2022
Trano fiangonana
Jona 2022


Hevitra misongadina ao amin’ny boky torolalana

Trano fiangonana

Ireo trano fiangonana dia manana habe sy karazana maro samy hafa arakarak’ireo zavatra ilaina eo an-toerana sy miankina amin’ireo toe-java misy. Ny trano fiangonana iray dia mety ho toerana naorin’ny Fiangonana na koa novidiana, tranona mpikambana, fianarana iray ao an-toerana na tranom-pokonolona, toerana iray hofaina na koa fomba hafa izay efa nankatoavina.

Fanadiovana sy fikojakojana ireo trano fiangonana

Ireo mpitarika sy mpikambana ao an-toerana, anisan’izany ireo zatovo dia tompon’ andraikitra amin’ny fitandrovana ny fahadiovan’ny trano tsirairay sy amin’ny fikojakojana izany. Izany dia manampy amin’ny:

  • Fitandrovana ny toetoetra masin’ilay trano amin’ny maha—toerana iray izay misy ny Fanahy azy.

  • Famporisihana ho amin’ny fanehoam-panajana.

  • Fanehoana endrika feno fahamendrehana sy fanajana.

  • Fampitomboana ny fahatezan’ilay trano.

Ny fandaharam-potoana amin’ny fanadiovana dia tsy tokony ho vesatra ho an’ireo mpikambana. Ohatra, raha toa ka manahirana ny dia mankany amin’ilay trano dia azon’ireo mpikambana atao ny manadio rehefa manatrika ireo hetsika isan-kerinandro ao amin’ilay trano izy ireo.

Hamoaka printy