2021
Olomasina Afrikana: ohatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny fitiavana sy fifaliana ary finoana an’i Kristy
Aogositra 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Olomasina Afrikana: ohatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny fitiavana sy fifaliana ary finoana an’i Kristy

“‘Misaotra anareo izahay noho ny fomba iainanareo ny fiainanareo, feno finoana an’i Kristy sy miaraka amin’ny faniriana amin-kitsim-po hanorina ny fanjakan’ny Tompo eto amin’ity kaontinanta mahatalanjona ity.’”

Nantsoina mba hanompo eto Afrika izaho sy i Jacqui vadiko tamin’ny 2016. Talohan’ny nandehananay dia nangataka torohevitra tamin’ny Loholona Carl B. Cook aho, izay vao nahatontosa ny andraikiny tamin’ny naha Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana azy. Nilaza zavatra feno fahendrena izay lasa tsapako fa marina tanteraka izy: “Mihevitra ianao fa hampianatra ireo Olomasina, saingy raha ny marina dia hampianatra anao izy ireo.”

Nampianatra anay ny fomba hamelana heloka ianareo. Zavatra maro niainana tany aloha izay tena henjana no mety ho nameno lavareny fankahalana sy tsy fitiavana ireo taranaka ho avy tao amin’ny firenena toa an’i Afrika Atsimo sy i Rwanda. Na izany aza dia imbetsaka no nanatrehanay maso ny ohatra miavaka nasehon’ireo mpikambana vao niova fo izay miaina ilay fampianaran’ny Tompo manao hoe “[m]amel[à] ny olon-drehetra”,1 na dia ireo izay “mankahala anareo . . . izay manenjika sy manendrikendrika anareo” aza”.2

Nampianatra anay ny tena dikan’ny fanompoana ianareo. Ary koa ny maha ao anatin’ny kolontsaina Afrikana ny fifanampiana mandritra ny fotoan-tsarotra. Tsaroako raha tao anatina fivorian’ny mpitarika tao Gaborone, Botswana aho tamin’ny fotoana izay nampahafantarana an’ilay endriky ny fampianarana isan-tokantrano vaovao avo lenta kokoa sy masina kokoa izay nantsoina hoe “fanompoana”. Taorian’izany aho dia niresaka tamina rahalahy iray izay nilaza tamin’ny endrika somary gaga hoe, “Tokony ho mora aminay izany satria ny fanompoana dia zavatra efa fanaonay mandeha ho azy aty Afrika.”

Nampianatra anay ny atao hoe tena harena ianareo. Ny sasany aminareo dia miaina ao anatin’ny firoboroboana kanefa dia mitoetra ho manetry tena sy manompo amim-pahatokiana. Mety ho tsarain’izao tontolo izao ho mahatra ny sasany amin’ireo izay nihaonanay. Na izany aza anefa, rehefa mieritreritra momba ireo fahatsiarovana sarobidy sy masina maro momba ny fitsidihana ireo mpikambana tao an-tokantranon’izy ireo sy tany amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo aho dia mahatsapa ho toa an’i Paoly izay namaritra ireo vondron’olona ireo ho “tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.”3

Nampianatra anay momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fifaliana sy ny fanolorana ny tenantsika ianareo. Maneho izany fifandraisana izany ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Chadambuka ity, raha nanompo tamin’ny naha filohan’ny misiônan’ny Botswana/Namibia azy izy:

“Nanana fahafahana maro ny hitsidika mpikambana sy naman’ny fiangonana tao amin’ny misiônanay aho, niaraka tamin’ireo misiônera mpivady. Ny fanamarihana iray nataoko tamin’ny fitsidihana ireo tokantrano ireo, ary koa ny traikefa azoko tamin’ny maha avy eo an-toerana ahy sy ny fananako fahatakarana lalindalina kokoa ny kolotsaina sy ny fomba fiainan’ny vahoakanay dia [izao]: Mety ho toy ny hoe sarotra be ny toe-javatra lalovan’izy ireo amin’ny resaka fananana ara-nofo izay tena ilaina, saingy mbola tsy nahita olona faly kokoa izay feno fisaorana sy afa-po tamin’izay nitahian’ny Tompo azy ireo aho. Mbola vonona ny hizara ny kely ananan’izy ireo izy ireo na dia ao anatin’izay heverina ho fahantran’izy ireo aza.

“Nahita maso misiônera (vahiny) mpivady latsa-dranomaso aho [vokatry ny alahelo tsapan’izy ireo noho ny toe-java-tsarotra iainan’ny sasany amin’ireo mpikambana ao amintsika] ary matetika aho no lasa nanontany tena hoe nahoana izy ireo no mitsetra toy izany ny amin’ireto olona mahery fo sy faly ary afa-po ireto . . . tsorina fa ny olona iray izay manana iray tapitrisa dolara ao am-paosiny dia tsy ho faly kokoa noho izy ireo.”4

Nampianatra anay momba ny fijoroana ho vavolombelona madio ianareo. Nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ny paroasy Protea Glen ao amin’ny tsatòkan’ny Soweto izahay tamin’ny Alahady voalohany naha teto Afrika anay. Ny lahateny tsirairay izay henonay avy teny amin’ny polipitra tamin’izay andro izay dia nifantoka tamin’i Kristy ary nahitana fijoroana ho vavolombelona madio momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany. Hitanay fa izany foana no zava-mitranga mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo manerana an’i Afrika. Tahaka ireo Nefita dia azo lazaina mahakasika anareo koa ny hoe; “miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy . . . mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”5

Nampianatra anay ny firaisankina ianareo. Mahatsapa tanjaka izahay ao anatin’ny fahasamihafana, ary mahatsapa firaisankina marina izahay amin’ny maha rahalahy sy ranabavy avy amin’ny foto-piaviana sy firazanana maro miara-manompo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Mampianatra antsika mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”6

Ny fotopampianarana voalohany izay ampianarin’ireo misiônera dia hoe zanaky ny Ray any An-danitra avokoa isika rehetra, izay midika tsotra hoe mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra isika. Ny Apôstôly Paoly dia nanoritsoritra ny zava-mitranga rehefa mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika tamin’ny filazana hoe: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.”7 Ary araka izany dia tsy mba nahatsapa velively ho toy ny vahiny na mpivahiny mihitsy izaho sy Rahavavy Palmer rehefa teo anivon’ny Olomasina, na dia avy amin’ny tany vahiny aza izahay. Fantatray fa ireo olona vao niova fo avy amin’ny firenena sy firazanana samihafa dia mahatsapa ny fanekena sy mahatsapa ho tsy voailikilika rehefa miara-mitsaoka sy mifanompo amim-pitiavana isika.

Nampianatra anay mikasika ny FIFALIANA ianareo. Tsy hohadinoinay mihitsy ny fifaliana mihoapampana tsapan’ireo Olomasina tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Kinshasa sy Durban. Ny fifaliana madion’ireo izay niangona tao Harare sy Nairobi mba hihaino ny mpaminanintsika izay vao notohanana, dia ny Filoha Nelson sy Rahavavy Nelson ary ny Loholona sy Rahavavy Holland. Ny fifalian’ny Olomasina mihoatra ny 7.000 tao Johannesbourg raha naheno ny Loholona Holland nanambara fa “ny vahaolana ho an’ny olana tsirairay ao Afrika dia hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” Ary any amin’ny sehatra kely kokoa, ny fifaliana tsapantsika avy amin’ireo mpikambana vao niova fo sy ireo izay sambany vao nandeha tany amin’ny tempoly rehefa namatotra ny tenan’izy ireo tamin’i Kristy izy ireo tao anatin’ny fanekempihavanana masina. Nanao lahateny manan-tantara nitondra ny lohateny hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” ny Filoha Nelson tamin’ny 2016. Nilaza zavatra izay nanatrobaka ny fanahiko izy tao amin’izany lahateny izany rehefa nisaintsaina ireo toe-javatra feno fanamby izay atrehan’ny mpikambana maro dia maro ao Afrika aho. “Misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika izany.

“Rehefa . . . i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”8

Ireo no vitsivitsy amin’ireo zavatra izay nianaranay nandritra ny fotoana miavaka niainanay sy nanompoanay niaraka taminareo nandritra ireo 5 taona lasa. Misaotra anareo izahay noho ny fomba iainanareo ny fiainanareo, feno finoana an’i Kristy sy miaraka amin’ny faniriana amin-kitsim-po ny hanorina ny fanjakan’ny Tompo eto amin’ity kontinanta mahatalanjona ity.

Farany dia te hizara traikefa manokana izay niainako tamin’ny taon-dasa aho izay heveriko fa fanomezana avy tamin’ny Tompo ho anareo avy tamin’ny mpaminany Velony.

Tamin’ny volana Jolay lasa teo, tao anatin’ilay valanaretina dia fitahiana ho ahy ny niara-nipetraka tamin’ny Filoha Nelson ka nametraka taminy izao fanontaniana manaraka izao: “Afaka fotoana fohy dia hiverina any amin’ireo Olomasina malalantsika ao Afrika aho. Moa ve misy hafatra manokana izay tianao hozaraiko amin’izy ireo?” Nisaintsaina lalina ilay fanontaniana izy ary avy eo dia namaly toy izao:

“Lazao azy ireo hoe misy zavatra tsy voafehintsika, saingy tokony hifantoka amin’ny zavatra izay azontsika fehezina isika. Indrindra fa ny fomba iainantsika ny fiainantsika. Mila miaina ny fiainantsika amin’ny fomba izay hahavonona antsika hatrany ny hihaona amin’ny Mpahary antsika isika.”

Ireo tenin’ny mpaminany velona ireo dia ho anareo sy ho ahy amin’izao fotoana sy toe-javatra miseho izao. Manasa anareo aho mba hisaintsaina io hafatra sy fanasana manokana avy tamin’ny mpanompon’ny Tompo voafidy io. Zaraiko amim-pitiavana izany ary omban’ny fijoroana ho vavolombelona mahery ny amin’ny antso masin’ny Filoha Nelson amin’ny maha mpaminany sy mpahita azy, izay mampianatra antsika ny fomba handrosoana na dia ao amin’ny fotoam-pahoriana sy ahiahy aza.

Ho feno fankasitrahana mandrakizay noho ny tombontsoa naha-teo anivonareo anay izahay. Midera sy manome voninahitra anareo izahay—dia ianareo Olomasina mahatoky ao amin’ny firenena ao anatin’ny Vondromparitra Atsimo sy Afovoan’i Afrika—izay nampianatra anay zavatra maro ary ho tianay hatrany ho toy ny rahalahinay sy anabavinay ao amin’i Kristy.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny Aprily 2016 i S. Mark Palmer. I Jacqueline Ann Wood no vadiny; manan-janaka enina izy ireo.

Fanamarihana

  1. Fanampiana ho an’ny Fandalinana 64:10.

  2. Matio 5:44.

  3. 2 Korintiana 6:10.

  4. Nozaraina nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny Loholona Bednar sy tao amina email manokana nalefa tamiko tamin’ny Nôv. 2017.

  5. 2 Nefia 25:26.

  6. 2 Nefia 26:33.

  7. Efesiana 2:19.

  8. Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, Nôvambra 2016, 82.