2022
-Afaka ny miaina sy miroborobo ao anatin’ny finoana sy fifaliana isika-: Fitsidihan’ny Loholona Ronald A. Rasband an’ i Afrika
Aprily 2022


PEJY EO AN-TOERANA

-Afaka ny miaina sy miroborobo ao anatin’ny finoana sy fifaliana isika-: Fitsidihan’ny Loholona Ronald A. Rasband an’ i Afrika

Ny alin’ny talata 16 nôvambra, dia nisy tanora iray avy any Afrika nametraka fanontaniana lalina tamin’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Nandritra ny valanaretina dia tanora tokan-tena maro no tratran’ny fitotonganana ara-tsaina, sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy noho ny tsy fisian’ny fifaneraserana,” hoy ilay olona. “Inona no torohevitra omenao ho an’ireo izay mitolona amin’ny tsy fahasalamana ara-tsaina sy miaina fahatsapana fahaketrahana, tahotra na fahakiviana?”

Izany dia iray tamin’ireo fanontaniana maro tsy mitonona anarana napetraky ny zatovo sy tanora tokan-tena sy mpivady vao erotrerony manerana ny firenena 32 eran’ny Vondromparitra Afrika Afovoany sy Afrika Atsimo izay nanaraka nijery ny valin-teniny tao amin’ny live Facebook broadcast.

Maro tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana maneran-tany sy teto an-toerana no nandray anjara, teo ambany fiahian’ny Loholona Rasband. Tao anatin’izany ny Loholona Patrick Kearon (Filoha zokiolona ao amin’ny Fitopololahy), sy i Jennifer vadiny; Eveka L. Todd Budge (ao amin’ny Episkôpa Mpiahy) sy i Lori vadiny; ny Loholona Christoffel Golden (Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo) sy i Diane vadiny; ary i Gladys Sitati, vadin’ny Loholona Joseph W. Sitati (Filohan’ny Vondromparitra Afrika Afovoany).

Izy rehetra ireo niaraka dia nanome sy nizara torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fo niainga tamin’ny vaksiny COVID-19, ny herisetra ara-nofo, ka hatramin’ny fifanakalozan-kevitra momba izay toetra tokony hokatsahin’ny olona iray ao amina olona hovadiana.

Efa ho valin-teny 800 no nipongatra nivantana avy tamin’ireo mpanaraka nandritra ilay hetsika naharitra adiny iray.

“Misaotra anareo tamin’ity fotoana ity sy ny fanahy mahagaga tsapanay nandritra ity fotoana ity,” hoy i Yvresse Rousseau avy any Congo Brazzaville.

“Nanampy tokoa ity fampitana ity,” hoy i Natalie Kapema avy any Zambia.

Ilay hetsika dia ampahany tamin’ny fitsidihana an’i Afrika naharitra 11 andro nataon’ny Loholona Rasband, sy ry Kearon ary ry Budge.

Niaraka tamin’ny fanampian’ny Teknôlôjia, ireo Loholona nitsidika ireo dia nanao Fihaonambe ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy fivoriana hafa nanerana ny Vondromparitra Afrika Afovoany sy nandray anjara tamina fihaonamben’ny tsatòka tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo sy ny an’i Nairobi, Kenya. Ireo mpitarika ihany koa dia nanao fihaonana virtoaly tamin’ireo misiônera voatendry hanompo ao Gabon sy Cameroon, sy ireo vao nafindra monina vao haingana avy tany Etiôpia noho ny hotakotaka. Nihaona tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy mpikambana ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo izy ireo ary nanao fitsidihana tsy ara-potoana ny Ivotoerana Fanofanana Misiônera tao Roodeport, andrefan’i Johannesburg, Afrika Atsimo, izay nosokafana vao haingana indray. Tamin’ny toerana rehetra dia nanasa ny olomasina hametraka fanontaniana sy namaly ny fanontanian’izy ireo ny Loholona Rasband.

-Toy ireny hoe ny Tompo ireny mihitsy no niresaka mivantana momba ireo olana atrehinay-

Ny Loholona Joseph W. Sitati, Filohan’ny Vondromparitra Afrika Afovoany dia nilaza fa ny fitsidihana nataon’ny Loholona Rasband, izay vao haingana no notendrena ho Apôstôly mpiahy ny Vondromparitra Afrika Afovoany sy ny Vondromparitra Afrika Atsimo, dia nahatsapa toy ireny hoe ny Tompo ireny no manampy ireo olomasina eto amin’ny kaontinanta Afrikana.

“Ny fananana Apôstôly iray an’ny Tompo mifantoka manokana amin’ny Vondromparitry ny Fiangonana aty Afrika Afovoany dia tena toy ireny hoe manana ny Tompo Izy Tenany ireny miresaka mivantana momba ireo olana atrehinay mpitarika sy ireo mpikambana,” hoy izy.

Ny Loholona Golden, Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, dia nanome fanamarihana ny amin’ireo hafatra izay mahafaoka ny votoatin’ny fitsidihan’ny Loholona Rasband.

“Nahakasika ny fitiavana ny fitsipika voalohany,” hoy izy. “Nantitranterin’ny Loholona Rasband ny maha-zava-dehibe ny fikolokoloana fitiavana an’ Andriamanitra sy fitiavana an’ireo mpiara-belona amintsika.

Izy ihany koa dia “nampianatra anay hanamafy orina ny Fiangonana sy hiaina ny Filazantsara eto Afrika,” hoy ny Loholona Golden nanohy. “Izy dia naneho fa ny Tompo sy i Russell M. Nelson Mpaminaniny, ny Fiadidiana Voalohany, ary ireo Apôstôly Roambinifolo dia tia anay, sy feno fankasitrahana ny amin’ny asa fanompoana ataonay, ary mila anay amin’ity asa masina ity.

Niaraka tamin’izany ny antso avo mba hanarahana ny mpaminany velona. Izao, hoy ny Loholona Sitati, no “ilaina indrindra indrindra mandritra ny fotoana izay tsy vitan’ny hoe olona maro no tsy vita vaksiny fanefitry ny COVID-19, fa mbola toerana maro ihany koa no anjakan’ny tahotra noho ny tsy fandriam-pahalemana toy ny any Etiopia, sy Oganda ary toerana sasantsasany ao RDK.”

-Finoana sy fifaliana, na inona na inona toe-java-mitranga-

Kanefa na dia eo aza ny fahasarotana hoy ny Loholona Golden, dia “manana fanomezan-toky avy amin’ny Apôstôly isika fa isika dia afaka ny miaina sy miroborobo ao anatin’ny finoana sy fifaliana, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona toe-java-mitranga ary na oviana na oviana, eny fa na dia ao anatin’ny valanaretina COVID-19 aza.”

Ny Loholona Sitati ihany koa dia nilazalaza momba ny “fampiononana sy ny toky” nentin’ny Apôstôly.

“Tamin’ireo fifaneraserako tamin’ny Loholona Rasband dia nahatsapa tenivavolombelona nanamafy lalina tao am-poko aho fa Apôstôlin’ny Tompo izy,” hoy izy. “Sarotra ho ahy ny hamariparitra mazava tsara izany fahatsapana izany amin’olon-kafa, saingy nahatsapako tena ho masina ny teo anatrehany.”

Fotoana fohy mialoha ny niverenany nankany Etazonia an’i Amerika, ny Loholona Rasband dia nilaza fa “nahatalanjona sy nampiaiky volana” azy ireo olona nifaneraserany teto Afrika.

“Fanineniny izao no nankanesako taty Afrika ary mahafaly sy manome aingam-panahy ahy lalandava ny olon-drehetra,” hoy izy. “Na ilay fiarahana tamin’ireo mpitarika, na ireo mpikambana na ireo misiônera izany, dia mampitolagaga ahy ireo olona mahafinaritra izay manao ny tsara indrindra vitan’izy ireo, sy ireo izay manorina ny fiangonana sy ny fanjakan’ny Tompo ireo.”

Hamoaka printy