HAFATRY NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA
Mianatra sy miaina ireo fitsipiky ny fizakan-tena mandritra ny fotoan-tsarotra
Araka ny nampanantenaina, ny taona 2020 dia mitaky ny hamatoran’ny tsirairay amintsika sy ny fianakaviantsika ny fehin-tsezantsika ary ny hihazonana mafy mandritra ireo kitoantoana satria dia tena feno kitoantoana tokoa ny lalana tato ho ato.
Tamin’ny taon-dasa teo dia reko tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja fa nandray fanapahan-kevitra mampalahelo ny hanaisotra ny ain’izy ireo ny roa tamin’ireo namako malala. Izy roa ireo dia olona tsy nisy fifandraisany. Samy nisedra olana nifandray tamina resaka fahafahana mandoa trosa sy fahaleovantena ara-bola mangingina izy ireo. Na izany aza dia samy vady mahatoky sy raim-pianakaviana be fitiavana avokoa izy roa.
Tena sarotra tamin’ny maro tamintsika ireo volana maromaro lasa teo. Ny valanaretina COVID-19 dia nitondra fahoriana izaitsizy tokoa ary naka ain’olona maro. Noho ireo fitsipika sy fepetra izay noraisin’ny fitondram-panjakana tao amin’ny fanantenana ny hisoroka ny fiparitahan’ ny valanaretina—sy hanampiana amin’ny fiarovana ireo izay tena marefo—dia maro no very asa na very loharanom-pidiram-bola.
Raha toa ka fahafahana iray ho an’ny maro mba hanomezana sy hankaherezana sy hanampiana—ary hanompoana koa aza ity fanamby lehibe ity—ny resaka fizakan-tena sy ny fahavononana ara-batana sy ara-nofo sy ara-pihetseham-po dia lasa nibahan-toerana rehefa mitady fomba hiatrehana ireo fanamby amin’ny hoavy isika.
Mbola azoko sary an-tsaina foana ny olona milahatra mitomandavana eny an-dalana—tsy miraharaha ireo fepetra fototra mahakasika ny fifanalavirana—miandry ny anjaran’izy ireo sy manantena ny homena ny kitapo misy sakafo na ny sandam-bola izay nampanantenaina mba ho fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Na dia tena nitondra fanampiana ho an’ny olona sahirana maro aza ny fanampiana avy tamin’ny fitondram-panjakana sy ny vatsim-bola ho an’ny asa fanasoavana sy fanampiana olona dia tsy tokony ho adinontsika ny nampianarin’ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988), mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa “efa nomena torohevitra ny olona mba hanao fitadiavana amin’ny fombany manokana, hany ka ho lasa mizaka tena.” Avy eo izy dia nanampy hoe, rehefa nindrana ny tenin’ny Loholona Albert E. Bowen (1875–1953), tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny tena fomba fiasa sy anjara asan’ny fanomezana dia ny hanampy ny olona [ho eo] amina toerana izay hahafahany manampy ny tenany ka ho lasa olon’afaka.”1
Ny fizakan-tena dia “ny fahafahana sy ny fanoloran-tena ary ny fiezahana hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny ankohonana. Rehefa mizaka tena ireo mpikambana, dia afaka manompo sy mikarakara ny hafa bebe kokoa ihany koa.”2 Mety ho toy ny nofinofy iray izay tsy azo tanterahina ny fahitan’ny sasany amintsika ny fizakan-tena noho ireo fahasarotana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy izay mitranga. Saingy tena nazava be ny nolazain’ny Tompo raha niteny Izy nanao hoe: “Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko . . . Fa feno ny tany, ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza,”3 izay tsy mamela ahiahy fa amin’ny fomba iray na iray hafa, ny isam-batan’olona tsirairay avy sy ny fianakaviana dia tokony hanana ny ampy ho an’ny filan’izy ireo. Saingy mba hahafahan’izany mitranga eo amin’ny fiainantsika dia mila miezaka manatratra an’izany amin’ ny fomban’ny Tompo isika.
Nampianatra antsika ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa misy fitsipika fototra anankiroa izay afaka hitarika sy hampatanjaka ny isam-batan’olona izay miatrika fisedrana sy fitsapana—dia ny fiomanana sy ny fibosesehana handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy.4
Ireto misy ohatra amin’ireo fitsipika ireo avy amin’ny fiainako manokana:
Fony aho mbola zatovolahy dia nanapa-kevitra ny ray aman-dreniko ny handefa ahy sy ireo zandriko iray tampo amiko hianatra any amin’ny sekoly tsy miankina iray izay farany tsara teo amin’ny tanàna izay nonenanay. Saingy lafo be ho an’ny fianakaviako izany. Tena sahirana tamin’ny fitadiavana ny raiko izay injeniera niasa ho an’ny fitondram-panjakana, sy ny reniko mpikarakara tokantrano mba hananana ny ampy. Tena fantatro tanteraka fa ny saram-pianarako no anisan’ny antony lehibe nahatonga izany. Tsy hoe nila nianatra ny nitsitsy fotsiny ihany izahay fa ny reniko ihany koa dia nila nitady karazana asa atao mba hampidirana fanampim-bola, toy ny fanangonana fasiana menaka na tapa-damba avy amina orinasa izay nanary izany ary avy eo mivarotra azy ireny amina orinasa hafa. Nandray anjara tamin’ilay asa avokoa ny fianakaviana iray manontolo.
Tsaroako ihany koa ireo alina izay niaretanay torimaso mba hanampiana—amin’ny fomba rehetra izay azo natao—ny reniko rehefa nanjaitra fitafiana maro ho an’ny mpiasa. Haterina afaka fotoana fohy tao amin’ny orinasa teo akaikinay, izay efa namandrika izany ireo. Mbola tsaroako foana ny fangirifiriana izay niaretako tamin’ny fampiasana ireo hety—izay goavana loatra tamiko sy tsy nety ho an’ny ankizilahy mpampiasa ny tanana havia toa ahy. Rehefa nifindra lavitra ny renivohitra ny orinasa izay niasan-draiko dia nampiantranoin’izy ireo tao amina trano iray izay nisy tokontany be velarana izahay. Taorian’izany dia nanomboka nitantana toeram-pambolena sy fiompiana ny fianakavianay, ary rehefa tsy tany an-tsekoly dia nandray anjara avokoa ny tsirairay taminay. Tamin’izany fomba izany no nianarako fahaiza-manao maro momba ny fambolena sy fiompiana—hatramin’ny fambolena karazana legioma ka hatramin’ny fanalàna hodim-bitro na koa fiteren-dronono. Feno fankasitrahana mandrakizay an’ireo ray aman-dreniko aho noho ny fanomanan’izy ireo ahy sy ny nampitoeran’izy ireo tao amiko tamin’ny fomba mahomby ny tena lanjan’ny vola, ny lanjan’ny fianarana, ny fomba fiasana mafy sy ny fomba fiainana am-pitsitsiana.
Nitombo ny fankasitrahako rehefa nila niaina sy nampihatra ireo soatoavina ara-piainana ireo aho mba hamitako ny fianarako lava dia lava momba ny fitsaboana, sady niezaka ny nianto-tena mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny ray aman-dreniko. Taty aoriana dia lasa mpikamban’ny Fiangonana aho—ary eo am-pianarako ireo fitsipiky ny fizakan-tena—dia mampianatra ireo fitsipika ireo amin’ny zanako aho amin’ny alalan’ny fiainana izany, raha toa ka sady mahita ny tanan’ny Tompo mamatsy anay.
Nandritra ireo volana izay nihibohana dia niverina tamin’ireo zavatra fototra eo amin’ny fiainana ny fianakavianay, ary dia nohatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona anananay momba ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ireo fitsipiky ny fizakan-tena ireo. Niainanay izany hoe mahaleo tena ara-panahy izany raha nanao izay tsara vitanay izahay mba hiainana ny fandaharan’asa fandalinana filazantsara mifototra ao an-tokantrano sy nanolotra ny vavakay ary nanao tsy tapaka ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Izahay ihany koa dia niaina “fampianarana arahana fanabeazana mifototra ao an-tokantrano.” Fena fankasitrahana izahay raha mahita ny varavaran’ny lanitra mivoha noho ny lalàn’ny fahafolonkarena, satria nanana ny zava-drehetra izay nilainay izahay, ary nanana sakafo ampy avy tao amin’ny fitehirizana sakafonay raha toa kosa ka nanjavona tao amin’ny toeram-pivarotana avokoa ny ankabeazan’ny sakafo fototra.
Nanome fahafahana maromaro ho an’ny zanako ihany koa mba hianatra ny hanampy ireo izay sahirana ilay valanaretina, satria ny sasany taminay dia nandray anjara tamin’ireo fifadian-kanina faobe anankiroa—araka ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson.5 Tsy indray mandeha ihany izahay no nanapa-kevitra ny naka tao amin’ny fitehirizana sakafonay sy ny tahirim-bolanay mba hanampiana ireo havanay sy ny mpifanolobodirindrina sasany aminay ary mba hanolotra fanampiana.
Fantatro fa isika rehetra dia afaka miomana sy mandroso hatrany amin’ny fianarana ireo fitsipika manan-danja ao amin’ny fizakan-tena ary miezaka ny mampihatra azy ireny ao amin’ny fiainantsika—eny fa na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza. Fantatro fa hamatsy ny Tompo raha toa ka manao ny anjarantsika isika, araka ny nampanantenain’ny Filoha Nelson rehefa nilaza izy hoe “ny toerana halehantsika dia azo antoka sy tony” raha toa isika ka “mamatotra ny fehin-tsezan[tsika], sy mihazona mafy mandritra ireo kitoantoana, ary manao ny marina.”6
Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny Aprily 2019 i Ifanomezana Rasolondraibe. Manambady an’i Felambolafotsy Cardiss Keithy Suman Ratsitobaina izy ary manan-janaka telo izy ireo. Monina ao Antananarivo, Madagasikara ny Loholona sy ny Rahavavy Rasolondraibe.