2022
‘Toy ny miborosy nify’—ireo tombontsoa azo avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro
Aprily 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

‘Toy ny miborosy nify’—ireo tombontsoa azo avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro

Raha toa ka mamaky andininy vitsivitsy isan’andro ianao dia mampanantena aho fa hiaina ilay fampanantenana izay nataon’ny mpaminany Almà ianao—ilay boky dia ‘[h]anomboka ho fy’ aminao.

Ao anatin’ny fotoana tena mampientanentana anay mivady izahay amin’izao miaraka amin’ireo zatovo roa vavy zanakay ao an-tokantranonay izay manana fanontaniana maro, ary mahatalanjona ahy foana i Busi vadikoa amin’ireo valin-teniny. Tsy mba leo na tsy sorena izany mihitsy izy amin’izy ireo. Vao tsy ela izay dia nohazavainy ny lanjan’ny famakiana ny soratra masina isan’andro ary nampiasa fampitahana iray izay nilentika tao an-tsaiko izy.

Natombony tamin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo hoe impiry izy ireo no miborosy nify. Nijery azy izy ireo toy ireny miteny ireny hoe: “Izany koa ve dia fanontaniana?” Saika teo no ho eo no namalian’izy ireo ny fanontaniany hoe: “Neny a, mora be izany—indray mandeha isan’andro farafahakeliny izahay no miborosy nify!” Avy eo dia notohizany tamin’ny fanontaniana azy ireo manao hoe: “Fa nahoana ianareo no tsy miborosy nify indray mandeha isan-kerinandro na indray mandeha isam-bolana?”

Nampanontany tena ahy izay tiana nahatongavana tamin’io resadresaka io mandra-panazavany ny fomba mampitovy ny fiborosina nify amin’ny famakiana soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Tsy isan-kerinandro, na isam-bolana no hanaovantsika famakiana. Toraka izany ihany koa, tsy hoe taitra isika ny andro iray dia mamaky misesy ny Bokin’i Môrmôna. Mifanohitra amin’izany, tsy maintsy manaraka ny torohevitra avy amin’ireo Mpaminany sy Apôstôly velona isika amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana hamakian’ny mpianakavy sy ny isam-batan’olona ao amin’ireo pejy masina ireo isan’andro.

Hoy ny Filoha Boyd K. Parker (1924–2015) indray mandeha hoe: “Ao anatin’ny tontolo iray izay tsy mitsaha-mampidi-doza…ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, dia manana ny hery mikolokolo izay manasitrana ireo fanahy mosarena eo amin’izao tontolo izao” 1 . Raha manopy ny masontsika manodidina antsika isika, na mandritra ny fijerena fahitalavitra izany na famakiana ireo gazety na mankao amin’ireo tamba-jotran-tserasera mahazatra aza, dia totoran’ireo zava-dratsy maro be mitranga manodidina antsika isika. Nianatra aho fa rehefa nanokana fotoana hamakiana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isan’andro izaho sy ny ankohonako dia lasa nifanakaiky kokoa sy nanam-paniriana ny ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa.

Toy izao no lazain’ny Mpaminany Joseph Smith mahakasika ny Bokin’i Môrmôna, “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao amin’ny boky hafa.” 2 Fantatro fa marina io fampanantenana avy amin’ilay Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny io Fantatro ihany koa fa ilay fanasan’ny Filoha Nelson antsika manao hoe: “Henoy Izy” 3 dia ho tò rehefa mamaky isan’andro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika. Avy amin’ireo pejiny isika dia haheno ireo tenin’ny Mpamonjy sy ireo fampanantenany. Haheno ireo fampianarany ihany koa isika rehefa ampianarin’ireo mpaminaniny. Handray fanomezan-toky momba ny maha-Andriamanitra Azy isika avy amin’ireo fampianarana ireo ary indrindra handray ireo zavatra azontsika atao mba hianarana avy Aminy sy hahatongavana tahaka Azy.

Raha toa ianao ka mbola tsy nanomboka namaky isan’andro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia miangavy anao aho tsy ho ketraka, na indrindra indrindra, aoka ianao tsy hilavo lefona. Miangavy ianao aho hanapa-kevitra ny hanomboka ny hamaky andininy vitsivitsy isan’andro. Ny tena zava-dehibe dia ny manomboka, ary mampanantena anao aho fa vantany vao manomboka ianao dia hiaina ilay fampanantenana izay nataon’i Almà mpaminany ao amin’ny Almà 32:28 rehefa niteny izy hoe: “Ankehitriny, dia hampitahaintsika amin’ny voa iray ny teny. Ankehitriny, raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo izay hanoheranareo ny Fanahin’ny Tompo, dia indro hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy, ary rehefa tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy.”

Ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny hery entin’ny famakiana isan’andro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Efa nahita ireo vokatra entin’izany eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny an’ireo maro amin’ireo namako sy ireo olona lalain’ny foko aho.

I Clement M. Matswagothata dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2018. Manambady an’i Busisiwe Novelty Buthelezi izy; manan-janaka telo izy ireo. Mipetraka any Gaborone, Botswana ny Loholona sy ny Rahavavy Matswagothata.

FANAMARIHANA

  1. Boyd K. Packer, “The Book of Mormon: Another Testament of Jesus Christ [Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba An’i Jesoa Kristy]”, Liahona, Nôvambra 2001.

  2. Teny fanolorana: Bokin’I Môrmôna.

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy”, Liahona, Mey 2020, 88–91.

Hamoaka printy