2022
Finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika
Jona 2022


FEON’NY MPIKAMBANA

Finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika

Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika.

Nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2021 ny mpaminany malalantsika, Russell M. Nelson dia nampianatra antsika mba hanana finoana mandrakariva an’i Jesoa Kristy; fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika.1

Nanohina ahy io hafatra io, ary tsaroako ny resaka nifanaovako tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana tany amin’ny Fihaonamben’ny distrikan’i Yaoundé tany am-piandohan’ity taona ity. Nandritra ilay resadresaka dia samy nizara ny fijoroany ho vavolombelona avy ny mpitarika tsirairay. Vokatry ny fizaranay mivady ny fijoroana ho vavolombelona ananay dia takatray fa tamin’ny alalan’ny finoana no nandresenay fanamby maro.

Iray amin’ireo tendrombohitra tsy maintsy nohanihinay ny fanaovana ireo fandaminana rehetra tamin’ny fianakavian’ny vadiko momba ny fanambadianay. Ny fianakaviany, izay Katôlika, dia nametraka fepetra hoe raha toa aho ka te hanambady ny zanakavavin’izy ireo, dia tsy maintsy hatao any amin’ny Fiangonana Katôlika ny fanamasinana ny fanambadianay. Very hevitra tanteraka izahay ny amin’izay hatao.

Izahay mivady dia nifanaiky fa ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia didin’ Andriamanitra. Manam-pinoana Azy sy i Jesoa Kristy Zanany izahay; hivavaka sy hifady hanina izahay ka na inona na inona hambaran’ny Ray any An-danitra aminay dia hataonay izany, eny na dia hoe hatao fanambadiana any amin’ny Fiangonana Katôlika aza izahay. Nanapa-kevitra izahay ny hihaona tamin’ny fianakavian’ny vadiko mba hangataka azy ireo raha toa ka afaka miaraka mivavaka izahay rehetra. Raha toa ka ambaran’ny Ray any An-danitra aminay fa tokony hatao fanambadiana any amin’ny Fiangonana Katôlika izahay dia hataonay izany. Saingy raha toa ka ambaran’ Andriamanitra aminay fa tokony hatao fanambadiana any amin’ny tempoly izahay, dia ho asainay ny havan’ny vadiko mba hanaiky izany valim-bavaka izany. Ny tanjona dia ny hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra.

Taorian’ny vavaka sy ny fifadian-kanina nataonay dia nambaran’ny Ray any An-danitra taminay fa tokony hanambady any amin’ny tempoly izahay. Tsy nampoizinay fa tsy nametraka olana intsony ireo havam-badiko.

Telo taona nivadiana izahay izao ary manana drafitra ny hankany amin’ny tempoly amin’ny volana ambony.

Volana vitsivitsy lasa izay ny rafozam-baviko no nilaza tamin’ny vadiko fa “namosavianay” hono izy ireo nandritra ilay vavaka. Tsy fantatr’izy ireo ny zava-nitranga! Nohazavain’ny vadiko tamin-kalemem-panahy fa ny Fanahin’ Andriamanitra no nikasika ny fony.

Rehefa matoky an’ Andriamanitra isika dia tsy ho diso fanantenana. Araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy mitaky finoana tonga lafatra ny Tompo vao hoe ho afaka ny hahazo ny heriny tonga lafatra isika. Saingy mangataka antsika Izy mba hino”.2

FANAMARIHANA

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy”, Liahona, Mey 2021, 101.

  2. Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy”, 102.

Hamoaka printy