontany. Rehefa avy nilaza i Robert fa tsy mampaninona azy ilay izy, dia niantso azy ho mpanampy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy.

“Nilaza tamiko ny Filoha Kimball hoe fantany fa diso fanantenana aho satria te handeha hanompo amin’ny maha-filohan’ny misiôna aho,” hoy ny Loholona Hales. Kanefa nanome toky azy ny Filoha Kimball hoe “Aza manahy ny amin’izany. Ho maro ny asa hanirahana anao.”19

Herintaona taty aoriana dia nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ny Loholona Hales. Tao anatin’izany andraikitra izany telo taona taty aoriana, dia nantsoina indray ho filohan’ny Misiônan’i Londres Angletera izy ary avy eo dia mpanara-maso ny faritra tao Eorôpa, niara-niasa tamin’ny Loholona Thomas S. Monson mba hametraka ny filazantsara tany amin’ireo firenena izay tsy azon’ny Fiangonana nidirana ary hanohy ny fanamboarana ny tempoly iray tao Alemana Atsinanana.20

“Tonga nandritra ny telo taona voalohany naha-Manampahefana Ambony ahy ny iray amin’ireo fifaliana lehibe azoko rehefa nanampy tamin’ny famolavolana drafitra hanaovana fihaonambem-paritra fito amby roapolo aho,” hoy ny Loholona Hales. “Tiako ny niara-nandeha tamin’ireo Fiadidiana Voalohany, ny Apôstôly, ny Manampahefana Ambony, ary ireo mpitarika hafa sy ny fahafahana mahafantatra azy ireo sy ny vadiny. Nahatalanjona ny nijery ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara tao amin’ny firenena samy hafa.”21

Tamin’ny 1985 dia nantsoina ho Eveka Mpiahy ny Fiangonana ny Loholona Hales. Ny traikefany arak’asa ny fahaizany mitantana amim-panajana, ary ny fomba fanaovany fifampiraharahana, sy ny fitiavany ny olona dia nahatonga azy ho mendrika tsara an’ilay antso.

Sary
Robert D. Hales with Mary and others at Freiberg temple dedication

Nanampy tamin’ny fanomanana ny olona amin’ny hisian’ny tempoly iray tao Alemana Atsinanana ny Eveka Mpiahy Hales. Izy sy i Mary Hales (eo afovoany) niaraka tamin’i (avy any ankavia mankany ankavanana) Emil Fetzer izay mpahaimari-trano, Elisa Wirthlin, Loholona Joseph B. Wirthlin, Frances Monson, ary ny Loholona Thomas S. Monson tamin’ny fanokanana ny tempoly tamin’ny 1985.

Niara-nanompo tamin’ny Loholona Hales tao amin’ny Episkôpà Mpiahy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Nantsoiny hoe mpanao raharaham-barotra tena hendry sy tsotra ary mahatoky ny Loholona Hales izay tia miraharaha olona ary nahafantatra ny fomba hanatontosana ny zavatra tokony natao. “Nentiny tao amin’ny fiadidian’ny Episkôpà Mpiahy ireo toetra tsara ireo,” hoy ny Filoha Eyring.22

“Tena tsy misy fitaka tokoa izy,” hoy i Mary vadiny. “Manana fo madio izy ary maniry ny hanao izay tsara fotsiny ihany.”23

Anisan’ny fotopampianarana nohamafisin’ny Loholona Hales fony izy Eveka Mpiahy ny fitsipiky ny fifanampiana. “Ampaherezo aho, dia ampahereziko ianao, dia hiara-hivoatra isika,” hoy izy matetika rehefa mindrana ny ohabolana tiany indrindra.24

Nivavaka izy mba “hahafantara[n’ny Olomasina] fa manana ny hery sy ny andraikitra hanampy ireo sahirana isika, amin’ny maha-anjely mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo antsika, fa hotiavina isika satria tia, hampiononina isika satria be fangorahana, havela heloka isika satria naneho ny fahafahana hamela heloka.”25

Fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona

Rehefa notohanana ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Hales sivy taona taty aoriana tamin’ny 02 Aprily 1994, dia nahatonga azy nahatsapa ahiahy ny antsony vaovao.

“Iraika ambin’ny enimpolo taona aho izao ary lasa zazalahikely indray,” hoy izy nandritra ny lahateny voalohany nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany rehefa Apôstôly izy. “Misy lehilahy maromaro mipetraka eto amin’ity lampihazo ity izay efa Apôstôly sy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny antsasaky ny taonako.”

Nilaza izy fa dingana ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Dingan’ny fibebahana sy ny fanetrentena, mba hijery ny ao anaty araka ny nampianarina anay sy hangataka famelan-keloka sy hery mba ho tonga tahaka izay tokony hahatongavako.” Nangataka ny vavaky ny Olomasina izy mba hahafahany “manefy ny hery ara-panahy ilaina mba hahafahan’ny feoko sy ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Tompo manentana ny fon’ireo izay handre.”26

Nandritra ny 20 taona mahery dia nanentana ny fon’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Loholona Hales momba ny Mpamonjy amin’ny maha-apôstôly azy sy ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fampianarany dia nahitana foto-kevitra toy ny fianakaviana sy ny finoana, ny fitsapana sy ny fijoroana ho vavolombelona, ny fitiavana sy ny fahari-po, ny asa fanompoana sy ny fankatoavana, ny fahamarinan-toetra sy ny fahafahana misafidy.

Rehefa nampianatra momba ny fampiasana ny fahafahana misafidy amim-pahendrena ny Loholona Hales dia nizara tantara iray momba ny namana iray niara-nanompo taminy tany amin’ny tafika ana habakabaka.

“Teo am-piofanako ho lasa mpitondra fiaramanidina mpiady, … dia nizatra nanapa-kevitra aho hoe rahoviana no hitsambikina hanala ny tenako ao amin’ny fiaramanidina iray rehefa mirehitra ny jiro mampitandrina ny fisian’ny afo ary manomboka mihodinkodina tsy hay fehezina intsony ny fiaramanidina entiko,” hoy izy nitantara. “Tadidiko ny namana malala iray izay tsy nanao izany fiomanana izany. Nitady fomba tsy hanatrehana ny fiofanana tamin’ny fampiasana simulateur izy ary avy eo dia nandeha nilalao golf na nandeha nilomano. Tsy nianatra mihitsy ireo dingana tokony harahany raha sendra loza izy! Volana vitsy taty aoriana dia nisy afo nivoaka tao anatin’ny fiaramanidina nentiny, ary nihodinkodina nidina hianjera amin’ny tany ilay izy sady nirehitra be. Rehefa nahita ilay jiro nampitandrina ny fisian’ny afo ilay namany izay mbola zandriny, ary noho izy efa namolavola mialoha izay ho fihetsika hataony ho setrin’izany, dia fantany ny fotoana tokony hitsambikinany hiala ilay fiaramanidina dia hitsambikina amin’ny elon’aina mba ho voaro. Saingy ilay namako izay tsy niomana handray izany fanapahan-kevitra izany dia nijanona tao amin’ilay fiaramadina ka dia maty tao anatin’ilay fianjerana.”

Ny fahafantarana ny zavatra tokony hatao sy ny fotoana tokony hanaovana zavatra rehefa misy safidy goavana mipoitra tampoka dia mety hisy vokany mandrakizay, hoy ny loholona Hales nanampy izany.27

“Taminizaho zazalahikely avy tao New York, dia lehibe tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa nahitana olona an’arivony vitsivitsy aho ary izaho no iray tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana roa na telo monja tao. Nandritra ny fivoriana iray fankalazana ny faha-50 taona, dia tadidin’ny mpiara-mianatra tamiko taloha iray ny fomba niainako araka ny soatoavina notandremako sy ny zavatra ninoako. Tonga saina aho tamin’izay fa hay ny fandikana indray mandeha ny Tenin’ny Fahendrena na ny fandikana ireo soatoavina ara-pitondrantena dia mety ho nidika hoe tsy ho afaka nilaza mihitsy aho hoe -Izao no zavatra inoako- dia hatoky ahy ireo namako.

“Tsy afaka mizara ny filazantsara mihoatra ny halehiben’ny fomba hiainantsika izany isika.”28

Nandritra ireo taona namaramparana ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Hales dia namporisika ny Olomasina izy hiaina mba ho mendrika “ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay miavaka tokoa.”29 Namporisika ny mpikambana ihany koa izy hanatsara ny maha-mpianatra azy ireo amin’ny alalan’ny fahatongavana ho Kristianina tsaratsara kokoa, izay manana fahasahian’ny Kristianina, ary mijoro ho mafy orina amin’ny toerana masina.

“Izao no antson’i Kristy amin’ny Kristianina rehetra ankehitriny: ‘Fahano ny [zanak’]ondriko. … Fahano ny ondriko’—zarao na amin’ny tanora na amin’ny antitra ny filazantsarako, ary ampioreno izy ireo, omeo fitahiana, ankaherezo, ary hatsangano, indrindra ireo izay manana fomba fisainana sy finoana samy hafa amin’ny antsika” hoy izy nampianatra.30

Sary
Robert D. Hales visiting with Boy Scouts

Sary nalain’i Jeffrey D. Allred, Deseret News

Mahakasika ireo izay “[maniry antsika] hidina avy eny amin’ny toerana avo … ary hiaraka amin’izy ireo hiady hevitra momba ny fivavahana tahaka ny mpilalao baolina lavalava miady baolina ao anaty fotaka,” dia nanoro hevitra ny Olomasin’ny Andro Farany ny Loholona Hales mba hamaly izany amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy hiaro ny Mpamonjy.

“Mampiseho ny fitiavany isika, izay hany hery afaka hanohitra ny fahavalo sy hamaly ireo mpanendrikendrika antsika kanefa tsy amin’ny fanendrikendrehana azy ireo. Tsy fahalemena izany. Fahasahian’ny Kristiana izany.”31

Tahaka ny Mpamonjy izay “natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona” (Isaia 53:3; Môsià 14:3) mihitsy no mety hiainan’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany koa tsy fahatakarana sy tsikera ary fanendrikendrehana. “Tombontsoa masina ho antsika ny mijoro miaraka Aminy!” Hoy ny Loholona Hales.32

Miandry ny Tompo

Rehefa niresaka momba ny fiandrasana ny Tompo ny Loholona Hales dia fantany tsara ny zavatra noresahany. Ny aretim-po sy ireo fandidiana mavesatra ary ireo olana ara-pahasalamana niverimberina izay nanakana azy tsy hanao lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2011 dia tena nampaory azy ara-batana, kanefa nitondra hevi-baovao ara-panahy ho azy.

Rehefa sitrana taorian’ny fandidiana mavesatra miisa telo izy tamin’ny 2000, dia hoy izy tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany hoe: “Tao anatin’ireo roa taona lasa dia niandrandra lesona momba ny fiainana an-tany avy tamin’ny Tompo aho mba ho ampianarina ahy nandritra ny fotoana niainako fanaintainana ara-batana, tebitebin-tsaina, ary fisaintsainana. Nianatra aho fa ny fanaintainana maharitra sy mafy dia mpanadio manamasina izay mampietry antsika sy mitondra antsika hanakaiky kokoa ny Fanahin’ Andriamanitra.”33

Nampianatra ny Loholona Hales hoe tsy mila miatrika samirery ireo olana isika satria afaka miantso “ilay mpanasitrana lehibe indrindra”.34 “Nisy fotoana, rehefa nirian’ny Tompo izany dia nankaherezin’ny fitsidihan’ny vahiny avy any an-danitra aho izay nitondra fankaherezana sy fanomezan-toky mandrakizay tamin’ny fotoana nilako izany.”35

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Hales fa na dia mety tsy fantatsika aza ny fotoana sy ny fomba hamaliana ny vavaka ataontsika, dia ho tonga araka ny fomban’ny Tompo manokana sy amin’ny fotoany ny valiny. “Mety mila miandry hatrany amin’ny fiainana ho avy isika ho an’ny valinteny sasany. … Aoka isika mba tsy hiala amin’ny Tompo. Ny fitahiany dia mandrakizay fa tsy mandalo fotsiny ihany.”36

Sary
Robert D. Hales and various Church leaders

“Nahazo tombontsoa lehibe aho niasa teo anivon’ireo Rahalahy tsara indrindra izay misy eto amin’ity tany ity.” Teny nolazainy tamin’ny nisaorana azy tamin’ny naha-Eveka Mpiahy azy izay marina ihany koa rehefa lasa apôstôly izy.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tahirin-tsarin’ny Deseret News

Sary nalain’i Stuart Johnson, Deseret News

Mpianatra mahatoky

Fony izy Eveka Mpiahy dia nijoro ho vavolombelona izay nampahatsiahy ny tenin’i Almà Zanany ny Loholona Hales. Nanambara izy hoe: “Ô, raha mba nanana ny feo sy ny trompetran’ny anjely aho mantsy ka afaka nilaza tamin’ny olombelona rehetra fa nitsangana tamin’ny maty [i Jesoa Kristy] ary velona Izy; fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, ilay Mesia nampanantenaina, Mpanavotra sy Mpamonjy antsika; fa tonga teto amin’ity tontolo ity Izy hampianatra ny filazantsara tamin’ny alalan’ny ohatra. Ny asa masina nanirahana Azy dia natao ho anao sy ho ahy mba hankanesana any Aminy, ary Izy dia hitarika antsika ho ao amin’ny fiainana mandrakizay.”37

Tao anatin’ny lahateniny voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana taorian’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nindrana ny tenin’i Môrmôna izy, ary namadika ny tenin’izany mpaminany fahiny izany ho lasa fijoroana ho vavolombelona azy manokana manao hoe: “Indro, izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra. Efa nantsoiny aho hanambara ny teniny eo anivon’ ny vahoakany mba hahazoany manana ny fiainana maharitra mandrakizay” (3 Nefia 5:13).38

Nandritra ny efapolo taona naha-Manampahefana Ambony azy, dia nanambara tamim-pahasahiana sy tamin-kery ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny lahateniny sy ny fiainany izay tena ohatra tsara ny Loholona Robert D. Hales. Ary tadidiny ny torohevitra nomeny tao anatin’ny fiainany manokana sy arak’asa ary ara-pivavahana manao hoe: “Afaka ny hiverina amim-boninahitra ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika indray andro any amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pahatokiana sy ny faharetana hatramin’ny farany.”39

Ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay mino ny Mpamonjy tahaka azy dia eo foana ny Loholona Hales. Raha ny marina dia lasa nody izy, ary nataony tamim-boninahitra izany.

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “‘What Think Ye of Christ?’ ‘Whom Say Ye That I Am?’” Ensign, mey 1979, 79.

  2. Robert D. Hales, “The Aaronic Priesthood: Return with Honor,” Ensign, mey 1990, 39.

  3. In “Fireside Commemorates Aaronic Priesthood Restoration,” Ensign, jolay 1985, 75.

  4. Ao amin’ny “Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve,” Ensign, mey 1994, 105.

  5. Jereo ny Robert D. Hales, “How Will Our Children Remember Us?” Ensign, nôv. 1993, 8.

  6. Robert D. Hales, “Gratitude for the Goodness of God,” Ensign, mey 1992, 64.

  7. Robert D. Hales, “Strengthening Families: Our Sacred Duty,” Liahona, jolay 1999, 38.

  8. Jereo ny Robert D. Hales, “Gratitude for the Goodness of God,” 63.

  9. Robert D. Hales, “How Will Our Children Remember Us?” 8–9.

  10. Robert D. Hales, “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina,” Liahona, mey. 2013, 48.

  11. Robert D. Hales, “How Will Our Children Remember Us?” 9.

  12. Ao amin’ny In LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales: ‘Return with Honor,’” Ensign, jolay 1994, 50.

  13. Jereo ny Robert D. Hales, “Celestial Marriage—A Little Heaven on Earth” (fampaherezam-panahy an’ny Oniversite an’i Brigham Young, 09 nôv. 1976), speeches.byu.edu.

  14. Ao amin’ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales: ‘Return with Honor,’” 48.

  15. Robert D. Hales, “Ho lasa mpanome manana ny ampy: ara-nofo sy ara-panahy,” Liahona, mey 2009, 8–9.

  16. Jereo ny Robert D. Hales, “Gratitude for the Goodness of God,” 65.

  17. Robert D. Hales, “Gifts of the Spirit,” Ensign, Feb. 2002, 19.

  18. Ao amin’ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales: ‘Return with Honor,’” 51.

  19. Spencer W. Kimball, ao amin’ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales, ‘Return with Honor,’” 52.

  20. Jereo ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales, ‘Return with Honor,’” 52.

  21. Ao amin’ny “Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve,” 105–06.

  22. Dinidinika nifanaovana tamin’ny Filoha Henry B. Eyring, 11 jona 2015.

  23. Ao amin’ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales, ‘Return with Honor,’” 53.

  24. Robert D. Hales, “Making Righteous Choices at the Crossroads of Life,” Ensign, nôv. 1988, 11.

  25. Robert D. Hales, “Welfare Principles to Guide Our Lives: An Eternal Plan for the Welfare of Men’s Souls,” Ensign, mey 1986, 30.

  26. Robert D. Hales, “The Unique Message of Jesus Christ,” Ensign, mey 1994, 78–79.

  27. Jereo ny Robert D. Hales, “To the Aaronic Priesthood: Preparing for the Decade of Decision,” Liahona, mey 2007, 48–49.

  28. Robert D. Hales, “Ten Axioms to Guide Your Life,” Liahona, Feb. 2007, 38–39.

  29. Robert D. Hales, “Ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2016, 105.

  30. Robert D. Hales, “Ho Kristianina izay mitovy kokoa amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2012, 91.

  31. Robert D. Hales, “Fahasahian’ny Kristiana: takiana amin’ny maha-mpanara-dia,” Liahona, nôv. 2008, 74, 72.

  32. Robert D. Hales, “Mitsangàna sy miorena eo amin’ny toerana masina,” Liahona, mey. 2013, 50.

  33. Robert D. Hales, “The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Liahona, jan. 2001, 6.

  34. Robert D. Hales, “Healing Soul and Body,” Liahona, jan. 1999, 19.

  35. Robert D. Hales, “The Covenant of Baptism,” Liahona, jan. 2001, 6.

  36. Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Miandry an’i Jehovah: aoka ny sitraponao no hatao,” Liahona, nôv. 2011, 73.

  37. Robert D. Hales, “‘What Think Ye of Christ?’ New Era, aprily 1987, 7.

  38. Robert D. Hales, “The Unique Message of Jesus Christ,” 80; jereo koa ny Robert D. Hales, “Christian Courage,” 75.

  39. Ao amin’ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales: ‘Return with Honor,’” 53.

Hamoaka printy