2022
Nahoana isika no mandoa fahafolonkarena
Desambra 2022


“Nahoana isika no mandoa fahafolonkarena,” Liahona, des. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, desambra 2022

Nahoana isika no mandoa fahafolonkarena

Sary
Vola majinika mifanongoa

Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manome ny ampahafolon’ny fidiram-bolany ho an’ny Fiangonana. Izany no antsoina hoe fahafolonkarena. Ny vola amin’izany dia ampiasaina hanatanterahana ny asan’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Inona no atao hoe fahafolonkarena?

Iray amin’ireo didin’ Andriamanitra ny fandoavana amin’ny Fiangonana ny fahafolonkarena, dia ny iray ampahafolon’ny fidiram-bolantsika. Rehefa mandoa ny fahafolonkarena isika dia maneho ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra noho ireo fitahiana azontsika. Maneho isika fa matoky ny Tompo ary vonona ny hankatò Azy amin’ny zava-drehetra.

Sary
Olona mitondra fananana amin’i Melkizedeka ho fandoavana ny fahafolonkareny

Melchizedek—Keeper of the Storehouse [Melkizedeka, mpitantana ny trano fitehirizana], nataon’i Clark Kelley Price

Fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha

Ny vahoakan’ Andriamanitra dia nandoa fahafolonkarena hatramin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Ohatra, i Abrahama dia nandoa fahafolonkarena (jereo ny Genesisy 14:18–20). Ny lalàn’ny fahafolonkarena dia nampianarin’ireo mpaminany fahiny ihany koa, anisan’izany i Mosesy sy i Malakia (jereo ny Levitikosy 27:30–34; Nehemia 10:35–37; Malakia 3:10).

Famerenana amin’ny laoniny ny lalàn’ny fahafolonkarena

Tamin’ny 1838 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanontany ny Tompo ny amin’ny fomba handoavan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny fahafolonkarena. Ny valin-tenin’ny Tompo dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119, izay milaza fa ny mpikambana dia tokony hanome ny iray ampahafolon’ny izay rehetra miditra aminy ho an’ny Fiangonana (andininy 4). Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa ny hoe “izay rehetra miditra aminy” dia midika hoe ny fidiram-bolany.

Sary
Olona mifandray tanana raha toa manolotra valopy ny iray ilay iray hafa

Sary nalain’i Jamie Dale Johnson

Ahoana no fandoavana fahafolonkarena

Afaka mandoa fahafolonkarena isika amin’ny famenoana an-jotra ilay fanaovana fanatitra ao amin’ny donations.ChurchofJesusChrist.org. Na afaka mameno taratasy isika dia manome ilay vola amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na fiadidian’ny sampana. Ny vola rehetra dia alefa any amin’ny foiben’ny Fiangonana ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana (ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy) no manapa-kevitra ombam-bavaka ny fomba hampiasana izany.

Fitahiana

Nampanantena ny Tompo fa ireo izay mandoa ny fahafolonkarena dia ho voatahy ara-nofo sy ara-panahy. Ny fahafolonkarena dia manome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba hianatra Aminy sy hitombo ao amin’ny filazantsara.

Sary
Tempolin’i Salt Lake

Ny fomba ampiasana ny vola amin’ny fahafolonkarena

Ny vola amin’ny fahafolonkarena dia ampiasaina hanorenana ny Fiangonan’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorenana tempoly sy trano hafa an’ny Fiangonana, ny fanontana ireo soratra masina sy fitaovana hafa, famatsiana ireo sekolin’ny Fiangonana, ary fanampiana amin’ny asan’ny tantaram-pianakaviana sy ny fitoriana ny filazantsara.

Fanambarana ny fahafolonkarena

Indray mandeha isan-taona ireo mpikambana dia mihaona amin’ny evekany (na filohan’ny sampana) mba hilaza aminy raha toa ka mpandoa fahafolonkarena feno izy ireo.

Ny zavatra azo avy amin’ny fahafolonkarena

Sary
Tempolin’i Oakland Californie

Sarin’ny tempolin’i Oakland California nalain’i Longin Lonczyna Jr.

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa
Sary
trano fivavahana

Hamoaka printy