2022
Mijanòna ho mafy orina
Aprily 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Mijanòna ho mafy orina

Ny hoe sakambinin’ny sandrim-pitiavan’ny Tompo, ho ahy, dia toy ny hoe mianoka ny fahafahana azo avy amin’ny filazantsara ary misy mitarika ahy avy ao amin’ny lafy rehetra manodidina ahy.

Na dia tonga foana aza ny fitsapana sy ny fakam-panahy, ny fomba azoko antoka izay nahitako fifaliana sy fahombiazana hatrany teo amin’ny fiainana dia ny fanekena “ny halehiben’ny famindrampon’ny Tompo [izay] amin’ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy na dia hatrany amin’ny herin’ny fanafahana aza” (1 Nefia 1:20), sy ny “sakambininy mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavany” (2 Nefia 1:15). Ny hoe sakambinin’ny sandrim-pitiavan’ny Tompo ho ahy dia toy ny hoe mianoka ny fahafahana azo avy amin’ny filazantsara ary misy mitarika ahy avy ao amin’ny lafy rehetra manodidina ahy.Maka sary an-tsaina ny tenako ho eo afovoan’ny efa-joro iray aho.Mitarika ahy avy eny ambony ny Tompo. Mitarika ahy avy eo an-kavanana ny mpaminany sy ny apôstôly. Eo amin’ny lafiny ambany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana misy ahy eo an-toerana: ny ray aman-dreny, ny filohan’ny misiôna sy ny an’ny tsatòka, ny eveka, ny filohan’ny sampana, ary ireo mpitarika rafitra. Ary manana ny soratra masina sy ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany aho eo amin’ny ankavia.

Ny fanasana atolotro anareo dia ny mba hahazoanareo ny fahafahana sy ny fifaliana avy amin’ny fijanonana ao anatin’ilay efa-joro. Mijanòna ho mafy orina dia ataovy izay hahazoana ny halehiben’ny famindrampon’ny Tompo.

Ny Tompo

Ny fanasana ho antsika avy amin’ny Tompo dia fanasana mba hahita mihoatra ireo zavatra mametra antsika isan’andro sy hiakatra amin’ny dingana ambony kokoa. Manasa antsika Izy hahafoy ireo zavatra izay mety mitazona antsika tsy handroso: “Lasa ny zavatra fahiny, ary efa tonga vaovao ny zava-drehetra”. Mitaona ahy isan’andro haniry ny hiezaka kokoa ireo teny ireo. Tena manandratra ny fomba fijeriko ireto teny manaraka ireto: “Koa mba tiako ianareo ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra” (3 Nefia 12:47–48). Mbola ho ela aho vao ho tanteraka, saingy mampahery ahy ny fivoarana ezahiko atao isan’andro. Indraindray aho dia mahatsapa toy ny hoe mihemotra, kanefa ny fanamarihana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson dia manampy ahy hiarina ary hanohy handroso na dia mitsingilahila aza: “Tsy tokony ho kivy isika raha toa ka toy ny sarotra sy tsy misy fiafarany ny ezaka mafy ataontsika mankany amin’ny fahatanterahana. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany izany vao ho tonga. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fiandrianana, fanjakana, fanapahana, hery ary fizakana. Izany no fiafarana izay tokony hananantsika faharetana.” 1

“Fiafarana tokony hananana faharetana”, izay sady mamy no mangidy izany, ary fantatro fa tsy irery aho ao anatin’izany. Ny fanasana ataony am-pitiavana sy manome toky dia manome ny tanjaka ilaina mba hiaretana: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (F&F 6:36). Ny fananako ny Tompo eo ambonin’ny efa-joro misy ahy dia manome ahy fiarovana sy risi-po hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainako, satria fantatro fa afaka mahazo ireo fampianarana sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina sy ny mpaminany aho.

Mpaminany sy Apôstôly

Nandritra ireo telo taona nijanonako tao Salt Lake City, izay nahitako sy nifaneraserako matetika tamin’ireo lehilahy dimy ambin’ny folo izay tohanantsika ho mpaminany, mpahita ary mpanambara, dia nahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho an’ny olona rehetra amin’ny alalan’ireo lehilahy ireo aho. Tia ny Tompo sy ireo zanany izy ireo. Natokany ho an’ny Tompo sy ireo zanaky ny Tompo ny fiainan’izy ireo sy ny tanjony.

Rehefa mampihatra ny fampianaran’izy ireo eo amin’ny fiainanareo ianareo dia hahalana tahaka ny fahalalako fa milaza ny “sitrapon’ny Tompo” sy ny “sain’ny Tompo” (F&F 68:4) ireo lehilahy ireo. Mahazo fiarovana isika amin’ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo. Ny Loholona Ronald A. Rasband, izay isan’ireo lehilahy miavaka ireo, dia nampianatra antsika mikasika ny fanarahana ny mpaminany sy ny apôstôly nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany iray: “Mampiavaka antsika ny hoe Fiangonana tarihina mpaminany sy mpahita ary mpanambara nantsoin’ Andriamanitra ho an’izao fotoana izao. Mampanantena aho fa raha mihaino sy manaraka ny torohevitr’izy ireo ianao, dia tsy ho diso lalana mihitsy. Mihitsy!” 2

Eo am-panarahana ny torohevitry ny mpaminany sy ny apôstôly dia tokony ho vonona ny hanaraka ireo mpitarika antsika eo an-toerana ihany koa isika.

Mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana

Ny filohan’ny misiôna sy ny filohan’ny tsatòka ary ny eveka sy ny filohan’ny sampana dia nantsoin’ny Tompo. Araho tsara izay atoron’izy ireo. Mihazona ny fanalahidy izy ireo. Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) hoe: “Ireo fanalahidy ireo no zo mampijoro ny fiadidiana. Izy ireo no hery sy fahefana hitantanana sy hitarihana ny raharahan’ny Tompo rehetra eto an-tany. Ireo izay mihazona izany no manana ny fahefana hitantana sy hifehy ny fomba fanompoan’ny hafa rehetra ao amin’ny fisoronana. Mety mihazona ny fisoronana daholo isika, saingy tsy afaka mampiasa izany isika raha tsy nomen’ireo izay mihazona ny fanalahidy fahefana sy nomen’izy ireo toromarika hampiasa izany” 3 . Omena ny fanalahidin’ny fisoronana ireo mpitarika ireo mba hahafahana mitarika antsika amin’ny fomba manaraka lamina tsara sy mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara ilaina. Manaiky ireo lalana misokatra ahafahana manompo ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo mpitarika ireo ary maniry ny ho “fitaovana [eo] an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity” (jereo ny Almà 26:3).

Ny soratra masina sy ny boky torolalana no lafiny fahaefatra amin’ilay efa-joro.

Soratra masina sy boky torolalana

Ny torohevitry ny Tompo sy ny fampanantenana nomeny an’i Joseph Smith, Oliver Cowdery ary i John Whitmer volana vitsy taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia maneho ny halehiben’ny famindrampony ho antsika rehetra izay manao hoe: “Indro, lazaiko aminareo fa tsy maintsy atokanareo ny fotoanareo handinihina ny soratra masina.” Dia henoy anie izao fampanantenana izao e: “dia hampahafantarina anareo izay hataonareo” (F&F 26:1). Hampahafantarina antsika ny zavatra tokony hataontsika eo amin’ny fiainantsika, ary ho tò izany rehefa miezaka mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika isika.

Marina tokoa fa “toy ny mahamora ny fanomezana lanja ny tenin’i Kristy, izay hanoro [antsika] ny lalana mahitsy mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay, dia toy izany koa ho [an’i Lehia sy ny fianakaviany] ny fanomezana lanja [ilay] kompà . . . izay nanoro azy ny lalana mahitsy mankany amin’ny tany nampanantenaina” (Almà 37:44). Nanoro hevitra ny Filoha Howard W. Hunter (1907–1995) hoe: “Azo antoka fa ny olona izay mandalina ny soratra masina isan’andro dia hahatontosa zavatra bebe kokoa noho ny olona izay manokana fotoana ela hanaovana izany ao anatin’ny iray andro ary avy eo dia tsy manao mandritra ny andro maro alohan’ny hanohizany izany indray. Tsy vitan’ny hoe tokony handalina isan’andro fotsiny isika, fa tokony hisy koa fotoana raikitra atokana hanaovana izany izay ahafahantsika mifantoka tsy misy mpanelingelina” 4 .

Ny fijanonana ho mafy orina dia nanampy ahy hahatsapa ny fiasan’ny tanan’ny Tompo tamin’ireo antsipirian-javatra teo amin’ny fiainako.

Ny Loholona Dube dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2013. Vadin’i Naume Keresia Salizani izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Perfection Pending”, Ensign, nôvambra 1995.

  2. Jereo ny Ronald A. Rasband, “The Things of My Soul”, Liahona, nôvambra 2021.

  3. Jereo ny Joseph Fielding Smith, “Eternal Keys and the Right to Preside”, Ensign, July 1972.

  4. Jereo ny Howard W. Hunter, “Reading the Scriptures”, Ensign, nôvambra 1979.

Hamoaka printy