“Fitsidihana nataon’i Jaona Mpanao Batisa,” Namana, febroary 2021
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2021
Fitsidihana nataon’i Jaona Mpanao Batisa
Indray andro dia nanana fanontaniana iray i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Ahoana no fomba tena mety fanaovana batisa? Nivavaka izy ireo mba hahafantatra ny valiny.
Nisy anjely tonga. Jaona Mpanao Batisa ilay izy. Izy no nanao batisa an’i Jesoa. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa mila ny fisoronana izy ireo mba hanaovana batisa olona.
Nanome tsodrano an’i Joseph sy i Oliver i Jaona. Nomeny azy ireo ny fisoronana. Izao izy ireo dia afaka manao batisa olona amin’ny fomba nanaovana batisa an’i Jesoa.
Nataon’i Joseph batisa tao amin’ny renirano i Oliver. Avy eo dia nataon’i Oliver batisa i Joseph. Taty aoriana dia natao batisa ihany koa ny olon-kafa maro.
Tafaverina eto an-tany ny fisoronana satria namaly ny vavak’ i Joseph Smith ny Ray any An-danitra! Azo atao batisa tahaka an’i Jesoa aho.
© 2021 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, January 2021Malagasy. 17464 654