2018
Ny tenin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany
March 2018


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2018

Ny tenin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany

Milaza amintsika ny soratra masina fa ny zavatra voalohany nataon’ Andriamanitra taorian’ny nahariany ny lehilahy sy ny vehivavy dia ny niresaka tamin’izy ireo.1 Nanana fampahalalana iankinan’ny aina sy torolalana sarobidy omena azy ireo Izy. Ny tanjony dia tsy ny hanavesatra na hampitahotra azy ireo fa ny hitarika azy ireo kosa any amin’ny fahasambarana sy ny voninahitra mandrakizay.

Ary vao fiantombohana fotsiny izany. Nanomboka tamin’io andro io ka hatramin’izao dia nanohy nifandray tamin’ireo zanany Andriamanitra. Ny teniny dia notehirizina sy notiavina ary nohalalinin’ireo mpianatra isaky ny taranaka nifandimby. Hajain’ireo izay mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra izy ireny, ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay fahamarinana hoe “tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.”2

Izany no lamina hatrany am-boalohan’ny fotoana, ary mbola mitohy izany lamina izany amin’izao fotoana izao. Tsy hoe tantara mahafinaritra ao amin’ny Baiboly fotsiny izany fa fomba napetrak’ Andriamanitra hampitana hafatra manan-danja amin’ireo zanany. Manangana olona manokana avy eo anivontsika Izy, dia miantso azy ireo ho mpaminany ary manome azy ireo teny holazaina izay hanasana antsika mba “[handray izany], toy ireny avy amin’ny [vavany] ireny.”3 Nanambara Izy hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”4

Anisan’ireo hafatra tena lehibe indrindra sy mankahery indrindra ary mahavelom-panantenana indrindra ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny hoe tsy matory Andriamanitra! Tiany ireo zanany. Tsy navelany hirenireny ao anaty haizina isika.

Manana fahafahana isika, indroa isan-taona, ny volana aprily sy ny volana ôktôbra, handre ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony mandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonantsika izay mahafinaritra.

Omeko anareo ny fijoroako ho vavolombelona manokana fa efa fotoana ela mialoha ny hanaovan’ny mpanao lahateny iray ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ilay dia toa lava ery ahatongavana ety ambony lampihazo, no efa nanokanany ezaka sy vavaka ary fandalinana lalina ho fiatrehana ilay andraikitra hiteny izay nankinina taminy. Ao ambadiky ny hafatra tsirairay amin’ny fihaonambe dia ahitana ora maromaro tsy voaisa niomanana, sy nitalahoana tao am-po, mba hahatakarana izay tian’ny Tompo ho ren’ireo Olomasiny.

Inona no mety hitranga raha toa isika mpihaino ka mampitovy ny fiomanantsika manokana amin’ny fiomanan’ireo mpitondra lahateny? Ahoana no mety hampiavaka ny fanatrehantsika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany raha toa isika mihevitra ny fihaonambe ho toy ny fotoana ahafahana mandray hafatra avy amin’ny Tompo mihitsy? Na inona na inona fanontaniana na olana izay mety atrehantsika, dia afaka manantena isika ny handray valiny sahaza ho antsika manokana ao anatin’ireo lahateny sy hira amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Raha toa ianao ka mbola manontany tena raha hiresaka marina aminao tokoa ny Ray any An-danitra, dia tiako hampahatsiahivina anao ireo teny izay tsotra nefa lalina izay hirain’ny kilongantsika manao hoe: “Zanaky ny Ray [Ianao], napetrany ety.” Ny tanjony dia ny hanampy anao “hiverina any indray.”

Raha toa isika manatona ny Ray any An-danitra amin’ny maha-zanany antsika, dia afaka mangataka aminy amin-kitsim-po isika hoe: “Tariho, ampio, miaraha eo anilanay. Toroy ahy ny ataoko.” Hiteny aminao Izy, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, ary avy eo dia anjaranao ny “[ma]nao ny didiny.” Mampanantena aho fa raha manao izany ianao dia “soa no aidiny.”5

Ny fitarihan’ny Tompo dia tena ilaintsika amin’izao fotoana izao tsy misy hafa amin’ny nilana izany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Enga anie isika hikatsaka ny Fanahin’ny fahamarinana amim-pahazotoana eo am-piomanantsika handre ny tenin’ny Tompo ka rehefa hiteny amin’ny alalan’ireo mpanompony ny Tompo, dia ho afaka hahatakatra isika, sy hahazo hery, ary hiara-hifaly.6

Mijoro ho vavolombelona aho fa “amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy [antsika], eny ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloan[tsika], ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho [antsika], sy ho voninahitry ny anarany.”7