HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA ANY AN-TOERANA
Alenteho lalina ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny tongotrao roa
“Lasa mahafantatra aho, amin’ny alalan’ny fampianaran’ny filazantsara hoe iza aho, dia zanakalahy mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra izany. Izany dia mitondra fahatokiantena ary manome tanjona ny fiainako.”
Rehefa manao jeritodika ireo taona izay naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy aho, raha ny 18 martsa 1978 no niovako fo, dia tena mahavariana ahy tokoa ny fahatsiarovana ireo zavatra kely feno hatsaram-panahy izay tena niantraika lalina teo amin’ny fiainako.
Avy tamin’ny Rahavavy Lucy Carr ny iray tamin’ireo zavatra kely feno hatsaram-panahy ireo, izay nahatonga ahy hifandray voalohany tamin’ny Fiangonana. Rahavavy Carr, izay mpamakilain’ny filazantsara ao Afrika Atsimo, dia mpampianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany iray, izay nampianaran’i Carol anabaviko ihany koa. Indray andro dia nomen’i Rahavavy Carr tahadikan’ny gazetiboky avoakan’ny Fiangonana antsoina hoe L’ami i Carol; nandroso hevitra izy fa mirakitra tantara tsara be dia be azon’i Carol tantaraina amin’ireo ankiziny ao amin’ny kilasy T1 izany gazetiboky izany. Nekeny ilay gazetiboky ary nanaraka ny torohevitr’i Rahavavy Carr izy.
Nahatsikaritra i Carol fa gazetiboky vokarina fiangonana ilay izy ary nametrahany fanontaniana mikasika ilay izy sy ny Fiangonana i Rahavavy Carr. Nitohy nandritra ny fotoana fohy ireo fanontaniana. Nony tonga ny fotoana nampety izany dia nangataka an’i Carol i Rahavavy Carr raha toa ka liana amin’ny hitsidihan’ny misiônera amin’ny fotoana feno azy izy izay hamaliana ireo fanontaniana misimisy kokoa. Nanaiky i Carol, ka dia niditra samirery ho mpikamban’ny Fiangonana izy tamin’ny 1971.
Toa nahasarika ny fanahiko ny zavatra nampianarin’ireo misiônera ny anabaviko, saingy nanapaka ny ray aman-dreniko fa tamin’ny naha-zazalahy 10 taona ahy dia mbola tanora loatra ka tsy afaka nandray fanapahan-kevitra goavana ka dia norarana aho tsy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Noho ny ezaka tsy tapaka nataon’i Carol anabaviko sy i David Dellinger vadiny anefa dia natao batisa avokoa, tamin’ny martsa 1978 ny raiko, ny reniko, ny zandriko vavy, ary ny tenako. Herintaona taty aoriana dia niditra ny ranon’ny batisa i Leon zokiko lahy sy i Elizabeth vadiny. Amin’izao ny fianakaviako akaiky rehetra dia samy mpikamban’ny fiangonana avokoa.
Fony aho 19 taona dia tsy maintsy nirotsaka ho miaramila nandritra ny roa taona aho. Nalefa tany amin’ny Army Gymnasium tany Heidelberg (izay Transvaal taloha) aho tamin’ny taona voalohany nanompoana firenena ary tany amin’ny Natal Command (izay Natal taloha) tamin’ny taona faharoa. Nandritra izany fotoana izany aho dia tsy dia nifandray loatra tamin’ny Fiangonana. Noho izany aho dia lasa nalaindaina. Rehefa nanatona ny fiafaran’ny fotoana naha-miaramila ahy dia tonga tao amin’ny tobin’ny miaramila indray takariva ny mpampianatra isan-tokantrano mahatoky—dia ny rahalahy Basil Smith sy ny mpiara-manompo aminy izany—mba hanompo ahy. Nahasarika ny fanahiko indray ny zavatra nolazain’izy ireo ary tena tolagaga aho ny nanaovan’izy ireo an’izany ezaka izany mba hamangy ahy, ka dia nanaiky ny fanasana nomen’izy ireo ny hiverina ao amin’ny Fiangonana aho.
Fotoana fohy taorian’izay dia niantso ahy mba handeha hitory amin’ny fotoana feno ny eveka hendry iray, ny Eveka Sheridan Jakins, ary nekeko ilay antso. Izany antso sy fahafahana hanompo ho misiônera amin’ny fotoana feno izany dia niantraika lalina teo amin’ny fiainako amin’ny lafiny tsara.
Izao aho dia mijery todika amim-pankasitrahana sy fitiavana lehibe ho an’i:
-
Rahavavy Lucy Carr—izay nanao an’ilay dingana hizara ny filazantsara amin’ny “fomba tsotra sy mandeha ho azy” tamin’i Carol anabaviko, izay nitarika tamin’ny batisako sy ny fiovam-poko.
-
Rahalahy Basil Smith sy ny mpiara-manompo aminy—noho izy ireo Mpampianatra isan-Tokantrano mahatoky nanompo ary nanasa ahy hiverina ho ao amin’ny Fiangonana.
-
Eveka Sheridan Jakins—tamin’ny nanomezany antso ho ahy ary nanampiany ahy hiomana ho amin’ny asa misiônera amin’ny fotoana feno.
Tsy hay sandaina ny fiantraikan’ireo fanehoam-pitiavana sy fanompoana nataon’ny mpikambana avy amin’ny fireneko ireo—ny fizaran’izy ireo ny fitiavany ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—tamiko sy tamin’ny fianakaviako. Lasa tia an’ity filazantsara ity amin’ny fonay manontolo izahay, ary lasa mankasitraka ny fahatsarany sy ny fahazavany ary ny fahamarinany. Mieritreritra ny fitahiana avy amin’ny fananana ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana mba hanampiana an’i Mandy vadiko sy ny tenako hanabe fianakaviana marina ao amin’ny Tompo aho. Ato anatin’ity tontolo mikorontana feno loza izay atrehan’ny zanatsika ity dia mila ny fanampiana rehetra azontsika raisina isika.
Lasa mahafantatra aho, amin’ny alalan’ny fampianaran’ny filazantsara hoe iza aho, dia zanakalahy mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra izany. Izany dia mitondra fahatokisan-tena sy tanjona ho an’ny fiainako. Tsapako ilay fahatsapana nofariparitan’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, rehefa nilaza izy hoe: “Hodidinin’ny fahazavana sy fahamarinana be dia be mampitolagaga toy izany isika ka manontany tena aho raha toa ka tena manome lanja izay ananantsika isika.”1
Ireo mpikambana mahatoky ireo, tamin’ny alalan’ny zavatra kely feno fitiavana sy fanompoana nataon’izy ireo dia nitondra fifaliana tena izy ho ahy. “Ny Raintsika any An-danitra dia mametraka olona be fitiavana eo amin’ireo sampanan-dalana manan-danja amin’ny fiainantsika mba hanampiana antsika tsy ho irery ka hirenireny ao anaty haizina. Ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia manampy amin’ny alalan’ny ohatra ary faharetana sy fitiavana.”2 Izany no zavatra niainako.
Marina tokoa fa izany fahasambarana sy fifaliana izany dia tsy tonga avy hatrany taorian’ny nahalasa mpikamban’ny Fiangonana ahy. Raha ny marina dia nahatsapa ny tsy fahampian’izany aho tamin’ny voalohany, saingy rehefa nijery todika ny fiainako aho dia tonga saina fa fony aho mpikambana vao niova fo dia narefo ny finoako sy ny fijoroako ho vavolombelona. Ny tongotro anankiray dia tao amin’izao tontolo izao ary ny iray hafa kosa dia tao amin’ny filazantsara. Rehefa nampiletika lalina ny tongotro roa teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ihany aho vao nanomboka niaina ny fifalian’ny filazantsara. Ho ahy manokana dia nitranga izany rehefa nanomboka niomana ho amin’ny asa misiônera aho.
Miankina amintsika ihany ny hoe hanaiky ireo fanehoam-pitiavana sy fanompoana ireo ka hamela izany hitahy ny fiainantsika. Fa indrindra indrindra, mila mandray anjara amin’ireo fanehoam-pitiavana sy fanompoana na “asa tsara” araka ny voalazan’ny Mpanjaka Benjamìna isika: “Noho izany dia mba tiako ianareo hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara mba hahazoan’i Kristy, Ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha mamehy anareo ho Azy, hahazoana mitondra anareo any an-danitra ka hahazoanareo ny famonjena maharitra mandrakizay sy ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny fahendrena sy ny hery ary ny fahamarinana sy ny famindram-pon’ilay nahary ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany, izay Andriamanitra ambonin’ny rehetra.”3
Voantso ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra i Glenn M. Holmes tamin’ny aprily 2019. I Amanda Mary Asgeir-Nielsen no vadiny; manan-janaka efatra izy ireo. Monina ao Benoni Afrika Atsimo ny Loholona sy Rahavavy Holmes.