Pejy eo an-toerana
Fomba masina kokoa
“Ny fanompoana dia afaka mamporisika ny hisian’ny firaisan-kina eo anivon’ny Olomasina. Afaka mitondra fifaliana sy tsiky eo amin’ireo izay tompointsika ihany koa izany.”
Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka mikasika ny fomba masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa, izay ho antsoina hoe “manompo” rehefa nanao filazana mikasika ny tsy hampiasana intsony ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano izy tamin’ny fivoriana alahady tolakandro tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny aprily 2018.1
Rehefa feno fitiavana ny fontsika dia tsy hisalasala isika ny hanaiky io fanasana mba hampahery ireo malahelo am-po sy hikarakara ny sahirana amin’ny alalan’ny fanompoana io. Ny fomba tsara indrindra hisehoan’ireo fitahiana mifamatotra amin’ny fanompoana dia amin’ny alalan’ny hatsarana izay entin’ny fikarakarana sy ny fitiavana marina asehontsika amin’ny hafa.
Tombontsoa lehibe ho ahy ny nahita izany fikarakarana sy fitiavana izay rehefa nirotsaka teo amin’ny fianakaviako ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana.
Fotoana maromaro lasa izay, raha iny nandeha nanao dia lavitra mba hanao ny asako iny aho, dia narary mafy ny vadiko, saingy tsy afaka niaraka taminy sy ireo zanakay avy hatrany aho. Lasa tena ratsy tokoa ny toe-pahasalamany ka nila ho efa naiditra hôpitaly mihitsy izy. Ny hany azoko natao dia ny niantso azy an-telefaonina sy niezaka mankahery azy.
Raha vantany vao tsy tonga ny vadiko tamin’io alahady izay naharariany io dia naharay hafatra nanome toky avy amin’ireo rahavaviny ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana aho fa hanatanteraka avy hatrany asa misesisesy izy ireo mba hitondrana fanampiana eo no ho eo ho an’ny rahavavy iray mila fanampiana.
Mbola mihetsi-po foana aho rehefa mamerina mamaky ireo andian-kafatra amin’ny WhatsApp mikasika izay andro tena sarotra izay namparary mafy ny vadiko izay. Raha vantany vao nisy feo niely fa nisy zavatra tsy netinety tao amin’ny tokantranoko, dia nametraka fanontaniana anankiroa tsotra kanefa manan-danja tao amin’ny WhatsApp ny iray tamin’ireo rahavavy mpanompo azy: “Tsy salama koa ve ny ankizy? Mila sakafo indray na in-droa mihinana ve ianareo?”
Tsy mahagaga fa ny hany azon’ilay vadiko izay nahatsapa ho tsy afaka nanao na inona na inona nolazaina dia hoe “Eny.”
Ankehitriny dia fantatro fa io “Eny” io dia filazany ny finoany fa tsy lavitra mihitsy ny fanampiana noho ny fisian’ny fanompoana. Nahafantatra aho nony farany fa tsy ny vadiko irery no narary tamin’izay faran’ny herinandro izay, fa narary ihany koa ireo zanakay anankitelo satria azon’ny gripa mahery daholo izy rehetra.
Feno falalahan-tanana ny fanampiana natao, ary nanome toky ahy ny vadiko fa tena ampy tsara izany ka dia tsy tokony hajanoko mba hiverenana haingana any an-trano ny dia nataoko momba ny asako.
Fantatro ireo vehivavy izay rahavavy mpanompo azy ireo. Matetika no nanentana ahy hanao ny asa fanompoako ny fahazotoan’izy ireo satria tonga foana izy ireo tamin’ny fotoana izay nifanaovany tamin’ny vadiko.
Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia mitaky ny handresentsika ny fisalasalantsika mikasika ny hoe hatraiza no ilan’ny hafa ny fanampiantsika sy ny fikarakarantsika. Ny fanompoana dia afaka mamporisika ny hisian’ny firaisan-kina eo anivon’ny Olomasina. Afaka mitondra fifaliana sy tsiky eo amin’ireo izay tompointsika ihany koa izany.
Tsy isalasalana fa, tahaka ny fanatanjahan-tena fikoloam-batana mihitsy, dia rehefa tena manao izany marina isika vao mihatsara kokoa sy mihamatanjaka kokoa. Mila manaisotra ny fialan-tsiny na ny sakana rehetra izay mibahana ny lalana hanatontosana ny zavatra tsara izay mifamatotra amin’ny asa fanompoana nentanim-panahy avy amin’Andriamanitra isika. Ny fanompoana dia hanampy antsika hanorina fahatsapana matanjaka kokoa ho tsy voailika sy ho mananamana.
Amin’ny alalan’ny fanompoana no hahatonga antsika hahatakatra feno kokoa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra tsy tapaka an’ireo zanany rehetra, izay naseho tao anatin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy Zanany noho ny fahotantsika. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana no nitakiany ny hanaisorana antsika tamin’ny fangejan’i Satana.
Raha tsy omentsika lanja ny fanompoana dia isika ihany no manao izay tsy ahafahana mifampatanjaka sy manamafy orina ny tokantranontsika—ka noho izany dia manamora ny fahafahan’ny fitaoman’i Satana handresy antsika isika. Kanefa rehefa manompo amin-kery isika dia afaka ny hotohanan’ny herin’ny fitiavan’i Kristy rehefa manolo-tanana mba hanatanteraka ny andraikitsika mba hikarakara ny hafa.