2022
Mampatanjaka ny mpikambana vaovao tsirairay
Jona 2022


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Mampatanjaka ny mpikambana vaovao tsirairay

Andraikitsika ny mifanampy mba haharitra hatramin’ny farany. Rehefa manampy ny hafa isika dia mampatanjaka ny tenantsika ihany koa.

Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nanolotra fanasana mahery vaika iray ho antsika rehetra ny Mpamonjy: “Avia, manaraha Ahy.” Manara-dia ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Samy eo amin’ny dingana samy hafa isika eo amin’io lalana io. Ny sasany amintsika dia vao haingana no lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny ranon’ny batisa ka vao miainga amin’ny fandehanana eo amin’ilay lalana. Ny hafa kosa dia efa nandeha teo amin’ilay lalana nandritra ny fotoana maharitra. Ireo izay efa eo amin’ilay lalana dia manana andraikitra lehibe ny hanampy ireo izay mbola eo am-piaingana amin’ny diany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ny batisa no fanekempihavanana voalohany ataontsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy mba hiverenana eo anatrehany, saingy tsy izay ihany anefa. Aorian’ny batisa dia mila miomana ihany koa isika hanao fanekempihavanan’ny tempoly, ary avy eo, mila maharitra hatramin’ny farany isika. Dia lavabe izany, ary andraikitsika ny mifanampy mba haharitra hatramin’ny farany. Rehefa manampy ny hafa isika dia mampatanjaka ny tenantsika ihany koa.

Mamaky isika ao amin’ny Môrônia 6:4–6 hoe:

“Ary rehefa noraisina tamin’ny batisa izy, ary niasana sy nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, hitanana azy hiambina lalandava amim-bavaka, tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompony sy mpanefa ny finoany.

“Ary ny fiangonana dia nihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hivavaka ary hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny.

“Ary nihaona miaraka matetika izy ireo mba hiara-mandray ny mofo sy ny divay ho fahatsiarovana an’i Jesoa Tompo.”

Mianatra isika amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa mankany am-piangonana isak’alahady isika, tsy hoe mba handray ny Fanasan’ny Tompo fotsiny ihany, fa mba “hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny”. Mamaky isika fa “nalaina ny anarany”. Fa nahoana no nalaina ny anarany? Nalaina izany mba hahafahan’ny mpikambana mahatsiaro azy ireo, mamelona azy ireo ary miahy azy ireo. Manan-danja manokana izany ho an’ireo mpikambantsika vao niova fo. Tsy mitovy ny olona rehetra ary samy hafa ny zavatra ilaina sy ny zavatra andrasana. Mila mihaino tsara ireo mpikambana vaovao isika mba hahafantarana tsara azy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Rehefa mihamahafantatra azy ireo isika dia hahafantatra ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo eo amin’ny lalany hiverenana indray any amin’ny Ray any An-danitra.

Tiako ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 14 andininy 11: “Ary indro, ianao no David, ary antsoina ianao hanampy, ka raha manao izany ianao ary mahatoky ianao, dia hotahina na ara-panahy na ara-nofo, ary ho lehibe ny valisoanao. Amena.”

Ao amin’io andinin-tsoratra masina io dia mianatra aho fa tsy mila hoe mahazo antso isika vao hanompo, sy hanampy ary hitia ireo mpikambana vao niova fo. Antsoina isika “hanampy” ary raha manao izany isika, dia ho voatahy izaitsizy na amin’ny ara-panahy na amin’ny ara-nofo. Tena fampanantenana lehibe izany!

Fony aho filohan’ny sampana tao amin’ny Sampan’ny tanora tokan-tena iray tao Floride, dia nisy tanora lahy iray nianatra mikasika ny Fiangonana tamin’ny alalan’ireo rahavavy misiônera, ary dia natao batisa izy fotoana fohy taorian’izay. Izy irery no mpikamban’ny Fiangonana ary tsy nanana namana tao amin’ny Fiangonana izy talohan’ny nihaonana tamin’ireo misiônera. Tsaroako anefa fa tamin’ny andron’ny batisany dia namihina azy sy nitia azy tsy misy fitsaratsarana mihitsy ireo mpikamban’ny sampana. Nahafinaritra be izany fivoriam-bavaka fanaovana batisa izany. Tahaka ny hoe efa mpinamana hatrizay taminay izy. Izany no izy satria ireo mpikamban’ny sampana dia nitia azy sy nikarakara azy na dia talohan’ny batisany aza. Nandray anjara tamin’ireo lesona misiônera niaraka tamin’ireo rahavavy misiônera izy ireo. Nanasa azy hanatrika Takarivan’ny Mpianakavy isak’alatsinainy izy ireo. Naka antoka izy ireo fa tafasoratra anarana amin’ny Institiota sy manatrika izany isan-kerinandro izy. Taorian’ny batisany dia naka fotoana izy ireo hanampy azy hanomana anarana iray ary hitondra izany any amin’ny tempoly sy hanatanteraka batisa ho an’io razambeny io. Ireo fifandraisana rehetra ireo dia nandeha ho azy sy tsy toy ny hoe noterena, ka dia nahatsapa hoe nanana ny toerany izy.

Izany dia vokatry ny ezaka nifarimbonana avy amin’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny sampana sy ireo misiônera amin’ny fotoana feno, ka isika rehetra dia “antsoina hanampy”.

Tsotra ny Filazantsara. Mila mifankatia fotsiny isika tahaka ny nasehon’ny Mpamonjy. Misy ny fitiavana rehefa mifanompo isika.

Tsy mila ary tsy tokony hiandry ny batisan’ny olona iray isika vao hitia sy hanompo azy ireo. Mitia sy mizara ary manasa ny tsirairay isika mba handray anjara sy hiaraka amintsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana na mpikambana izy ireo na tsia.

Nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021 dia nampianatra ny Loholona Bednar hoe: “Ireo olona niova fo ireo dia dodona ny hianatra sy hanompo, vonona nefa matetika tsy mahazo antoka tsara ny fomba hialana amin’ireo fahazarana taloha sy ireo fomba amam-panao matanjaka, kanefa faly fa tonga -mpiray fanjakana amin’ny olomasina sady ankohonan’ Andriamanitra.-”1

Dia nanohy izy hoe: “Ny tanjontsika amin’ny fizarana ny filazantsara dia ny hanasa ny rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy, handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary haharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy. Ny fanampiana olona hiaina ilay fiovana mahery vaika ao am-po sy hifatotra amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy masina no tanjona fototry ny fitoriana ny filazantsara”.2

Fitahiana, tombontsoa, ary adidy ho antsika tsirairay avy ny mandray anjara amin’ity asa mahatalanjona ity. Samy mitana anjara asa manan-danja amin’ny fanampiana ny mpikambana vaovao mba hiditra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy handray ilay fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “Avia, manaraha Ahy” isika rehetra.

Ny Loholona Ciro Schmeil dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny aprily 2020. Teraka tao Ponta Grossa, Brésil izy. I Alessandra Machado Louza no vadiny. Manan-janaka roa izy ireo.

FANAMARIHANA

  1. David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe”, Liahona, Nôv. 2021, 30.

  2. David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe”, 28.

Hamoaka printy