2018
Fanomezam-pahasoavana ny fibebahana
January 2018


Ho an’ny ankizy

Fanomezam-pahasoavana ny fibebahana

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana dia tsy fanomezana hita maso na azo tsapain-tanana. Fa fanomezana izay tsapanao. Midika izany fa rehefa manao safidy ratsy isika, dia afaka mibebaka ary lasa mahatsapa fiadanana sy fifaliana indray.

Hanampy antsika mandrakariva hibebaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Manaova sary iray mifandraika amin’ireo dingana tsirairay amin’ny fibebahana.

Mahatsiaro malahelo isika.

Mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isika, ka milaza Aminy ny zavatra nitranga, ary mangataka ny fanampiany mba hahafahantsika manao safidy tsara kokoa amin’ny manaraka.

Miala tsiny isika ary miezaka manao tsaratsara kokoa.

Mahatsapa fiadanana isika ary mahafantatra fa voavela heloka.

Hamoaka printy