2018
Manapaha hevitra hibebaka
January 2018


Ho an’ny zatovo

Manapaha hevitra hibebaka

Nanazava ny Filoha Monson hoe: “Ny andraikitsika dia ny miala avy tao amin’ny tsy fahaizana ka mankany amin’ny fahaizana, avy tao amin’ny tsy fahombiazana mankany amin’ny fahombiazana. Ny andraikitsika dia ny ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika.” Maro ireo olona izay manokana ny volana janoary hametrahana tanjona sy handraisana fanapahan-kevitra hivoatra: hitsiky matetika kokoa, na hihinana sakafo ara-pahasalamana kokoa, na hianatra fahaiza-manao iray vaovao. Mety afaka manampy anao hiova ho tsara kokoa ireo tanjona ireo, saingy ny fomba tsara indrindra hiovana dia amin’ny alalan’ny fibebahana.

Na dia mety ho sarotra azy ny fibebahana, dia fanomezam-pahasoavana izy io! Rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika dia afaka mitombo sy mivoatra. Hoy ny Filoha Monson: “Ampahany tena manan-danja amin’io drafitr[y ny famonjena] io i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika Raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra.” Amin’ny alalan’ny fibebahana no ahafahanao ho voadio amin’ny fahotanao ary mivoatra ho lasa mitovy kokoa Aminy.

Mieritrereta zavatra iray izay mety manakana anao tsy ho tonga tahaka ny Mpamonjy. Sao dia ny fomba fiteninao izany? Sa ny fomba fifandraisanao amin’ireo namanao sy ny fianakavianao? Rehefa avy mandinika an’izay azonao hatsaraina ianao, dia mivavaha amin’ny Ray any An-danitra ary ambarao Aminy ny fanirianao hiova. Tsarovy fa afaka manampy anao handresy ny fahalemenao i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana nataony. Araka ny nampianarin’ny Filoha Monson hoe: “Ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana, izay atolotry ny Mpamonjintsika, no ahafantsika manitsy ny diantsika.”

Hamoaka printy