2022
I Rota sy i Naomy
Jona 2022


“I Rota sy i Naomy,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , Jona 2022

“I Rota sy i Naomy”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, Jona 2022

I Rota sy i Naomy

Sary
Ny nanambadian’i Rota ny fianakavian’i Naomy

Sary nataon’i Apryl Stott

Tonga tao amin’ny tany vaovao iray i Naomy sy ny fianakaviany noho ny mosary. Nifanena tamina zatovovavy iray nantsoina hoe Rota izy ireo. Nanambady ny zanakalahin’i Naomy i Rota.

Sary
I Rota niaraka tamin’ny vadiny efa teo am-pialana aina

Avy eo dia maty ny vadin’i Rota. Tena nalahelo i Rota.

Sary
Naomy

Tena nalahelo koa i Naomy. Tsy nanana fianakaviana nikarakara azy intsony izy. Nanapa-kevitra ny hiverina tany amin’ny tany niaviany izy.

Sary
I Naomy sy i Rota

Nilaza tamin’i Rota izy mba hiverina any amin’ny fianakaviany. Tia an’i Naomy anefa i Rota. Nampanantena anefa izy fa hiaraka amin’i Naomy sy hikarakara azy.

Sary
I Rota mitsimpona zavatra

Nahantra i Rota sy i Naomy. Noho izany dia niasa mafy i Rota mba hitadiavana sakafo ho azy ireo.

Sary
Boaza sy Rota eny an-tsaha

Indray andro dia nahita an’i Rota nanangona ireo ambina voa teny amin’ny sahany ny lehilahy iray nantsoina hoe Boaza.

Sary
Boaza niaraka tamin’ny mpanompony

Tsara fanahy i Boaza. Nasainy namela sakafo misimisy kokoa ho an’i Rota ireo mpanompony.

Sary
Rota sy Boaza sy Naomy, miaraka amin’ny zazakely

Nivady i Rota sy i Boaza taty aoriana. Nanan-janaka lahy kely izy ireo. Nanampy nitaiza azy i Naomy.

Sary
Fianakaviana manolotra sakafo

Afaka manampy mikarakara ny hafa aho. Afaka maneho hatsaram-panahy amin’ireo sahirana aho.

Pejy lokoina

Afaka mikarakara ny hafa aho

Sary
ankizy miaraka amin’ny raibeny

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Iza no azonao ampiana?

Hamoaka printy