2022
Mahatsiaro Azy amin’ny Krismasy
Desambra 2022


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Mahatsiaro Azy amin’ny Krismasy

Hafatra momba ny fanantenana, ny fankaherezana, ny fitiavana ary ny fanompoana ny hafatry ny Tompo.

Vanim-potoana manan-danja indrindra amin’ny taona ny Krismasy.

Manantena ny hahazo fanomezana ny ankizy iray, manamboatra sakafo miavaka ny olona, ary misy fahatsapana fanompoana sy fangorahana mameno ny fon’ny olona tsara rehetra.

Mankalaza ny Krismasy amin’ny fomba samihafa ny olona maneran-tany: mandeha any am-piangonana, mandany fotoana miaraka amin’ny fianakaviana, mitsidika namana, na manao kilalao maneho ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Maro ny fomba ahafahantsika mankalaza miaraka na samirery ny niavian’ny Mpamonjy teto an-tany.

Indraindray noho ny fotoana fohy ananantsika mba hanomanana zavatra maro dia adinontsika ny antony hankalazantsika ny Krismasy.

Ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra

I Jesoa Kristy no fanomezana lehibe indrindra amin’ireo fanomezana rehetra azontsika avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Nahoana?

Satria ny fiaviany teto an-tany dia mifono hevitra mihoatra lavitra noho ny zaza iray teraka tamin’ny fomba tsotsotra. Efa vonona hatrany am-piandohana, i Jesoa Kristy dia nanolotra ny tenany tamin-kalalahana mba hamonjy antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. I Jesoa Kristy dia nanavotra antsika tamin’ny toetry ny tsy fisiana fanantenana ho amin’ny toetry ny fahafahana mahatalanjona, dia ny fiainana mandrakizay mihitsy. “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Noho Izy dia ho velona indray ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra izay efa nodimandry. Ny olombelona rehetra dia hitsangana amin’ny maty ary tsy ho faty intsony, “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22).

Noho Izy dia afaka mahatsapa ho afaka amin’ny vokatry ny fahotantsika isika rehetra. “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” (Isaia 1:18).

Noho Izy dia afaka miara-miaina amin’ny Raintsika any An-danitra any amin’ny fiainana mandrakizay isika. Mampanantena antsika ny Tompo hoe: “Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (F&F 14:7).

Mahatsiaro Azy

Ahoana no hankalazantsika io vanim-potoana manokana io? Amin’ny fahatsiarovana Azy.

Satria i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia tsy nanao na inona na inona ho tombontsoany manokana, dia afaka mahatsiaro Azy tsaratsara kokoa isika amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra tiany hataontsika. Afaka mitia, mizara ary manasa isika.

Afaka mizara ny hafatry ny filazantsara amin’ireo izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika, ary afaka manatrika lesona iray miaraka amin’ireo misiônera ary mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Afaka mizara hafatra momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika rehefa manompo olona iray.

Afaka manao ny tantaram-pianakaviantsika isika ary mandefa ny anaran’ireo razambentsika any amin’ny Tranon’ny Tompo.

Afaka maneho fitiavana ny mpiray finoana amintsika isika amin’ny fanompoana azy ireo.

Afaka mizara ny fitiavantsika amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo ho any an-tokantranontsika na ny fitsidihana azy ireo.

Ireo no zavatra, ankoatra ny maro hafa, izay azontsika atao izay ho nataon’ny Tompo ho antsika raha teto Izy.

Mitahy ny fiainan’ny mpiara-belona amintsika

Na irery isika na voahodidin’ny olona, ​​dia afaka hanao zavatra izay ho nataon’ny Tompo ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra foana isika.

Te hanasa anareo aho mba haneho ny fitiavanareo Azy, tsy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy ihany fa mandritra ny androm-piainanareo rehetra koa amin’ny alalan’ny fiezahana hitandrina ny didiny. “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko”, hoy ny torohevitry ny Tompo amintsika ao amin’ny Jaona 14:15.

Mampanantena anareo aho fa amin’ny alalan’ny fitiavana sy fizarana ary fanasana, ary ny fitandremana ny didy, dia hitahy anareo amin’ny zavatra ara-panahy sy ara-batana rehetra ilaintsika ny Tompo. “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany” (jereo ny Môzià 2:41).

Henoy Izy

Ny hafatry ny Tompo dia hafatry ny fanantenana, ny fankaherezana, ny fitiavana ary ny fanompoana. Izy no olona ilaintsika hanaovana ezaka mba hotahafina. Tamin’ny fanolorana ny ainy, i Jesoa Kristy dia lasa fanehoana madio ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika tsirairay avy. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson mpaminany malalantsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2020 hoe: “Rehefa mikatsaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy isika, ny ezaka ataontsika mba hihainoana Azy dia tokony ho niniana kokoa hatrany. Mitaky ezaka amim-pahendrena sy tsy tapaka ny hamenoana ny fiainantsika andavanandro amin’ny teniny sy ny fampianarany ary ny fahamarinany.”1

I Jesoa no Kristy, ary tia antsika Izy. Enga anie isika hahatsiaro Azy amin’izao vanim-potoana izao sy mandritra ny fiainantsika satria Izy no loharanon’ny fitahiana rehetra ankehitriny sy mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Henoy Izy”, Liahona, Mey 2020, 89.

Hamoaka printy