2022
Inona no mitranga mandritra ny fivoriam-piangonana isak’alahady?
Jona 2022


“Inona no mitranga mandritra ny fivoriam-piangonana isak’alahady?” Liahona, Jona 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, Jona 2022

Inona no mitranga mandritra ny fivoriam-piangonana isak’alahady?

Sary
vehivavy roa mifamihina

Mivory isaky ny alahady mba hitsaoka an’Andriamanitra sy hifampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mahazo manatrika ny olon-drehetra, ary hanana fahafahana hivavaka sy hanao lahateny ary hampianatra lesona ny mpikambana raha te hanao izany. Ireo fivoriana ireo dia manampy ny mpikambana hifankahery ao amin’ny finoana sy hanana “ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[a]” (Môzià 18:21).

Sary
ankizilahy eo ambony seza misy kodiarana mizara ny fanasan’ny Tompo

fivoriana fanasan’ny Tompo

Miangona isaky ny alahady ny mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana mba hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. (Afaka manatrika ihany koa ireo izay tsy iray finoana amintsika.) Omena ny mpikambana mandritra io fivoriana io ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa Kristy (jereo ny Ny fanasan’ny Tompo: Fomba iray ahatsiarovana ny Mpamonjy, lahatsoratra ao amin’ny Liahona aprily 2022 raha mila fampahalalana bebe kokoa momba ny fanasan’ny Tompo). Ahitana vavaka sy hira fitsaohana ary lahateny ataon’ny mpikambana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ihany koa ilay fotoam-bavaka.

Sary
ankizivavy roa mitsiky ao am-piangonana

Ireo fivoriana hafa

Aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia misaraka ho ao anatina kilasy sy kôlejy ny mpikambana. Ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona dia manatrika ny Kilonga. Ny Alahady voalohany sy fahatelo amin’ny volana dia manatrika ny Sekoly Alahady ny mpikambana hafa rehetra. Manatrika ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana, na ny Zatovovavy, na ny kôlejin’ny fisoronana izy ireo amin’ny alahady faharoa sy fahefatra.

Vavaka

Ny vavaka ao amin’ny fivoriam-piangonana dia ataon’ny mpikambana. Tsotra ireo vavaka ary tarihin’ny Fanahy Masina. Mampiasa teny maneho fitiavana sy fanajana ny Ray any An-danitra ireo mpikambana rehefa mivavaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ireo mpisolo anarana Ianao, Anao rehefa mivavaka Aminy.

Ireo lahateny

Mangataka ireo mpikambana mba hanao lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ao amin’ny fiadidian’ny sampana. Mifantoka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo lahateny ireo. Mampiasa ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana ireo mpandahateny rehefa manomana ny lahateniny. Mijoro ho vavolombelona momba ny fitahiana avy amin’ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany koa izy ireo.

Lesona

Aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia mianatra momba ny filazantsara any amin’ny kilasy kely kokoa ny mpikambana. Mety ho mikasika ny soratra masina, na fampianarana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, na lohahevitra hafa ny lesona. Na dia ny mpampianatra aza no mitarika ny lesona dia tsy famelabelarana toy ny any amin’ny sekoly ambony izany. Afaka mizara ny eritreriny momba ilay lohahevitra ny mpianatra rehetra.

Sary
lehilahy miteny eny amin’ny polipitra ao am-piangonana

Fijoroana ho vavolombelona

Indray mandeha isam-bolana dia ahitana fivoriana fijoroana ho vavolombelona ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ny alahady voalohan’ny volana izy io raha ny mahazatra. Afaka mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny mpikambana mandritra io fivoriana io. Ny hoe mijoro ho vavolombelona dia midika hoe manambara ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara araka izay hitaoman’ny Fanahy Masina.

Fiomanana

Miomana amin’ny fivoriana alahady ny mpikambana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny fahavononana handray fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina. Raha asaina manao lahateny na mampianatra lesona ianao dia eritrereto ombam-bavaka ny fomba ahafahanao mampianatra ny fitsipiky ny filazantsara. Ampiasao ny soratra masina. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Afaka manampy anao hiomana ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka ilaina izany.

Hamoaka printy