2022
Jona: Tafaorina atỳ Afrika ny Fiangonana
Jona 2022


ITY VOLANA ITY AMIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Jona: Tafaorina atỳ Afrika ny Fiangonana

Tamin’ny 6 aprily 1853, fitsingerenan’ny faha-23 taonan’ny Fiangonana sy ny andro voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny lohataona, dia nanatri-maso tamim-pifaliana ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tempolin’i Salt Lake ny Filoha Brigham Young sy i Heber Kimball sy i Willard Richards mpanolotsainy ary ireo Olomasina tafavory an’arivony. Roa herinandro monja taty aoriana dia tonga tao Le Cap, Afrika Atsimo i Jesse Haven sy Leonard Smith ary William Walker, ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany voalohany nanitsaka ny kaontinanta Afrikana.

Avy hatrany dia nanomboka nitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny isam-batan’olona sy tao amin’ireo fivoriana tao amin’ny lapan’ny tanàna ireo misiônera telo ireo.Tamin’ny 23 mey dia nianika an’i Lion’s Head, tendrombohitra iray akaikin’i Le Cap ireo lehilahy ireo, ary nanangana misiôna iray ka i Rahalahy Haven no filohan’izany. Inoana ihany koa fa nanokana an’i Afrika Atsimo ho amin’ny fitoriana ny filazantsara izy ireo. Telo andro taty aoriana dia natao batisa i Joseph Patterson sy i John Dodd, ary tsy ela dia nisy batisa hafa nanaraka izany.

Ny sampana voalohany teto Afrika dia naorina tao Mowbray, Le Cap tamin’ny 16 aogositra 1853, efa-bolana monja taorian’ny nahatongavan’ireo misiônera. I Nicholas Paul, mpandraharaha britanika izay natao batisa tamin’ny volana jona, no filohan’ny sampana voalohany.

Fotoana fohy taorian’ny nananganana ny sampana dia nanoratra tao amin’ny taratasy iray ho an’i Willard Richards i Haven: “Tena miray hina ireo izay efa vita batisa—ary tapa-kevitra ny hanao ny marina. Faly izy ireo fa nahatratra izao andro izao, ary ny tarehiny dia mitodika any Ziona.”1

Roa taona taty aoriana, tamin’ny novambra 1855, dia niforona ny Fivoriamben’ny Le Cap (mitovy amina distrika iray) izay nahitana olona niova fo 176, sampana 6 tafatsangana, ka ny Rahalahy Paul no filohany voalohany.

FANAMARIHANA

  1. Saints: No Unhallowed Hand, The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 2020, pages 173, 179–186.

Hamoaka printy