2022
Manao takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2022


NY LALAN’NY FANEKEMPIHAVANAKO

Manao takarivan’ny mpianakavy

“Rehefa nivady ny Loholona David A. sy Rahavavy Susan Bednar dia nanao vavaky ny mpianakavy sy fandalinana soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy tsy tapaka niaraka tamin’ny zanany telo lahy izy ireo. Indraindray dia tsy nandeha tsara ny zava-drehetra ary nanontany tena ny Loholona sy Rahavavy Bednar raha toa ka nisy dikany ny ezaka nataon’izy ireo. Matetika mandritra ny fandalinana soratra masina dia misy milaza tampoka zavatra toy izao: ‘Kasihany aho!’ ‘Aza asaina mijery ahy intsony izy!’ na ‘Neny, fohany ny rivotra tokony ho ahy!’ Indraindray dia tapaka vokatry ny fihomehezana sy fifampikitikitihana ny vavaky ny mpianakavy. Ary ny takarivan’ny mpianakavy dia tsy nilamina foana niaraka tamin’ny ankizilahy telo pelika sy be tabataba.

“Saingy nanohy niezaka hatrany izy ireo.” 1

Ny takarivan’ny mpianakavy dia fotoana iray hanamafisana ny fifandraisan’ny mpianakavy. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fiarahana mianatra ny filazantsara, amin’ny alalan’ny fihainoana ny fahatsapana, ny eritreritra ary ny hevitra ananan’ny tsirairay, ary amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra miaraka. Matetika ny alatsinainy hariva no hanaovana izany.

Ny fampiharana ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano dia nanomboka tamin’i Adama sy i Eva (jereo ny Mosesy 6:57). Nitohy hatrany amin’ireo taranaka nifandimby izany, rehefa nanoro hevitra ny ray aman-dreny ny mpaminany mba hampianatra ny zanany ho tia an’ Andriamanitra sy hanaraka ny lalany (jereo ny Deoteronomia 6:5–7; Efesiana 6:4).

Ny takarivan’ny mpianakavy dia fotoana iray hankafizana ny tsirairay sy hiarahana mifaly. Amin’ny alalan’ny fiaraha-mientana tsotra—lalao, asa fanompoana, fizarana talenta, fitsidihana ireo toerana mahaliana eo an-toerana—dia mamorona fifandraisana sy manorina firaisan-kina ny fianakaviana.

Natao ho an’ny rehetra ny takarivan’ny mpianakavy.Ireo mpivady vao haingana, ireo ray sy reny manan-janaka, ireo ray aman-dreny tokan-tena manan-janaka, ireo mpivady tsy manan-janaka ao an-trano, ireo olon-dehibe tokan-tena ao amin’ny vondrona takarivan’ny mpianakavy, ary ireo izay mipetra-drery na miaraka amin’ny mpiray efitra dia afaka mahazo fitahiana avokoa amin’ny alalan’ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy.

Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manaraka io torohevitra io ny mpaminany, anisan’izany ny finoana lehibe kokoa ao am-pon’ny tanora, ny fahafahana mampitombo ny fanoherana ny fakam-panahy, ary ny fiadanana, ny fitiavana ary ny firindrana bebe kokoa ao an-tokantrano.

Tsy mora foana ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy.Saingy raha manohy miezaka hatrany ianao, toy ny Loholona sy Rahavavy Bednar, dia ho voatahy ianao sy ny fianakavianao.

FANAMARIHANA

  1. “Be Consistent and Keep Trying”, Namana, aprily 2017.

Hamoaka printy