2022
Ny fanasan’ny Tompo: Fomba iray ahatsiarovana ny Mpamonjy
Aprily 2022


“Ny fanasan’ny Tompo: Fomba iray ahatsiarovana ny Mpamonjy,” Liahona, Apr. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona Aprily 2022

Ny fanasan’ny Tompo: Fomba iray ahatsiarovana ny Mpamonjy

Sary
placeholder altText

The Last Supper (Ny Fanasana Farany), nataon’i Simon Dewey

Ny alina nialoha ny nanomboana Azy dia nihaona tamin’ireo Apôstôliny nandritra ny Fanasana Farany i Jesoa Kristy. Tamin’izay no nanomezany azy ireo voalohany ny fanasan’ny Tompo. Nohazavainy fa izany no fomba iray ahatsiarovan’izy ireo Azy. Ny Fanasan’ny Tompo dia ôrdônansy izay handraisantsika ny mofo sy rano hahafahantsika mahatsiaro ny Sorompanavotan’iKristy. Ny mofo dia maneho ny vatan’i Kristy, ary ny rano dia maneho ny rany.

Mandray ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny alahady mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Mihira fihirana iray isika eo am-panapatapahan’ireo mpihazona fisoronana ny mofo ho lasa potipotiny madinika.

Manonona vavaka manokana ireo mpihazona fisoronana izay nanapatapaka ny mofo. Ireo vavaka ireo dia hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79. Mampahatsiahy antsika ny zavatra izay nampanantenaintsika ny Ray any An-danitra ireo vavaka ireo ary koa ny zavatra izay nampanantenainy antsika.

Mizara izany amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana ireo mpihazona fisoronana hafa. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mahatsiaro ny Mpamonjy sy ny sorona fahafoizan-tena nataony ho antsika. Mamerina manolo-tena ny hitandrina ireo fanekempihavanana (fampanantenana) izay nataontsika tamin’ny Ray any An-danitra ihany koa isika.

Sary
zazavavy iray mandray mofo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Maneho fanajana isika rehefa hamasinina sy zaraina ny fanasan’ny Tompo. Izany dia fotoana natao hieritreretantsika mikasika ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ireo fampianarany, ary ny Sorompanavotana. Afaka ihany koa isika mieritreritra ny fomba hahafahantsika manaraka ireo ohatra nasehony.

Hamoaka printy