HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
[Mamoaza be]
Rehefa mandray ny karamanao ianao dia aloavy ny fahafolonkarenao, mandoava 10 isan-jato amin’ny tenanao, ary manaova tahiry 10 isan-jato hiatrehana ny zavatra miseho tampoka. Aza mandany vola tsy anananao izany mihitsy.
“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Dia nahary ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny endriny Izy avy eo. Nanonona ny tso-dranony ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy Izy. Tafiditra tao anatin’izany tso-drano izany ny andian-teny hoe: “Maroa fara [mamoaza be]” (Genesisy 1:28). Ireo teny mampitony sy mampanao fanamby ireo no teny voalohany ho ampianariko an’ireo zafikeliko. Ho ampianariko an’ireo zafikeliko ny zavatra izay tsy takatro raha tsy teo amin’ny faha-30 taonako.
Tamin’ny 1992, izay telo taona monja taorian’ny nivadianay sy i Naume, dia sahirana tamin’ny fitadiavana ireo zavatra fototra ilaina amin’ny fiainana andavanandro izahay. Nisy namana iray, i Jerry D. Hymas avy any San Diego, Californie, Etazonia, nampianatra ahy fitsipika iray momba ny fizakan-tena izay nanova ny fiainanay, na dia tao anatin’ny fotoan’ny fitotonganana ara-toe-karena aza ny tao Zimbabwe, fotoana izay niainanay nanomboka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’ny 2008. Hoy i Jerry tamiko hoe: “Eddie a! Inty misy raki-pohin’ ny fahombiazana ara-bola izay nandaitra tamiko nandritra ny taona maro, ary namela ahy hisotro ronono alohaloha. Rehefa mandray ny karamanao ianao dia (1) aloavy ny fahafolonkarena, 10 isan-jato, (2) mandoava 10 isan-jato amin’ny tenanao, ary (3) manaova tahiry 10 isan-jato hiatrehana ny voina tampoka.” Dia nijery ahy izy ary niteny hoe: “Aza mandany vola tsy anananao izany mihitsy.”
Nandoa ny fahafolonkarenanay foana izaho sy i Naume ary nahazo ireo fitahiana nampanantenaina, saingy tsy nahalala mikasika ireo 20 isan-jato hafa noresahany tamiko aho. Nanomboka teo dia nanao izay tsara indrindra azonay natao izaho sy i Naume mba hanaraka ny ohatra nasehony, hany ka nitondra fitahiana goavana ho anay izany.
Natoroko ny olona rehetra izany, indrindra fa ireo tanora sy ireo mpivady vao herotrerony. Toa mampitahotra ny mamakivaky ny fiainana, kanefa hanampy anao hahatratra ny fahafenoan’ny hery ahafahanao manao zavatra ny fandrosoana hatrany am-pinoana sy ny fananana vina. Mila manana drafitra momba ny fitantanam-bola ny olona. Nampanantena ny Filoha Russell M. Ballard, izay Filoha Mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa mianatra mifehy ireo fitsipika momba ny fametrahana tanjona ny olona iray, dia ho afaka ny hitondra fiovana lehibe eo amin’ny vokatra azony eto amin’ity fiainany ity izy amin’izay.”1
Mba hanatsoran-javatra dia izao no ho ampianariko an’ireo zafikeliko. Ho ampianariko azy ireo ny zavatra tokony hatao amin’ny dôlara iray. Ho ampianariko azy ireo fa miankina amin’ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny dôlara iray ny fahafahan’izy ireo mitantam-bola. Hanombohana izany dia mila mahatakatra fanamby roa eo amin’ny fiainana izy ireo:
-
Ny fiezahany hahatratra ny fahafenoan’ny hery ahafahany manao zavatra.
-
Ny fampiasana amim-pahendrena ny loharanom-pitaovana rehetra ananany.
Mahakasika ny tanjontsika amin’ity resaka ity, dia andeha isika hiresaka momba izay zavatra tokony hatao amin’ny dôlara iray. Ny ankamaroan’ny olona, isan’izany ny tenako, dia efa niteny teo amin’ny fiainany hoe: “Raha manam-bola betsaka kokoa aho dia hanao drafitra tsara kokoa.” Ny zavatra tsy takatro dia ny hoe raha nanana drafitra tsara kokoa aho dia ho nanana ny ampy. Raha nampianatra ahy ny drafitry ny fahombiazana eo amin’ny ara-bola i Jerry Hymas tamin’ny taona 1992, dia ny Raintsika any An-danitra raha ny marina no nampianatra io drafitra io. Hoy Izy ao amin’ny Testamenta Taloha hoe “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany” (Genesisy 1:28).
Raha manana 1 dôlara ianao dia aza mandany mihoatra ny 70 cents. Raha toa ireo zafikeliko, na aiza na aiza misy azy ireo, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo, ka afaka mahatakatra fotsiny io fitsipika io, tsy mandany mihoatra ny 70 cents amin’ny dôlara tsirairay izay azony, na fanomezana izany, na avy amin’ny asa, dia hiroborobo izy ireo. Ho takatr’izy ireo ny zavatra nolazain’ny Tompo rehefa niteny Izy hoe: “feno ny tany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17).
Hitahy antsika rehetra io fitsipika io. Mila manao drafitra ho an’ny hoavy ireo izay manana asa amin’izao. Ao ireo izay sahirana mafy eo amin’ny fiainana ka ny hohanina anio tadiavina anio. Ho fitahiana lehibe ny fanarahana io hevitra io ary hanampy mba hizaka tena. Ny torohevitro mikasika ny fomba hanombohana izany dia tsotra fotsiny:
Ho an’ny Tompo ny 10 cents. Mandoava fahafolonkarena. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mba hampitomboana ny finoana maharitra, dia tena ilaina ny fanoloran-tena maharitra mba ho mpandoa fahafolonkarena feno. Voalohany dia mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena. Avy eo ny mpandoa fahafolonkarena dia mampivelatra finoana bebe kokoa hatrany amin’ ny fahafantarana fa ny fahafolonkarena dia tombontsoa sarobidy.”2 Tena marina io fampianarana manova fiainana avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo io.
Hatao vatsim-bola hiaingana ny 10 cents. Apetraho amin’ ny toerana tsy ahafahanao maka na mampiasa azy ilay izy. Mety haharitra 10 taona, na 15 na mihoatra izany no hanaovanao azy. Rehefa mieritreritra io 10 cents io aho dia tadidiko ny reniko. Nanivana ireo voanjo sy katsaka tsara i Neny dia nampirina izany hatao masom-boly. Norarahany fanafody ilay izy, na mody nataony an’izany mba hinoanay, ka amin’izay izahay dia tsy ho alaim-panahy hitono izany katsaka izany sy hihinana ireo voanjo rehefa noana. Tsy nampiasain’i Neny mihitsy ireo voa ireo, na dia nandritra ny fotoana tena sarotra aza. Naleony nahita anay mandry fotsy, toy izay hihinana ireo voa ireo. Natao hovolena nandritra ny vanim-potoan’ny orana manaraka izany mba hampitomboana azy. Nanao izany foana izy isaky ny fotoam-piotazana. Tsy niantehitra tamin’ny fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana izany mihitsy izy.
Ny 10 cents dia hakana antoka fa tsy hanao trosa ianao rehefa mividy zavatra—afa-tsy ho an’ny trano ihany. Rehefa ataon’ny olona iray petra-bola io 10 cents io dia toy ny hoe misy olona iray mampiasa izany ka mampiditra zana-bola ho an’ny tenanao. Tsy manan-danja ny hoe ohatrinona ilay izy na ohatrinona, fa ilay DRAFITRA no manan-danja!
Ataovy izany dia jereo ny fivoaran’ny tarehimarika sy ny fanatanterahan’izany ny fitahiana izay omen’ny Ray any An-danitra anao hoe Maroa fara (Mamoaza be)! Raha ny tena izy dia tsy ny habetsahan’izay ho azontsika no zava-dehibe, fa ilay hoe lasa toy ny ahoana isika. Ireo razambentsika dia nahita izay hoe ho lasa toy ny ahoana izy ireo.
Nandritra ilay Fitotonganana lehibe ara-toe-karena tany Etazonia, Amerika dia nanambara ny mpaminany sy mpahita ary mpanambaran’ny Tompo hoe: “Ny tanjontsika voalohany dia ny hametraka, araka izay azo atao, rafitra iray izay hanafoanana ny ozon’ny hakamoana, handrodanana ny fijaliana vokatry ny tsy fananana asa, ary hanomezana toerana indray eo anivon’ny olontsika ny fahaleovan-tena, ny fahazotoana miasa, ny fitsitsiana ary ny fanomezan-kasina ny tena. Ny tanjon’ny Fiangonana dia ny hanampy ny olona hanampy ny tenany. Tokony hapetraka indray ho toy ny fitsipika mitondra ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika ny asa.”3 Nitahy fiainana maro io fitsipika io na tao anatin’ny Fiangonana na tany ivelany manerana izao tontolo izao.
Izao no fanasana feno fanetrentena ataoko aminareo: “Mitsangana dia maroa fara (mamoaza be).”
Notendrena ho Fitopololahy Manampahefana Ambony i Adward Dube tamin’ny aprily 2013. Vadin’i Naume Keresia Salizani izy. Manan-janaka efatra izy ireo.