2018
Ilay fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana
January 2018


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2018

Ilay fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana

Nampianatra ny Filoha Monson hoe: “Ny andraikitsika dia ny miala avy tao amin’ny tsy fahaizana ka mankany amin’ny fahaizana, avy tao amin’ny tsy fahombiazana mankany amin’ny fahombiazana. “Ny andraikitsika dia ny ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika. Anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra omen’ Andriamanitra antsika ny fifaliana azo amin’ny fahafahana mamerina manandrana indray, satria tsy tokony hisy tsy fahombiazana ka hoe tsy azo resena.”1

Matetika isika no mampifandray ny taom-baovao amin’ny hoe fanapahan-kevitra sy tanjona vaovao. Manapa-kevitra ny hihatsara isika, sy ny hiova ary ny hiezaka hanandrana indray. Angamba ny fomba manan-danja indrindra ahafahantsika mamerina manandrana indray dia ny mandray ilay nantsoin’ny Filoha Monson hoe “ilay fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana.”2

Amin’ireto teny notsongaina avy tamin’ny fampianaran’ny Filoha Monson hatramin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy ireto dia manoro hevitra antsika izy “[hampihatra] ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy hahazoan[tsika] mandray ny famelana ny fahotan[tsika] sy hahazoana manadio ny fon[tsika].”3

Ny fahagagan’ny famelan-keloka

“Samy efa nanao safidy diso daholo isika. Raha toa ka tsy mbola nanitsy izany safidy izany isika dia manome toky anareo aho fa misy fomba ahafahana manao izany. Izany dingana izany dia antsoina hoe fibebahana. Miangavy anareo aho mba hanitsy izany fahadisoanareo izany. Maty ny Mpamonjy mba hanomezana ahy sy anao io fanomezana sarobidy io. Na dia tsy mora aza ilay lalana dia tena misy kosa ilay fampanantenana: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala” [Isaia 1:18]. “Ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” [F&F 58:42]. Aza atao kilalao ny fiainanao mandrakizay. Raha toa ka nanota ianao dia arakaraka ny hanombohanao haingana ny fiverenanao amin’ilay lalana marina no hahitanao haingana ilay fiadanana sy fifaliana mamy izay azo avy amin’ny fahagagan’ny famelan-keloka.”4

Miverena eo amin’ilay lalana

“Na dia tsy maintsy misafidy amim-pahendrena aza isika, dia misy ny fotoana izay hanaovantsika safidy adaladala. Ny fanomezana masin’ny fibebahana, izay atolotry ny Mpamonjintsika, no ahafahantsika manitsy ny diantsika, mba hahafahantsika miverina amin’ilay lalana izay hitondra antsika mankany amin’ilay voninahitra selestialy imatimatesantsika.”5

Ny lalana miverina

“Raha efa nisy taminareo lavo nandritra ny fiainany dia manome toky anareo aho fa misy ny lalana ahafahana miverina. Izany dingana izany dia antsoina hoe fibebahana. Na dia sarotra aza ilay lalana, dia miankina amin’izany ny famonjena anareo mandrakizay. Mety hisy ve zavatra hafa mendrika kokoa ny ezaka ataonareo? Miangavy anareo aho mba hanapa-kevitra eto dieny izao hanaraka ireo dingana takin’ny fibebahana feno. Arakaraka ny hanaovanareo izany haingana no ahafahanareo mahatsapa haingana ilay fiadanana sy fahatoniana ary fahatokiana noresahan’i Isaia [jereo ny Isaia 1:18].”6

Afaka miova ny olona

“Mila mahatadidy isika fa afaka miova ny olona. Afaka miala amin’ireo fahazaran-dratsiny izy ireo. Afaka mibebaka amin’ny fandikan-dalany izy ireo. Afaka mihazona amim-pahamendrehana ny fisoronana izy ireo. Ary afaka manompo ny Tompo amim-pahazotoana izy ireo.”7

Miverina ho madio indray

Raha sendra misy zavatra tsy mety eo amin’ny fiainanareo dia misy lalana foana hivoahana amin’izany. Atsaharo ny fiainana tsy am-pahamarinana. Miresaha amin’ny evekanareo. Na inona na inona olana dia azo vahana amin’ny alalan’ny fibebahana marina izany. Afaka ny ho voadio indray ianareo.”8

Ny anjara toerana manan-danja an’ny Mpamonjy

“Ampahany tena manan-danja amin’io drafitry [ny famonjena] io i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika. Raha tsy nisy ny sorompanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra. Tsy ampy anefa ny mino fotsiny Azy sy ny asa nanirahana Azy. Mila miezaka sy mianatra isika, mikatsaka sy mivavaka, ary mibebaka sy mihatsara. Mila mahafantatra ireo lalàn’ Andriamanitra isika ary miaina izany. Mila mandray ireo ôrdônansin’ny famonjeny isika. Ny fanaovantsika an’izany ihany no hahazoantsika fahasambarana marina sy mandrakizay.”9

Fanamarihana

  1. “The Will Within,” Ensign, mey 1987, 68.

  2. “Ireo safidy,” Liahona, mey 2016, 86.

  3. Môsià 4:2

  4. “Ny Dingana Telon’ny Safidy,” Liahona, nôv. 2010, 67, 69.

  5. “Ireo safidy,” 86.

  6. “Tandremo ny didy,” Liahona, nôv. 2015, 85.

  7. “Mijery Ny Hafa Araka izay Mety ho Ahatongavany,” Liahona, Nôv. 2012, 68.

  8. “Ny Herin’ ny Fisoronana,” Liahona, mey 2011, 67.

  9. “Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana,” Liahona, nôv. 2016, 80–81.

Hamoaka printy