2018
Miomana handre ny feon’ Andriamanitra
March 2018


Ho an’ireo zatovo

Miomana handre ny feon’ Andriamanitra

Manazava ny Filoha Uchtdor fa ny zavatra voalohany nataon’ Andriamanitra taorian’ny nahariany ny lehilahy sy ny vehivavy dia ny niresaka tamin’izy ireo sy nanome azy ireo fampahalalana sy torolalana sarobidy. Mahazo fitahiana tsy misy hafa amin’izany isika ny volana aprily sy ny volana ôktôbra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany rehefa miresaka amintsika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy manome torohevitra izay tian’ny Tompo ho rentsika.

Moa ve ianao efa naheno ny feon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpanompony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? Moa ve ianao efa nahatsapa fa nisy hafatra iray manokana izay nanome ny valin’ny fanontaniana izay nokatsahinao? Azonao soratana anatina diary izany zavatra niainanao izany sy ny fomba nanampian’izany anao. Avy eo dia miomàna hihaino ny feon’ny Tompo amin’ny fihaonambe ho avy izao, amin’ny fanoratana ireo fanontaniana izay anananao, sy amin’ny fandalinana azy ireny mandritra ny fandalinanao soratra masina. Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra, mangataha mba handray valim-bavaka sy hevi-baovao mandritra ny fihaonambe. Rehefa mihaino ireo mpanompon’ny Tompo ianao dia mifantoha amin’ireo fahatsapana azonao manokana. Inona no nianaranao? Inona no zavatra tsapanao fa tokony hovaina? Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ireo satria ny Fanahy izany miresaka aminao izany!

Tsarovy lalandava fa ny Ray any An-danitra dia tia anao ary hitarika anao amin’ny lalana marina. Rehefa miezaka mihaino ny feony ianao amin’ny alalan’ireo mpanompony, dia hotahina sy hiorina.

Hamoaka printy